< Genesisy 9 >

1 Ary Andriamanitra nitso-drano an’ i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Et Dieu bénit Noé, et ses fils, et leur dit: Croissez et multipliez, et remplissez la terre;
2 Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
Et vous serez craints et redoutés de tous les animaux de la terre, et de tous les oiseaux des cieux; avec tout ce qui se meut sur le sol et tous les poissons de la mer, ils sont remis entre vos mains.
3 Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
Tout ce qui se meut et qui a vie, vous servira de nourriture; je vous donne tout cela comme l'herbe verte.
4 Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
Seulement, vous ne mangerez point de chair avec son âme, c'est à dire son sang.
5 Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
Et certainement je redemanderai votre sang, le sang de vos âmes; je le redemanderai de tout animal. Et je redemanderai l'âme de l'homme, de la main de l'homme, de la main de son frère.
6 Izay mandatsaka ny ran’ olona, dia mba halatsak’ olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik’ Andriamanitra no nanaovany ny olona.
Celui qui répandra le sang de l'homme, par l'homme son sang sera répandu; car Dieu a fait l'homme à son image.
7 Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin’ ny tany sy mihabetsaha eny.
Vous donc, croissez et multipliez; peuplez en abondance la terre, et multipliez sur elle.
8 Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Noa sy tamin’ ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
Dieu parla aussi à Noé, et à ses fils avec lui, en disant:
9 Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ ny taranakareo mandimby anareo
Quant à moi, voici, j'établis mon alliance avec vous, et avec votre postérité après vous;
10 sy amin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
Et avec tous les êtres vivants qui sont avec vous, tant les oiseaux que le bétail, et tous les animaux de la terre avec vous, tous ceux qui sont sortis de l'arche jusqu'à tous les animaux de la terre.
11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
J'établis donc mon alliance avec vous, et nulle chair ne sera plus exterminée par les eaux du déluge, et il n'y aura plus de déluge pour détruire la terre.
12 Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby:
Et Dieu dit: Voici le signe de l'alliance que je mets entre moi et vous, et tous les êtres vivants qui sont avec vous, pour les générations à toujours:
13 Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany.
Je mets mon arc dans les nuées, et il servira de signe d'alliance entre moi et la terre.
14 Ary raha mampiangona rahona eo ambonin’ ny tany Aho, ka hita eo amin’ ny rahona ny avana,
Et il arrivera que, lorsque j'amasserai des nuées sur la terre, et que l'arc paraîtra dans les nuées,
15 dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
Je me souviendrai de mon alliance, qui existe entre moi et vous et tout être vivant, de toute chair; et les eaux ne deviendront plus un déluge pour détruire toute chair.
16 Ary ho eo amin’ ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
L'arc sera donc dans les nuées, et je le regarderai, pour me souvenir de l'alliance éternelle entre Dieu et tout être vivant, de toute chair qui est sur la terre.
17 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin’ ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
Et Dieu dit à Noé: C'est là le signe de l'alliance que j'ai établie entre moi et toute chair qui est sur la terre.
18 Ary ny zanakalahin’ i Noa izay izay nivoaka avy tamin’ ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain’ i Kanana.
Et les fils de Noé, qui sortirent de l'arche, furent Sem, Cham et Japhet. Or, Cham est le père de Canaan.
19 Ireo telo lahy ireo no zanak’ i Noa; ary avy tamin’ ireo no nielezan’ ny olona tambonin’ ny tany rehetra.
Ce sont là les trois fils de Noé, et c'est par eux que fut peuplée toute la terre.
20 Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
Or, Noé commença à cultiver la terre et planta de la vigne.
21 Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.
Et il but du vin, et s'enivra, et se découvrit au milieu de sa tente.
22 Ary hitan’ i Hama, rain’ i Kanana ny fitanjahan’ ny rainy, dia nambarany tamin’ ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
Et Cham, père de Canaan, ayant vu la nudité de son père, le rapporta dehors à ses deux frères.
23 Ary nalain’ i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’ izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ ny rainy.
Mais Sem et Japhet prirent le manteau, le mirent tous deux sur leurs épaules, et marchant en arrière, ils couvrirent la nudité de leur père; et comme leurs visages étaient tournés, ils ne virent point la nudité de leur père.
24 Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon’ ny zanany faralahy taminy.
Et Noé, réveillé de son vin, apprit ce que son fils cadet lui avait fait.
25 Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ ny rahalahiny izy.
Et il dit: Maudit soit Canaan! il sera serviteur des serviteurs de ses frères.
26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
Puis il dit: Béni soit l'Éternel, Dieu de Sem, et que Canaan soit leur serviteur!
27 Hataon’ Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain’ i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
Que Dieu étende Japhet et qu'il habite dans les tentes de Sem; et que Canaan soit leur serviteur!
28 Ary ny andro niainan’ i Noa taorian’ ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
Et Noé vécut, après le déluge, trois cent cinquante ans.
29 Ary ny andro rehetra niainan’ i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
Tout le temps que Noé vécut fut donc de neuf cent cinquante ans; puis il mourut.

< Genesisy 9 >