< Habakoka 3 >

1 Ny fivavak’ i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota. 2 Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan’ ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan’ ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo. 3 Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masìna avy any an-tendrombohitra Parana. (Sela) Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy. 4 Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin’ ny tànany; Ary ao no fieren’ ny heriny. 5 Eo alohany no andehanan’ ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany. 6 Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy. 7 Mahita ny lain’ i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain’ ny tany Midiana. 8 Moa amin’ ny ony va no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah? Amin’ ny ony va no ahatezeranao, Na amin’ ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao? 9 Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan’ ny teny. (Sela) Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony. 10 Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin’ ny avo. 11 Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin’ ny fitoerany, Noho ny fahazavan’ ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra. 12 Amin’ ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin’ ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena. 13 Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. (Sela) 14 Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy. 15 Mitety ny ranomasina amin’ ny soavalinao Hianao, Dia eny amin’ ny rano be miavovona. 16 Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon’ ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran’ ny mpanao andiany hamely ny olonao. 17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, 18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy. 19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ ny havoanako. Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha.

< Habakoka 3 >