< Isaia 37 >

1 Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,
Lorsque le roi Ézéchias eut entendu cela, il déchira ses vêtements, il se couvrit d'un sac, et entra dans la maison de l'Éternel.
2 ary izy naniraka an’ i Eliakima, lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan’ ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza,
Puis il envoya Éliakim, préfet du palais, et Shebna le secrétaire, et les anciens d'entre les sacrificateurs, couverts de sacs, vers Ésaïe, le prophète, fils d'Amots.
3 ary nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
Et ils lui dirent: Ainsi a dit Ézéchias: Ce jour est un jour d'angoisse, de châtiment et d'opprobre; car les enfants sont venus jusqu'au moment de naître, mais il n'y a point de force pour enfanter.
4 Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
Peut-être que l'Éternel ton Dieu aura entendu les paroles de Rabshaké, que le roi d'Assyrie, son maître, a envoyé pour insulter le Dieu vivant; peut-être que l'Éternel ton Dieu châtiera les paroles qu'il a entendues. Fais donc monter une prière en faveur de ce qui reste encore.
5 Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
Les serviteurs du roi Ézéchias vinrent donc vers Ésaïe.
6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
Et Ésaie leur dit: Vous parlerez ainsi à votre maître: Ainsi a dit l'Éternel: ne crains point à cause des paroles que tu as entendues, par lesquelles les serviteurs du roi d'Assyrie m'ont outragé.
7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin’ ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
Voici, je vais mettre en lui un esprit tel, qu'ayant appris une nouvelle, il retournera dans son pays; et je le ferai tomber par l'épée dans son pays.
8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ ny mpanjakan’ i Asyria fahirano tamin’ izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
Rabshaké s'en retourna donc et trouva le roi des Assyriens qui assiégeait Libna; car il avait appris qu'il était parti de Lakis.
9 Ary ren’ i Sankeriba ny amin’ i Tiraka, mpanjakan’ i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin’ i Hezekia nanao hoe:
Et le roi entendit dire au sujet de Thirhaca, roi d'Éthiopie: Il est sorti pour te combattre. Et, l'ayant appris, il envoya des messagers à Ézéchias, et leur dit:
10 Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.
Vous parlerez ainsi à Ézéchias, roi de Juda: Que ton Dieu, en qui tu te confies, ne t'abuse pas, en disant: Jérusalem ne sera point livré aux mains du roi d'Assyrie.
11 Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
Voilà, tu as entendu ce que les rois des Assyriens ont fait à tous les pays: ils les ont détruits entièrement; et toi, tu échapperais!
12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak’ i Edena izay tao Telasara?
Les dieux des nations que mes ancêtres ont détruites, les dieux de Gozan, de Charan, de Retseph et des enfants d'Éden qui sont à Thélassar, les ont-ils délivrées?
13 Aiza ny mpanjakan’ i Hamata sy ny mpanjakan’ i Arpada sy ny mpanjakan’ ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
Où est le roi de Hamath, le roi d'Arpad, le roi de la ville de Sépharvaïm, de Héna et d'Ivva?
14 Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
Or, quand Ézéchias eut reçu la lettre de la main des messagers et qu'il l'eut lue, il monta à la maison de l'Éternel, et Ézéchias la déploya devant l'Éternel.
15 Ary Hezekia nivavaka tamin’ i Jehovah nanao hoe:
Puis Ézéchias fit sa prière à l'Éternel et dit:
16 Ry Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Éternel des armées, Dieu d'Israël, qui sièges entre les chérubins! Toi seul, tu es le Dieu de tous les royaumes de la terre; c'est toi qui as fait les cieux et la terre.
17 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain’ i Sankeriba hihaika an’ Andriamanitra velona.
Éternel, incline ton oreille et écoute! Éternel, ouvre tes yeux et regarde! Écoute toutes les paroles de Sanchérib, qu'il m'a envoyé dire pour insulter le Dieu vivant!
18 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny
Il est vrai, ô Éternel, que les rois d'Assyrie ont ravagé tous les pays et leur propre pays,
19 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
Et qu'ils en ont jeté les dieux au feu; car ce n'étaient pas des dieux, mais l'ouvrage des mains de l'homme, du bois et de la pierre; aussi les ont-ils détruits.
