< Isaia 21 >

1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ ny tany mahatahotra.
The burden of the desert of the sea. As whirlwinds in the south pass through; so it comes from the desert, from a terrible land.
2 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
A grievous vision is declared to me; the treacherous dealer deals treacherously, and the spoiler spoils. Go up, O Elam: besiege, O Media; all the sighing thereof have I made to cease.
3 Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
Therefore are my loins filled with pain: pangs have taken hold on me, as the pangs of a woman that travails: I was bowed down at the hearing of it; I was dismayed at the seeing of it.
4 Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
My heart panted, fearfulness affrighted me: the night of my pleasure has he turned into fear to me.
5 Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga!
Prepare the table, watch in the watchtower, eat, drink: arise, you princes, and anoint the shield.
6 Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
For thus has the LORD said to me, Go, set a watchman, let him declare what he sees.
7 Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
And he saw a chariot with a couple of horsemen, a chariot of asses, and a chariot of camels; and he listened diligently with much heed:
8 Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ ny fiambenako aho mandritra ny alina;
And he cried, A lion: My lord, I stand continually on the watchtower in the daytime, and I am set in my ward whole nights:
9 Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany.
And, behold, here comes a chariot of men, with a couple of horsemen. And he answered and said, Babylon is fallen, is fallen; and all the graven images of her gods he has broken to the ground.
10 Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.
O my threshing, and the corn of my floor: that which I have heard of the LORD of hosts, the God of Israel, have I declared to you.
11 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?
The burden of Dumah. He calls to me out of Seir, Watchman, what of the night? Watchman, what of the night?
12 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena.
The watchman said, The morning comes, and also the night: if you will inquire, inquire you: return, come.
13 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Arabia. Any an’ ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ ny Dedanita.
The burden on Arabia. In the forest in Arabia shall you lodge, O you traveling companies of Dedanim.
14 Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin’ ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
The inhabitants of the land of Tema brought water to him that was thirsty, they prevented with their bread him that fled.
15 Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
For they fled from the swords, from the drawn sword, and from the bent bow, and from the grievousness of war.
16 Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Ato anatin’ ny herintaona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’ i Kedara;
For thus has the LORD said to me, Within a year, according to the years of an hireling, and all the glory of Kedar shall fail:
17 Ary ny tsipìka sisa izay; an’ ny lehilahy mahery, taranak’ i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
And the residue of the number of archers, the mighty men of the children of Kedar, shall be diminished: for the LORD God of Israel has spoken it.

< Isaia 21 >