< Isaia 20 >

1 Tamin’ ny taona nankanesan’ i Tartana tany Asdoda, raha nirahin’ i Sargona, mpanjakan’ i Asyria, izy ka namely an’ i Asdoda ary nahafaka azy,
L'année où Tharthan vint à Asdod, envoyé par Sargon, roi d'Assyrie, assiégea Asdod et la prit;
2 tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Jehovah teny an’ Isaia, zanak’ i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
En ce temps-là, l'Éternel parla par le ministère d'Ésaïe, fils d'Amots, et lui dit: Va, détache le sac de tes reins, et ôte tes souliers de tes pieds; ce qu'il fit, allant nu et déchaussé.
3 Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan’ Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin’ i Egypta sy Etiopia,
Alors l'Éternel dit: Comme Ésaïe, mon serviteur, a marché nu et déchaussé, ce qui est un signe et un présage contre l'Égypte et contre l'Éthiopie pour trois années;
4 dia ho toy izany no hitondran’ ny mpanjakan’ i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’ i Egypta.
Ainsi le roi d'Assyrie emmènera les captifs de l'Égypte et les exilés de l'Éthiopie, jeunes hommes et vieillards, nus et déchaussés, le dos découvert, à la honte de l'Égypte.
5 Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin’ i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.
Alors ils seront consternés et confus au sujet de l'Éthiopie, leur espérance, et de l'Égypte, leur gloire.
6 Ary amin’ izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ ny mpanjakan’ i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Et l'habitant de ce rivage dira, en ce jour-là: Voilà ce qu'est devenu le peuple en qui nous espérions, vers qui nous courions chercher du secours, pour être délivrés du roi d'Assyrie! Et nous, comment échapperons-nous?

< Isaia 20 >