< Isaia 3 >

1 Fa, indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, Manaisotra amin’ i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’ aina,
主-萬軍之耶和華從耶路撒冷和猶大, 除掉眾人所倚靠的,所仗賴的, 就是所倚靠的糧,所仗賴的水;
2 Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
除掉勇士和戰士, 審判官和先知, 占卜的和長老,
3 Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
五十夫長和尊貴人, 謀士和有巧藝的, 以及妙行法術的。
4 Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
主說:我必使孩童作他們的首領, 使嬰孩轄管他們。
5 Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ ny manan-daza.
百姓要彼此欺壓; 各人受鄰舍的欺壓。 少年人必侮慢老年人; 卑賤人必侮慢尊貴人。
6 Raha misy olona angatahin’ ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,
人在父家拉住弟兄,說: 你有衣服,可以作我們的官長。 這敗落的事歸在你手下吧!
7 Dia namaly izy amin’ izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
那時,他必揚聲說: 我不作醫治你們的人; 因我家中沒有糧食,也沒有衣服, 你們不可立我作百姓的官長。
8 Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’ i Jehovah Mba hihaika ny mason’ ny voninahiny.
耶路撒冷敗落, 猶大傾倒; 因為他們的舌頭和行為與耶和華反對, 惹了他榮光的眼目。
9 Ny fisehon’ ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’ i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ ny tenany izy.
他們的面色證明自己的不正; 他們述說自己的罪惡,並不隱瞞, 好像所多瑪一樣。 他們有禍了!因為作惡自害。
10 Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
你們要論義人說:他必享福樂, 因為要吃自己行為所結的果子。
11 Lozan’ ny ratsy fanahy! hiharan’ ny ratsy izy, Satria ny valin’ ny nataon’ ny tànany ihany no hanody azy.
惡人有禍了!他必遭災難! 因為要照自己手所行的受報應。
12 Ny amin’ ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
至於我的百姓, 孩童欺壓他們, 婦女轄管他們。 我的百姓啊,引導你的使你走錯, 並毀壞你所行的道路。
13 Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
耶和華起來辯論, 站着審判眾民。
14 Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben’ ny olony amin’ ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan’ ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
耶和華必審問他民中的長老和首領,說: 吃盡葡萄園果子的就是你們; 向貧窮人所奪的都在你們家中。
15 Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
主-萬軍之耶和華說: 你們為何壓制我的百姓, 搓磨貧窮人的臉呢?
16 Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin’ i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
耶和華又說: 因為錫安的女子狂傲, 行走挺項,賣弄眼目, 俏步徐行,腳下玎璫,
17 Noho izany dia hataon’ ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan’ ny zanakavavin’ i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
所以,主必使錫安的女子頭長禿瘡; 耶和華又使她們赤露下體。
18 Amin’ izany andro izany dia hesorin’ i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana,
到那日,主必除掉她們華美的腳釧、髮網、月牙圈、
19 Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,
耳環、手鐲、蒙臉的帕子、
20 Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,
華冠、足鍊、華帶、香盒、符囊、
21 Na ny peratra, na ny kavin’ orona,
戒指、鼻環、
22 Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
吉服、外套、雲肩、荷包、
23 Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana;
手鏡、細麻衣、裹頭巾、蒙身的帕子。
24 Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ ny vy mahamay.
必有臭爛代替馨香, 繩子代替腰帶, 光禿代替美髮, 麻衣繫腰代替華服, 烙傷代替美容。
25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an’ ady;
你的男丁必倒在刀下; 你的勇士必死在陣上。
26 Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
錫安的城門必悲傷、哀號; 她必荒涼坐在地上。

< Isaia 3 >