< Isaia 47 >

1 Mialà, ka mipetraha amin’ ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ ny tany, fa tsy amin’ ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
Descends, assieds-toi dans la poussière, vierge, fille de Babel! Assieds-toi à terre; plus de trône, fille des Caldéens! Car tu ne seras plus appelée la délicate, la voluptueuse.
2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr’ akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
Prends les deux meules, et mouds de la farine; défais tes tresses, déchausse-toi, découvre tes jambes, passe les fleuves.
3 Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
Que ta nudité soit découverte, et qu'on voie ta honte! Je ferai vengeance, je n'épargnerai personne.
4 Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
Notre Rédempteur s'appelle l'Éternel des armées, le Saint d'Israël!
5 Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin’ ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ ny fanjakana intsony ianao.
Habite dans le silence, fuis dans les ténèbres, fille des Caldéens! Car tu ne seras plus appelée dominatrice des royaumes.
6 Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
J'étais irrité contre mon peuple; j'ai profané mon héritage, je les ai livrés entre tes mains: tu n'as point usé de miséricorde envers eux, tu as fait lourdement peser ton joug sur le vieillard.
7 Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
Tu as dit: Je dominerai à toujours! Si bien que tu ne prenais pas garde à ces choses, tu ne pensais pas quelle en serait la fin.
8 Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan’ anaka.
Et maintenant, écoute ceci, voluptueuse, qui habites en sécurité, qui dis en ton cœur: Moi, et nulle autre que moi! Je ne deviendrai pas veuve, je ne connaîtrai pas le deuil des enfants!
9 Kanjo hanjo anao tampoka amin’ ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan’ anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
Elles viendront sur toi, ces deux choses, en un moment et le même jour, le deuil des enfants et le veuvage; elles viendront sur toi, sans que rien n'y manque, malgré le nombre de tes sortilèges, malgré la multitude de tes enchantements!
10 Fa nitoky tamin’ ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
Tu t'es confiée dans ta malice, et tu as dit: Personne ne me voit. Ta sagesse et ta science t'ont séduite, et tu as dit en ton cœur: Moi, et nulle autre que moi!
11 Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.
Mais un mal viendra sur toi, que tu n'auras pas vu poindre; une calamité tombera sur toi, que tu ne pourras détourner; une ruine que tu n'auras pas prévue viendra subitement sur toi!
12 Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Parais avec tes enchantements et avec la multitude de tes sortilèges, auxquels tu t'es fatiguée dès ta jeunesse! Peut-être pourras-tu en tirer profit, peut-être te rendras-tu redoutable!
13 Sasatra noho ny hamaroan’ ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
Tu es lasse de la multitude de tes conseils. Qu'ils paraissent, ceux qui interrogent les cieux, qui examinent les étoiles, qui font leurs prédictions aux nouvelles lunes! qu'ils te délivrent de ce qui va venir sur toi!
14 Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main’ ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ ny herin’ ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
Les voilà devenus comme du chaume; le feu les brûle, ils ne se sauveront pas du pouvoir des flammes; ce ne sera pas un brasier pour cuire leur pain, ni un feu pour s'asseoir auprès.
15 Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
Tels sont pour toi ceux avec qui tu t'es lassée, avec lesquels tu trafiquas dès ta jeunesse: ils errent chacun de son côté; il n'y a personne pour te sauver!

< Isaia 47 >