< Genesisy 6 >

1 Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin’ ny tany ka teraka zazavavy maro,
Or, quand les hommes eurent commencé à se multiplier sur la face de la terre et que des filles leur furent nées,
2 dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy.
Les fils de Dieu virent que les filles des hommes étaient belles, et ils prirent des femmes d'entre toutes celles qui leur plurent.
3 Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ ny olona ny Fanahiko, fa amin’ ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
Et l'Éternel dit: Mon esprit ne contestera point dans l'homme à toujours; dans son égarement il n'est que chair; ses jours seront de cent vingt ans.
4 Ny Nefilima nitoetra tambonin’ ny tany tamin’ izany andro izany, sy taorian’ izany koa, raha nivady tamin’ ny zanakavavin’ ny olona ny zanak’ Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
Les géants étaient sur la terre, en ce temps-là, et aussi dans la suite, parce que les fils de Dieu venaient vers les filles des hommes, et elles leur donnaient des enfants: ce sont ces hommes puissants qui, dès les temps anciens, furent des gens de renom.
5 Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
Et l'Éternel vit que la malice de l'homme était grande sur la terre, et que toute l'imagination des pensées de son cœur n'était que mauvaise en tout temps.
6 Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin’ ny tany, ka nalahelo ny fony.
Et l'Éternel se repentit d'avoir fait l'homme sur la terre, et il en fut affligé dans son cœur.
7 Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin’ ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
Et l'Éternel dit: J'exterminerai de dessus la terre l'homme que j'ai créé; depuis l'homme jusqu'au bétail, jusqu'au reptile, et jusqu'à l'oiseau des cieux; car je me repens de les avoir faits.
8 Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’ i Jehovah.
Mais Noé trouva grâce aux yeux de l'Éternel.
9 Ary izao no tantaran’ i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Noa.
Voici les descendants de Noé. Noé fut un homme juste, intègre, dans son temps; Noé marcha avec Dieu.
10 Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy, dia Sema sy Hama ary Jafeta.
Et Noé engendra trois fils, Sem, Cham et Japhet.
11 Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andriamanitra sady heni-doza;
Et la terre était corrompue devant Dieu, et la terre était remplie de violence.
12 dia hitan’ Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin’ ny tany.
Et Dieu regarda la terre, et, voici, elle était corrompue; car toute chair avait corrompu sa voie sur la terre.
13 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Ny faran’ ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ ny tany Aho.
Et Dieu dit à Noé: La fin de toute chair est venue devant moi; car la terre a été remplie de violence par eux; et voici, je vais les détruire avec la terre.
14 Koa manaova sambo-fiara ho anao amin’ ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
Fais-toi une arche de bois de gopher; tu feras l'arche par loges, et tu l'enduiras de bitume par dedans et par dehors.
15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan’ ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
Et voici comment tu la feras: La longueur de l'arche sera de trois cents coudées, sa largeur de cinquante coudées, et sa hauteur de trente coudées.
16 Ary hasianao fidiran’ ny mazava ny sambo-fiara, ary amin’ ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin’ ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
Tu feras une fenêtre à l'arche, et tu l'achèveras à une coudée par en haut; et tu mettras la porte de l'arche sur son côté; tu la feras avec un étage inférieur, un second, et un troisième.
17 Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin’ ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ ny tany.
Et moi, voici, je vais amener le déluge d'eaux sur la terre, pour détruire toute chair qui a souffle de vie, de dessous les cieux; tout ce qui est sur la terre, expirera.
18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ ny vinantonao vavy miaraka aminao.
Mais j'établirai mon alliance avec toi; et tu entreras dans l'arche, toi, tes fils, ta femme, et les femmes de tes fils avec toi.
19 Ary ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin’ ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
Et de tout ce qui vit d'entre toute chair, tu en feras entrer deux de chaque espèce dans l'arche pour les conserver en vie avec toi; ils seront mâle et femelle;
20 Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
Des oiseaux, selon leur espèce, et des bêtes selon leur espèce, de tout reptile du sol selon son espèce, deux de chaque espèce viendront vers toi pour que tu les conserves en vie.
21 Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an’ ireo koa izany.
Et toi, prends de tout aliment qui se mange, et fais-en provision par-devers toi, afin que cela te serve de nourriture ainsi qu'à eux.
22 Dia nataon’ i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’ Andriamanitra azy no nataony.
Et Noé le fit; il fit tout ce que Dieu lui avait commandé.

< Genesisy 6 >

The World is Destroyed by Water
The World is Destroyed by Water