< Hosea 11 >

1 Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako. 2 Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an’ ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an’ ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra. 3 Fa Izaho no nampianatra an’ i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin’ ny sandriko aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. 4 Tamin’ ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ ny mahazakan’ ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora. 5 Tsy hiverina ho any amin’ ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy. 6 Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny. 7 Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin’ ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory. 8 Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an’ i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an’ i Zeboïma! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko. 9 Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an’ i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masìna ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra Aho. 10 Harahin’ ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka. 11 Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin’ ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah. 12 Efraima manodidina Ahy amin’ ny lainga, ary ny taranak’ Isiraely amin’ ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an’ Andriamanitra, dia ny Iray Masìna sy Mahatoky.

< Hosea 11 >