< Hebreo 10 >

1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’ izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
Sheria ya Wayahudi si picha kamili ya mambo yale halisi: ni kivuli tu cha mema yanayokuja. Dhabihu zilezile hutolewa daima, mwaka baada ya mwaka. Sheria yawezaje, basi, kwa njia ya dhabihu hizo, kuwafanya wale wanaoabudu wawe wakamilifu?
2 Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ ny fieritreretany ny ota intsony izy?
Kama hao watu wanaomwabudu Mungu wangekuwa wametakaswa dhambi zao kweli, hawangejisikia tena kuwa na dhambi, na dhabihu hizo zote zingekoma.
3 Fa amin’ ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
Lakini dhabihu hizo hufanyika kila mwaka kuwakumbusha watu dhambi zao.
4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ ombilahy sy ny ran’ osilahy.
Maana damu ya fahali na mbuzi haiwezi kamwe kuondoa dhambi.
5 Koa nony niditra tamin’ izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
Ndiyo maana Kristo alipokuwa anakuja ulimwenguni, alimwambia Mungu: “Hukutaka dhabihu wala sadaka, lakini umenitayarishia mwili.
6 Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
Sadaka za kuteketezwa au za kuondoa dhambi hazikupendezi.
7 Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga ― Ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana Ahy ― Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô".
Hapo nikasema: Niko hapa ee Mungu, tayari kufanya mapenzi yako kama ilivyoandikwa juu yangu katika kitabu cha Sheria.”
8 Rehefa nolazainy teo hoe: “Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota” (dia ireny aterina araka ny lalàna) “no tsy ilainao ary tsy sitrakao”,
Kwanza alisema: “Hutaki, wala hupendezwi na dhabihu na sadaka, sadaka za kuteketezwa na za kuondoa dhambi.” Alisema hivyo ingawa sadaka hizi zote hutolewa kufuatana na Sheria.
9 dia hoy indray Izy: “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao.” Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
Kisha akasema: “Niko hapa, ee Mungu, tayari kufanya mapenzi yako.” Hivyo Mungu alibatilisha dhabihu za zamani na mahali pake akaweka dhabihu nyingine moja.
10 Amin’ izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ ny nanaterana ny tenan’ i Jesosy Kristy indray mandeha.
Kwa kuwa Yesu Kristo alitimiza mapenzi ya Mungu, sisi tunatakaswa dhambi zetu kwa ile dhabihu ya mwili wake aliyotoa mara moja tu, ikatosha.
11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan’ andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
Kila kuhani Myahudi humhudumia Mungu kila siku, akitoa dhabibu zilezile mara nyingi, dhabibu ambazo haziwezi kuondoa dhambi.
12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra,
Lakini Kristo alitoa dhabihu moja tu kwa ajili ya dhambi, dhabihu ifaayo milele, kisha akaketi upande wa kulia wa Mungu.
13 ka hatramin’ izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
Huko anangoja mpaka adui zake watakapowekwa kama kibao chini ya miguu yake.
14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
Basi, kwa dhabihu yake moja tu, amewafanya kuwa wakamilifu milele wale wanaotakaswa dhambi zao.
15 Ary ny Fanahy Masìna koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
Naye Roho Mtakatifu anatupa ushahidi wake. Kwanza anasema:
16 “Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,”
“Hili ndilo agano nitakalofanya nao, katika siku zijazo, asema Bwana: Nitaweka sheria zangu mioyoni mwao, na kuziandika akilini mwao.”
17 dia hoy koa Izy: “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony”.
Kisha akaongeza kusema: “Sitakumbuka tena dhambi zao, wala vitendo vyao vya uhalifu.”
18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
Basi, dhambi zikisha ondolewa, hakutakuwa na haja tena ya kutoa dhabihu za kuondoa dhambi.
19 Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna isika noho ny ran’ i Jesosy,
Basi, ndugu, kwa damu ya Yesu tunapewa moyo thabiti wa kuingia Mahali Patakatifu.
20 amin’ izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ ny efitra lamba, dia ny nofony,
Yeye ametufungulia njia mpya na yenye uzima kupitia lile pazia, yaani kwa njia ya mwili wake mwenyewe.
21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra,
Basi, tunaye kuhani maarufu aliye na mamlaka juu ya nyumba ya Mungu.
22 dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ ny rano madio;
Kwa hiyo tumkaribie Mungu kwa moyo mnyofu na imani timilifu, kwa mioyo iliyotakaswa dhamiri mbaya, na kwa miili iliyosafishwa kwa maji safi.
23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
Tushikilie imara tumaini lile tunalokiri, maana Mungu aliyefanya ahadi zake ni mwaminifu.
24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
Tujitahidi kushughulikiana kwa ajili ya kuongezeana bidii ya kupendana na kutenda mema.
25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
Tusiache ile desturi ya kukutana pamoja, kama vile wengine wanavyofanya. Bali tunapaswa kusaidiana kwani, kama mwonavyo, Siku ile ya Bwana inakaribia.
26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
Maana, tukiendelea kutenda dhambi makusudi baada ya kufahamu ukweli, hakuna dhabihu iwezayo kutolewa tena kwa ajili ya kuondoa dhambi.
27 fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
Linalobaki ni kungojea tu kwa hofu hukumu ya Mungu na moto mkali utakaowaangamiza wote wanaompinga.
28 Izay manohitra ny lalàn’ i Mosesy dia maty amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
Mtu yeyote asiyeitii Sheria ya Mose, huuawa bila ya huruma kukiwa na ushahidi wa watu wawili au watatu.
29 manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masìna sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?
Je, mtu yule anayempuuza Mwana wa Mungu na kuidharau damu ya agano la Mungu iliyomtakasa, mtu anayemtukana Roho wa Mungu, anastahili kupata adhabu kali ya namna gani?
30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;” ary koa: “Jehovah hitsara ny olony”.
Maana tunamfahamu yule aliyesema, “Mimi nitalipiza kisasi, mimi nitalipiza,” na ambaye alisema pia, “Bwana atawahukumu watu wake.”
31 Zavatra mahatahotra ny ho azon’ ny tànan’ Andriamanitra velona.
Kuanguka mikononi mwa Mungu aliye hai ni jambo la kutisha mno!
32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
Kumbukeni yaliyotokea siku zile za kwanza mlipoangaziwa mwanga wa Mungu. Ingawa siku zile mlipatwa na mateso mengi, ninyi mlistahimili.
33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman’ izay azon’ izany.
Mara nyingine mlitukanwa na kufedheheshwa hadharani; mara nyingine mlikuwa radhi kuungana na wale walioteswa namna hiyohiyo.
34 Fa sady niara-niaritra tamin’ izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
Mlishiriki mateso ya wafungwa, na mliponyang'anywa mali yenu mlistahimili kwa furaha, maana mlijua kwamba mnayo mali bora zaidi na ya kudumu milele.
35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
Basi, msipoteze uhodari wenu, maana utawapatieni tuzo kubwa.
36 Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra.
Mnahitaji kuwa na uvumilivu, ili mweze kufanya anayotaka Mungu na kupokea kile alichoahidi.
37 Fa “rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra”
Maana kama yasemavyo Maandiko: “Bado kidogo tu, na yule anayekuja, atakuja, wala hatakawia.
38 Ary “ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.
Lakini mtu wangu aliye mwadilifu ataamini na kuishi; walakini akirudi nyuma, mimi sitapendezwa naye.”
39 Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy.
Basi, sisi hatumo miongoni mwa wale wanaorudi nyuma na kupotea, ila sisi tunaamini na tunaokolewa.

< Hebreo 10 >