< Hosea 4 >

1 Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo Zanak’ Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ ny mponina amin’ ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’ Andriamanitra eo amin’ ny tany,
Audite verbum Domini, filii Israël, quia judicium Domino cum habitatoribus terræ: non est enim veritas, et non est misericordia, et non est scientia Dei in terra.
2 Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.
Maledictum, et mendacium, et homicidium, et furtum, et adulterium inundaverunt, et sanguis sanguinem tetigit.
3 Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.
Propter hoc lugebit terra, et infirmabitur omnis qui habitat in ea, in bestia agri, et in volucre cæli; sed et pisces maris congregabuntur.
4 Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ ny mpisorona.
Verumtamen unusquisque non judicet, et non arguatur vir: populus enim tuus sicut hi qui contradicunt sacerdoti.
5 Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin’ ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
Et corrues hodie, et corruet etiam propheta tecum. Nocte tacere feci matrem tuam.
6 Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’ Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
Conticuit populus meus, eo quod non habuerit scientiam: quia tu scientiam repulisti, repellam te, ne sacerdotio fungaris mihi; et oblita es legis Dei tui, obliviscar filiorum tuorum et ego.
7 Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
Secundum multitudinem eorum sic peccaverunt mihi: gloriam eorum in ignominiam commutabo.
8 Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
Peccata populi mei comedent, et ad iniquitatem eorum sublevabunt animas eorum.
9 Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
Et erit sicut populus, sic sacerdos; et visitabo super eum vias ejus, et cogitationes ejus reddam ei.
10 Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
Et comedent, et non saturabuntur; fornicati sunt, et non cessaverunt: quoniam Dominum dereliquerunt in non custodiendo.
11 Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
Fornicatio, et vinum, et ebrietas auferunt cor.
12 Ny oloko dia mila saina amin’ ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an’ Andriamaniny.
Populus meus in ligno suo interrogavit, et baculus ejus annuntiavit ei; spiritus enim fornicationum decepit eos, et fornicati sunt a Deo suo.
13 Eny an-tampon’ ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ ny vinantovavinareo.
Super capita montium sacrificabant, et super colles ascendebant thymiama; subtus quercum, et populum, et terebinthum, quia bona erat umbra ejus; ideo fornicabuntur filiæ vestræ, et sponsæ vestræ adulteræ erunt.
14 Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
Non visitabo super filias vestras cum fuerint fornicatæ, et super sponsas vestras cum adulteraverint, quoniam ipsi cum meretricibus conversabantur, et cum effeminatis sacrificabant; et populus non intelligens vapulabit.
15 Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
Si fornicaris tu, Israël, non delinquat saltem Juda; et nolite ingredi in Galgala, et ne ascenderitis in Bethaven, neque juraveritis: Vivit Dominus!
16 Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’ i Jehovah toy ny zanak’ ondry eny amin’ ny malalaka izy.
Quoniam sicut vacca lasciviens declinavit Israël; nunc pascet eos Dominus, quasi agnum in latitudine.
17 Tafaraikitra amin’ ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
Particeps idolorum Ephraim: dimitte eum.
18 Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.
Separatum est convivium eorum; fornicatione fornicati sunt: dilexerunt afferre ignominiam protectores ejus.
19 Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
Ligavit eum spiritus in alis suis, et confundentur a sacrificiis suis.

< Hosea 4 >