< Isaia 32 >

1 Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
Voici le roi régnera selon la justice, les princes gouverneront avec équité.
2 Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ ny rivotra sy ho fialofana amin’ ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin’ ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ ny tany mahana.
Et chacun d'eux sera comme un abri contre le vent et un refuge contre la pluie, comme des ruisseaux d'eau dans une terre aride, comme l'ombre d'un grand rocher dans un pays désolé.
3 Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino.
Alors les yeux de ceux qui voient ne seront plus couverts, et les oreilles de ceux qui entendent seront attentives.
4 Ny fon’ izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’ izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
Le cœur des hommes légers entendra la sagesse; la langue des bègues parlera promptement et nettement.
5 Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’ andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.
L'insensé ne sera plus appelé noble, et le trompeur ne sera plus nommé magnifique.
6 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin’ i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan’ ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ ny mangetaheta rano hosotroina.
Car l'insensé ne prononce que folie, et son cœur s'adonne à la fausseté, pour commettre l'impiété, pour blasphémer contre l'Éternel, pour frustrer l'âme de l'affamé, et pour ôter le breuvage à celui qui a soif.
7 Ary ratsy ny hafetsen’ ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;
Quant au trompeur, ses moyens sont pernicieux; il trouve des inventions pour perdre les affligés par des paroles fausses, et le pauvre dont la cause est juste.
8 Fa ny mitoetr’ andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
Mais l'homme noble forme de nobles desseins, et il se lève pour agir avec noblesse.
9 Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
Femmes insouciantes, levez-vous, écoutez ma voix! Filles qui vous tenez assurées, prêtez l'oreille à ma parole!
10 Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
Dans un an et quelques jours vous tremblerez, vous qui êtes assurées; car la vendange aura manqué, on ne fera point de récolte.
11 Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
Soyez dans l'effroi, insouciantes! Tremblez, vous qui êtes assurées! Dépouillez-vous, mettez-vous à nu, ceignez vos reins pour le deuil!
12 Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
Frappez-vous la poitrine, à cause des belles campagnes et des vignes fertiles.
13 Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
Les épines, les ronces monteront sur la terre de mon peuple, même sur toutes les maisons de plaisance de la cité joyeuse.
14 Fa ho foana ny lapan’ ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ ny ondry aman’ osy,
Car le palais est abandonné; la ville bruyante est délaissée; la colline et la tour sont à jamais comme des cavernes; les ânes sauvages s'y joueront, et les troupeaux y paîtront;
15 Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin’ ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
Jusqu'à ce que l'Esprit soit répandu sur nous d'en haut, que le désert devienne un verger, et que le verger soit semblable à une forêt.
16 Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin’ ny saha mahavokatra.
Alors l'équité habitera dans le désert, et la justice fera sa demeure dans le verger.
17 Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
La justice produira la paix, et le fruit de la justice sera le repos et la sûreté pour toujours.
18 Ary ny oloko hitoetra ao amin’ ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
Mon peuple habitera une demeure paisible, des habitations sûres et des asiles tranquilles.
19 Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.
Mais la forêt tombera sous la grêle, et la ville sera entièrement abaissée.
20 Sambatra izay mamafy eny amoron’ ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
Heureux, vous qui semez près de toutes les eaux, qui y faites mouvoir le pied du bœuf et de l'âne!

< Isaia 32 >