< Hosea 14 >

1 Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao. 2 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’ i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray. 3 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ ny asan’ ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ ny kamboty famindram-po. 4 Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako. 5 Ho tahaka ny ando Aho amin’ ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an’ i Libanona. 6 Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’ i Libanona ny hanitra avy aminy. 7 Izay mipetraka ao ambanin’ ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ ny divay avy any Libanona. 8 Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao. 9 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan’ i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.

< Hosea 14 >