< Isaia 18 >

1 Indrisy ny tany be fibiziziokan’ elatra! Izay any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia, 2 Izay mampandeha iraka eny ambonin’ ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin’ ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin’ ny ony maro ny taniny. 3 Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa. 4 Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin’ ny hainandro fararano. 5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny. 6 Dia hafoy avokoa izy ho an’ ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ ny biby eny ambonin’ ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin’ ny tany handany ririnina any. 7 Amin’ izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin’ ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin’ ny ony maro ny taniny ho ao amin’ ny fitoeran’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.

< Isaia 18 >