< Hosea 2 >

1 Manaova amin’ ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin’ ny anabavinareo hoe: Rohama.
“Nena kwa abale ako kuti, ‘Ndinu anthu anga,’ kwa alongo ako kuti ‘Ndinu okondedwa anga.’”
2 Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin’ ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
“Dzudzulani amayi anu, adzudzuleni iwo, pakuti si mkazi wanga, ndipo ine sindine mwamuna wake. Iyeyo achotse maonekedwe adama pa nkhope yake, ndi kusakhulupirika pa mawere ake.
3 Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
Akapanda kutero ndidzamuvula, ndipo adzakhala wamaliseche monga tsiku limene anabadwa; ndidzamuwumitsa ngati chipululu, adzakhala ngati dziko lopanda madzi, ndi kumupha ndi ludzu.
4 Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
Sindidzaonetsa chikondi changa pa ana ake, chifukwa ndi ana a mʼchiwerewere.
5 Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon’ ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
Amayi awo akhala akuchita zachiwerewere ndipo anawabereka anawo akuchita zinthu zochititsa manyazi. Iwo anati, ‘Ine ndidzatsatira zibwenzi zanga, zimene zimandipatsa chakudya ndi madzi, ubweya ndi thonje, mafuta ndi chakumwa.’
6 Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
Choncho njira yake ndidzayitseka ndi minga; ndidzamuzinga ndi khoma kotero kuti sadzapezanso njira yotulukira.
7 Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin’ izay noho ny ankehitriny.
Adzathamangira zibwenzi zake koma sadzazipeza; adzazifunafuna koma sadzazipeza. Pamenepo iye adzati, ‘Ndibwerera kwa mwamuna wanga woyamba uja, pakuti ndinali pabwino ndi iyeyo kusiyanitsa ndi pano.’
8 Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an’ i Bala,
Iye sanazindikire kuti ndine amene ndinkamupatsa tirigu, vinyo watsopano ndi mafuta. Ndine amene ndinkamukhuthulira siliva ndi golide, zimene ankapangira mafano a Baala.
9 Koa dia halaiko indray ny variko amin’ ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ ny taonany, ary haoriko ny volon’ ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
“Choncho Ine ndidzamulanda tirigu wanga pa nthawi yokolola, ndi vinyo wanga watsopano pa nthawi yopsinya mphesa. Ndidzamulanda ubweya ndi thonje langa, zomwe akanaphimba nazo umaliseche wake.
10 Ary ankehitriny hasehoko eo imason’ ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’ ny tanako.
Motero tsopano ndidzaonetsa maliseche ake pamaso pa zibwenzi zake; palibe ndi mmodzi yemwe adzamupulumutse mʼmanja mwanga.
11 Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
Ndidzathetsa zikondwerero zake zonse: zikondwerero zake za chaka ndi chaka, za mwezi watsopano, za pa masiku a Sabata ndi maphwando ake onse a pa masiku okhazikitsidwa.
12 Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin’ ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin’ ny bibidia.
Ndidzawononga mitengo yake ya mpesa ndi mitengo yake yamkuyu, imene iye ankanena kuti inali malipiro ake ochokera kwa zibwenzi zake. Ndidzayisandutsa chithukuluzi, ndipo zirombo zakuthengo zidzadya zipatsozo.
13 Ary hovaliako izy noho ny andron’ ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
Ndidzamulanga chifukwa cha masiku amene anafukiza lubani kwa Abaala; anadzikongoletsa povala mphete ndi mikanda yamtengowapatali ndipo anathamangira zibwenzi zake, koma Ine anandiyiwala,” akutero Yehova.
14 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
“Koma tsopano ndidzamukopa mkaziyo; ndidzapita naye ku chipululu ndipo ndidzamuyankhula mwachikondi.
15 Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin’ ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.
Kumeneko ndidzamubwezera minda yake ya mpesa, ndipo ndidzasandutsa Chigwa cha Akori kukhala khomo la chiyembekezo. Kumeneko iye adzayimba nyimbo monga mʼmasiku a ubwana wake, monga tsiku limene anatuluka ku Igupto.
16 Ary raha mby amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.
“Tsiku limeneli,” Yehova akuti, “udzandiyitana kuti, ‘Amuna anga;’ sudzandiyitananso kuti, ‘Mbuye wanga.’
17 Fa hesoriko amin’ ny vavany ny anaran’ ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin’ ny anarany intsony ireo.
Ndidzachotsa mayina a Abaala pakamwa pake; sadzatchulanso mayina awo popemphera.
18 Ary raha mby amin’ izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ ny bibidia sy amin’ ny voro-manidina ary amin’ ny biby mandady sy mikisaka amin’ ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
Tsiku limenelo ndidzachita pangano ndi zirombo zakuthengo ndi mbalame zamumlengalenga ndiponso zolengedwa zokwawa pansi kuti ziyanjane ndi anthu anga. Ndidzachotsa mʼdzikomo uta, lupanga ndi zida zonse zankhondo, kuti onse apumule mwamtendere.
19 Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
Ndidzakutomera kuti ukhale mkazi wanga mpaka muyaya; ndidzakutomera mwachilungamo, mwaungwiro, mwachikondi ndi mwachifundo.
20 Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’ i Jehovah.
Ndidzakutomera mokhulupirika ndipo udzadziwa Yehova.
21 Ary amin’ izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany;
“Tsiku limenelo Ine ndidzayankha,” akutero Yehova. “Ndidzayankha mlengalenga pempho lake lofuna mitambo ndipo mvula idzagwa pa dziko lapansi;
22 Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an’ i Jezirela,
ndipo nthaka idzamvera kupempha kwa tirigu, vinyo ndi mafuta, ndipo zidzamvera Yezireeli.
23 Dia hafafiko ho Ahy amin’ ny tany izy; Ary hamindra fo amin’ i Lò-rohama Aho sady hanao amin’ i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.
Ndidzadzala Israeli mʼdziko kuti akhale wanga: ndidzaonetsa chikondi changa kwa anthu amene ndinkawatchula dzina loti, ‘Sakondedwa.’ Ndidzawawuza amene ndinkawatchula dzina loti, ‘Si anthu anga,’ kuti, ‘Ndinu anthu wanga;’ ndipo adzanena kuti, ‘ndinu Mulungu wathu,’”

< Hosea 2 >