< Hebreo 1 >

1 Rehefa nampitenenin’ Andriamanitra tamin’ ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; 2 dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, (aiōn g165) 3 Izy koa no famirapiratan’ ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ ny herin’ ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Lehibe any amin’ ny avo 4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. 5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”? Ary koa: “Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako”? 6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’ izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: “Ary aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany”. 7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: “Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo”. 8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: “Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; (aiōn g165) 9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao”. 10 Ary izao koa: “Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan’ ny tananao ny lanitra; 11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, 12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra”. 13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao”? 14 Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?

< Hebreo 1 >