< Habakoka 3 >

1 Ny fivavak’ i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
O KA pule a Habakuka, ke kaula, me ka mele lanakila.
2 Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan’ ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan’ ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
E Iehova, ua lohe au i ka mea au i olelo ai, a weliweli iho la au: E Iehova, e hoala hou mai oe i kau hana iwaena o na makahiki, Iwaena o na makahiki e hoike mai; Iloko o ka huhu, e hoomanao mai oe i ke aloha.
3 Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masìna avy any an-tendrombohitra Parana. (Sela) Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
O ke Akua ka i hele mai, mai Temana mai, A o ka Mea Hemolele mai ka mauna o Parana mai. (Sila) Uhi mai kona nani i ka lani, A ua piha ka honua i kona hoolea.
4 Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin’ ny tànany; Ary ao no fieren’ ny heriny.
O kona olinolino ua like me ka la, Mai kona lima mai na kukuna malamalama, A malaila ka huna ana o kona mana.
5 Eo alohany no andehanan’ ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.
Imua ona i hele aku ai ke ahulau, A o ka make wela i hele aku ma kona mau wawae.
6 Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.
Ku ae la ia, a ana aku la i ka honua, Nana ae la ia, a hoohaalulu i na lahuikanaka; Ua hooheleleiia na mauna kahiko, A ua hoohaahaaia na puu mau loa; Oia kona mau aoao i ka wa kahiko.
7 Mahita ny lain’ i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain’ ny tany Midiana.
Ike aku la au i na halelewa o Kusana i ka popilikia: A haalulu na paku-halelewa o ka aina o Midiana.
8 Moa amin’ ny ony va no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah? Amin’ ny ony va no ahatezeranao, Na amin’ ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao?
Ua huhu anei o Iehova i na muliwai? A ua ku e kou inaina i na kahawai? Ua maka e kou huhu i ke kai? I ka manawa au i holo ai maluna o kou mau lio, kou mau halekaa o ke ola?
9 Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan’ ny teny. (Sela) Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.
Ua wehe loa ia kau kakaka, o na ihe ehiku, oia ka olelo. (Sila) Ua hoonahae oe i ka honua me na muliwai.
10 Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin’ ny avo.
Ike aku na mauna ia oe, haalulu iho la; A holo aku la ka wai nui, A hoopuka mai ka hohonu i kona leo, Hookiekie ae la ia i kona mau lima iluna.
11 Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin’ ny fitoerany, Noho ny fahazavan’ ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.
O ka la, o ka mahina, ku malie ma ko laua wahi: Ma ka malamalama o kou mau pua, hele aku la lakou, A ma ka wakawaka o kau ihe huali.
12 Amin’ ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin’ ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
Me ka inaina i hele aku oe mawaena o ka aina, Me ka huhu i hahi iho oe i na lahuikanaka,
13 Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. (Sela)
Ua hele aku oe e hoola i kou poe kanaka, E hoopakele i kou mea i poniia; Ua ulupa oe i ke poo o ka mea no ka ohana hewa, Ua hoike ae i ka hohonu, A hiki i ka a-i. (Sila)
14 Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.
Ua o hou aku oe i ke poo o kona poe alii, me kana mau ihe, Holo mai lakou, me he ino la, e hoopuehu ia'u; O ko lakou olioli, ua like me ka olioli o ka luku ana i ka mea ilihune ma kahi malu.
15 Mitety ny ranomasina amin’ ny soavalinao Hianao, Dia eny amin’ ny rano be miavovona.
Ua hele oe iwaena o ke kai me kou poe lio, Ma ke aleale o na wai nui.
16 Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon’ ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran’ ny mpanao andiany hamely ny olonao.
Lohe iho la au, a haalulu ko'u opu; Haalulu kuu lehelehe i ka leo; Komo mai ka popopo iloko o kou mau iwi, A haalulu au ma kuu wahi malalo; He oiaio, e hoomaha au i ka la o ka popilikia, A pii ku e mai na kanaka, e hoopilikia mai.
17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
I ka manawa e pua ole mai ai ka laau fiku, Aole hoi he hua ma na kumu waina; A e mae ka hua o ka laau oliva, Aole hoi e hua mai na kihapai i ka ai; A e okiia'ku ka poe hipa mai ka pahipa aku, Aole hoi he bipi maloko o na wahi hanai bipi;
18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy.
E olioli no au iloko o Iehova, E hauoli no au iloko o ke Akua o kuu ola.
19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ ny havoanako. Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha.
O Iehova ka Haku, oia ko'u ikaika, A e hoohalike mai ia i ko'u wawae, me na wawae o na dia, A e hoohele no ia ia'u maluna o kuu mau wahi kiekie. Na ka luna mele ma na mea kani.

< Habakoka 3 >