20 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin’ ny tànany izahay, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
Maintenant donc, ô Éternel notre Dieu, délivre-nous de sa main, et que tous les royaumes de la terre sachent que toi seul es l'Éternel!
21 Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria,
Alors Ésaïe, fils d'Amots, envoya dire à Ézéchias: Ainsi a dit l'Éternel, le Dieu d'Israël: J'ai entendu la prière que tu m'as faite au sujet de Sanchérib, roi d'Assyrie.
22 dia izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
C'est ici la parole que l'Éternel a prononcée contre lui: Elle te méprise, elle se rit de toi, la vierge, fille de Sion; elle hoche la tête après toi, la fille de Jérusalem.
23 Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Qui as-tu insulté et outragé, et contre qui as-tu élevé la voix? Tu as porté tes yeux en haut, sur le Saint d'Israël.
24 Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka,
Par tes serviteurs, tu as insulté le Seigneur, et tu as dit: Avec la multitude de mes chars je monterai au sommet des montagnes, aux retraites du Liban; je couperai ses plus hauts cèdres et ses plus beaux cyprès; j'atteindrai sa dernière cime, la forêt de son jardin.
25 Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta.
J'ai creusé des puits et j'en ai bu les eaux; j'ai tari, de la plante de mes pieds, tous les fleuves de l'Égypte.
26 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
N'as-tu pas appris que j'ai préparé ceci dès longtemps, que dès les temps anciens j'en ai formé le dessein? Maintenant je le fais arriver, et tu es là pour réduire les villes fortes en monceaux de ruines.
27 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
Leurs habitants, privés de force, sont épouvantés et confus; ils sont comme l'herbe des champs, la tendre verdure, comme l'herbe des toits et le blé brûlés avant de se former en tiges.
28 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
Mais je connais ta demeure, ta sortie et ton entrée, et ta fureur contre moi.
29 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin’ ny lalana izay nihavianao ianao.
Parce que tu es en fureur contre moi, et que ton insolence est montée à mes oreilles, je mettrai ma boucle à tes narines et mon frein à tes lèvres, et je te ferai retourner par le chemin par lequel tu es venu.
30 Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin’ ity taona ity ianareo; ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
Et voici le signe que tu en auras, ô Ézéchias! On mangera cette année ce qui viendra de soi-même, et la seconde année ce qui croîtra encore sans qu'on sème; mais la troisième année, vous sèmerez et vous moissonnerez: vous planterez des vignes et vous en mangerez le fruit.
31 Ary izay sisa amin’ ny taranak’ i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
Et ce qui sera réchappé et demeuré de reste à la maison de Juda, poussera ses racines en bas et produira ses fruits en haut.
32 Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hanao izany.
Car il sortira de Jérusalem quelque reste, et de la montagne de Sion quelques réchappés. La jalousie de l'Éternel des armées fera cela.
33 Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
C'est pourquoi, ainsi a dit l'Éternel touchant le roi d'Assyrie: Il n'entrera pas dans cette ville, il n'y jettera point de flèche, il ne lui présentera point le bouclier et n'élèvera point de terrasse contre elle.
34 Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
Il s'en retournera par où il est venu, et il n'entrera pas dans cette ville, dit l'Éternel.
35 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
Et je protégerai cette ville pour la sauver, à cause de moi et à cause de David, mon serviteur.
36 Dia avy Ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Or un ange de l'Éternel sortit et frappa dans le camp des Assyriens cent quatre-vingt-cinq mille hommes; et quand on se leva le matin, voilà, c'étaient tous des corps morts.
37 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
Et Sanchérib, roi des Assyriens, leva son camp, partit et s'en retourna, et il resta à Ninive.
38 Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
Et comme il était prosterné dans la maison de Nisroc son dieu, Adrammélec et Sharétser, ses fils, le frappèrent avec l'épée, puis ils se sauvèrent au pays d'Ararat. Et Esarhaddon, son fils, régna en sa place.

< Isaia 37 >