< Hosea 8 >

1 Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’ i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.
In gutture tuo sit tuba quasi aquila super domum Domini, pro eo quod transgressi sunt fœdus meum, et legem meam prævaricati sunt.
2 Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
Me invocabunt: Deus meus, cognovimus te Israël.
3 Ataon’ ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
Projecit Israël bonum: inimicus persequetur eum.
4 Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
Ipsi regnaverunt, et non ex me; principes exstiterunt, et non cognovi: argentum suum et aurum suum fecerunt sibi idola, ut interirent.
5 Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?
Projectus est vitulus tuus, Samaria; iratus est furor meus in eos. Usquequo non poterunt emundari?
6 Fa avy tamin’ ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin’ i Samaria.
Quia ex Israël et ipse est: artifex fecit illum, et non est deus; quoniam in aranearum telas erit vitulus Samariæ.
7 Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
Quia ventum seminabunt, et turbinem metent: culmus stans non est in eo; germen non faciet farinam: quod etsi fecerit, alieni comedent eam.
8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ ny jentilisa.
Devoratus est Israël; nunc factus est in nationibus quasi vas immundum.
9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny
Quia ipsi ascenderunt ad Assur, onager solitarius sibi; Ephraim munera dederunt amatoribus.
10 Ary na dia nanangy tany amin’ ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan’ ny mpanjakan’ ireo mpanapaka.
Sed et cum mercede conduxerint nationes, nunc congregabo eos, et quiescent paulisper ab onere regis et principum.
11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
Quia multiplicavit Ephraim altaria ad peccandum; factæ sunt ei aræ in delictum.
12 Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
Scribam ei multiplices leges meas, quæ velut alienæ computatæ sunt.
13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’ izany, nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
Hostias offerent, immolabunt carnes et comedent, et Dominus non suscipiet eas: nunc recordabitur iniquitatis eorum, et visitabit peccata eorum: ipsi in Ægyptum convertentur.
14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’ izany ny trano vaventiny.
Et oblitus est Israël factoris sui, et ædificavit delubra; et Judas multiplicavit urbes munitas; et mittam ignem in civitates ejus, et devorabit ædes illius.

< Hosea 8 >