< Hebreo 7 >

1 Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan’ i Salema sy mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’ i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
というのは,このメルキゼデク,すなわちサレムの王,いと高き神の祭司,王たちを撃滅して戻って来たアブラハムを迎えて祝福した人,
2 sady nomen’ i Abrahama ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan’ i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ ny fiadanana;
アブラハムがすべての物の十分の一を分け与えた人ですが(その名を解釈すれば,第一に義の王であり,次いでサレムの王すなわち平和の王であって,
3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’ andro na faran’ ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’ Andriamanitra), ― izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
父もなく,母もなく,系図もなく,日々の初めもなければ命の終わりもなく,神の子に似せられています),この人はずっと祭司のままです。
4 Ary hevero ny halehiben’ io lehilahy io ―, izay nomen’ i Abrahama patriarka ny ampahafolon’ izay tsara tamin’ ny zavatra nobaboina.
さあ,この人がどれほど偉大であったかをよく考えなさい。族長のアブラハムでさえ,彼には最上の戦利品の中から十分の一を与えたのです。
5 Ary izay avy tamin’ ny taranak’ i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin’ ny olona araka ny lalàna, dia amin’ ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’ i Abrahama aza ireny;
確かに,レビの子らのうち祭司職を受ける人々は,民から,すなわち彼らの兄弟たちの中から,同じアブラハムの腰から出て来た者たちであるにもかかわらず,十分の一税を取るよう,律法によっておきてを与えられています。
6 nefa izay tsy isan’ ny firazanan’ ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin’ i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
ところが,彼らの系統に属さないこの人が,アブラハムから十分の一税を取って,約束を受けている彼を祝福したのです。
7 Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin’ ny lehibe noho ny tenany.
さて,より劣った者がより優れた者から祝福を受けるということは,議論の余地のないことです。
8 Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.
一方では死ぬ人々が十分の一税を受けていますが,他方では生きていると証言されている人が十分の一税を受けているのです。
9 Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin’ i Abrahama,
それで,十分の一税を受けるレビさえも,アブラハムを通して十分の一税を支払ったと言えます。
10 satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin’ ny nitsenan’ i Melkizedeka an’ i Abrahama.
メルキゼデクがアブラハムを迎えたとき,レビはまだ自分の父祖の腰にいたからです。
11 Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?
ところで,もしレビの祭司職を通して完全にすることがあったとすれば(民はそのもとで律法を受けたのですが),どうしてこれ以上,アロンの位に等しいと呼ばれず,むしろメルキゼデクの位に等しい別の祭司が立てられる必要があるでしょうか。
12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
というのも,祭司職が変えられると,律法にも変更が必要になるのです。
13 Fa Izay nolazaina amin’ izany teny izany dia avy tamin’ ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin’ ny alitara.
これらのことで言及されている方は別の部族に属しているのであり,その部族からはだれも祭壇での職務を行なってはきませんでした。
14 Fa hita marimarina fa avy tamin’ ny Joda no nisehoan’ ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain’ i Mosesy akory ny amin’ izay ho mpisorona.
なぜなら,わたしたちの主がユダ,すなわちモーセが祭司職については何も語らなかった部族から出たことは明らかだからです。
15 Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an’ i Melkizedeka,
このことは,メルキゼデクに似た別の祭司が立てられるなら,ますます明らかになります。
16 izay natao tsy araka ny lalàn’ izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin’ ny fiainana tsy manam-pahataperana.
その方は,肉的なおきての律法によらず,終わりのない命の力によって立てられました。
17 Fa Izy dia nambara hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”. (aiōn g165)
次のように証言されているからです。 「あなたは永久にメルキゼデクの位に等しい祭司」。 (aiōn g165)
18 Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
というのは,先行のおきてはその弱さと無益さのゆえに廃止されますが
19 (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’ Andriamanitra.
(律法は何をも完全にしなかったからです),その結果さらに優れた希望がもたらされたからです。それを通してわたしたちは神に近づいているのです。
20 Ary tahaka an’ i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin’ ny fianianana
なぜなら,彼は誓いによらずに祭司になったのではなく
21 ― fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin’ ny fianianana, fa Ity tamin’ ny fianianana nataon’ ilay nilaza taminy hoe: “Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay” (aiōn g165)
(実際,人々は誓いなしで祭司になっているのですが),自分について次のように言われる方による誓いによっていたからです。 「主はこう誓われた。そしてその思いを変えることはされない。『あなたは永久にメルキゼデクの位に等しい祭司』」。 (aiōn g165)
22 ― dia tahaka izany koa no nanaovana an’ i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
このようにして,イエスはより優れた契約の保証となられました。
23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny, satria tsy navelan’ ny fahafatesana haharitra izy;
実際,人々は職務にとどまることを死によって阻まれるので,多くの人々が祭司になってきました。
24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy; (aiōn g165)
しかし,彼は永久に生きているので,不変の祭司職を持っておられます。 (aiōn g165)
25 koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
それゆえ,彼はまた,ご自分を通して神に近づく者たちを完全に救うことができます。常に生きていて,彼らのために仲裁をしてくださるからです。
26 Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masìna, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
というのは,このような大祭司,神聖であり,罪もなく,汚れもなく,罪人たちから引き離されており,もろもろの天よりも高くなられた方こそ,わたしたちに適していたのです。
27 Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
彼は,あの大祭司たちのように,最初に自分自身の罪のために,次いで民の罪のために,日ごとに犠牲をささげる必要はありません。ご自身をささげた時,ただ一度だけこのことを行なわれたからです。
28 Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin’ ny fianianana kosa, izay tato aorian’ ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay. (aiōn g165)
なぜなら,律法は弱さを持つ人間たちを大祭司として任命しますが,律法の後に来た誓いの言葉は,永久に完成されているみ子を任命するからです。 (aiōn g165)

< Hebreo 7 >