< Hebreo 4 >

1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin’ ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
こういうわけで、神の安息にはいるための約束はまだ残っているのですから、あなたがたのうちのひとりでも、万が一にもこれにはいれないようなことのないように、私たちは恐れる心を持とうではありませんか。
2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’ izay nandre.
福音を説き聞かされていることは、私たちも彼らと同じなのです。ところが、その聞いたみことばも、彼らには益になりませんでした。みことばが、それを聞いた人たちに、信仰によって、結びつけられなかったからです。
3 Fa isika izay nino no miditra amin’ izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: “Toy ny nianiako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy”, na dia vita hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
信じた私たちは安息にはいるのです。 「わたしは、怒りをもって誓ったように、 決して彼らをわたしの安息にはいらせない。」 と神が言われたとおりです。みわざは創世の初めから、もう終わっているのです。
4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ ny teny anankiray araka izao: “Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ ny asany rehetra tamin’ ny andro fahafito”.
というのは、神は七日目について、ある個所で、「そして、神は、すべてのみわざを終えて七日目に休まれた。」と言われました。
5 Ary amin’ izao koa: “Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy”.
そして、ここでは、「決して彼らをわたしの安息にはいらせない。」と言われたのです。
6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin’ ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
こういうわけで、その安息にはいる人々がまだ残っており、前に福音を説き聞かされた人々は、不従順のゆえにはいれなかったのですから、
7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin’ i Davida hoe: “Anio”, araka ny voalaza teo hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo”
神は再びある日を「きょう。」と定めて、長い年月の後に、前に言われたと同じように、ダビデを通して、 「きょう、もし御声を聞くならば、 あなたがたの心をかたくなにしてはならない。」 と語られたのです。
8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’ izany.
もしヨシュアが彼らに安息を与えたのであったら、神はそのあとで別の日のことを話されることはなかったでしょう。
9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an’ ny olon’ Andriamanitra.
したがって、安息日の休みは、神の民のためにまだ残っているのです。
10 Fa izay niditra tao amin’ ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin’ ny asany, tahaka an’ Andriamanitra tamin’ ny Azy.
神の安息にはいった者ならば、神がご自分のわざを終えて休まれたように、自分のわざを終えて休んだはずです。
11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin’ izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin’ ny tsi-finoana tahaka izany koa.
ですから、私たちは、この安息にはいるよう力を尽くして努め、あの不従順の例にならって落後する者が、ひとりもいないようにしようではありませんか。
12 Fa velona sy mahery ny tenin’ Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ ny fo.
神のことばは生きていて、力があり、両刃の剣よりも鋭く、たましいと霊、関節と骨髄の分かれ目さえも刺し通し、心のいろいろな考えやはかりごとを判別することができます。
13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’ izay iafaran’ ny ataontsika.
造られたもので、神の前で隠れおおせるものは何一つなく、神の目には、すべてが裸であり、さらけ出されています。私たちはこの神に対して弁明をするのです。
14 Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’ Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
さて、私たちのためには、もろもろの天を通られた偉大な大祭司である神の子イエスがおられるのですから、私たちの信仰の告白を堅く保とうではありませんか。
15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
私たちの大祭司は、私たちの弱さに同情できない方ではありません。罪は犯されませんでしたが、すべての点で、私たちと同じように、試みに会われたのです。
16 Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ izay andro mahory.
ですから、私たちは、あわれみを受け、また恵みをいただいて、おりにかなった助けを受けるために、大胆に恵みの御座に近づこうではありませんか。

< Hebreo 4 >