< Isaia 46 >

1 Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ ireo biby reraka.
Bel boweth down, Nebo stoopeth; their idols are upon the beasts, and upon the cattle: the things that ye carried about are made a load, a burden to the weary [beast].
2 Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
They stoop, they bow down together; they could not deliver the burden, but themselves are gone into captivity.
3 Mihainoa Ahy, ry taranak’ i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
Hearken unto me, O house of Jacob, and all the remnant of the house of Israel, that have been borne [by me] from their birth, that have been carried from the womb;
4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
and even to old age I am he, and even to hoar hairs will I carry [you]; I have made, and I will bear; yea, I will carry, and will deliver.
5 Hampitovinareo amin’ iza moa Aho, sy amin’ iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
To whom will ye liken me, and make me equal, and compare me, that we may be like?
6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin’ ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
Such as lavish gold out of the bag, and weigh silver in the balance, they hire a goldsmith, and he maketh it a god; they fall down, yea, they worship.
7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ ny fahoriany.
They bear it upon the shoulder, they carry it, and set it in its place, and it standeth, from its place shall it not remove: yea, one may cry unto it, yet can it not answer, nor save him out of his trouble.
8 Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina.
Remember this, and show yourselves men; bring it again to mind, O ye transgressors.
9 Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
Remember the former things of old: for I am God, and there is none else; [I am] God, and there is none like me;
10 Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
declaring the end from the beginning, and from ancient times things that are not [yet] done; saying, My counsel shall stand, and I will do all my pleasure;
11 Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
calling a ravenous bird from the east, the man of my counsel from a far country; yea, I have spoken, I will also bring it to pass; I have purposed, I will also do it.
12 Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:
Hearken unto me, ye stout-hearted, that are far from righteousness:
13 Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an’ ny Isiraely.
I bring near my righteousness, it shall not be far off, and my salvation shall not tarry; and I will place salvation in Zion for Israel my glory.

< Isaia 46 >