< Genesisy 50 >

1 Ary Josefa nihohoka tamin’ ny tavan’ ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
約瑟伏在他父親的面上哀哭,與他親嘴。
2 Ary nasain’ i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an’ Isiraely ny mpanao fanafody.
約瑟吩咐伺候他的醫生用香料薰他父親,醫生就用香料薰了以色列。
3 Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan’ ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
薰屍的常例是四十天;那四十天滿了,埃及人為他哀哭了七十天。
4 Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin’ ny tao an-tranon’ i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin’ i Farao, ka ataovy hoe:
為他哀哭的日子過了,約瑟對法老家中的人說:「我若在你們眼前蒙恩,請你們報告法老說:
5 Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin’ ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin’ ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
『我父親要死的時候叫我起誓說:你要將我葬在迦南地,在我為自己所掘的墳墓裏。』現在求你讓我上去葬我父親,以後我必回來。」
6 Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
法老說:「你可以上去,照着你父親叫你起的誓,將他葬埋。」
7 Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon’ i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin’ ny tany Egypta,
於是約瑟上去葬他父親。與他一同上去的,有法老的臣僕和法老家中的長老,並埃及國的長老,
8 ary ny ankohonan’ i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman’ osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin’ ny tany Gosena.
還有約瑟的全家和他的弟兄們,並他父親的眷屬;只有他們的婦人孩子,和羊群牛群,都留在歌珊地。
9 Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
又有車輛馬兵,和他一同上去;那一幫人甚多。
10 Ary rehefa tonga teo Goren’ atada izy, izay ao an-dafin’ i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
他們到了約旦河外、亞達的禾場,就在那裏大大地號咷痛哭。約瑟為他父親哀哭了七天。
11 Ary rehefa hitan’ ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin’ ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin’ i Jordana.
迦南的居民見亞達禾場上的哀哭,就說:「這是埃及人一場極大的哀哭。」因此那地方名叫亞伯‧麥西,是在約旦河東。
12 Ary ny zanakalahin’ i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
雅各的兒子們就遵着他父親所吩咐的辦了,
13 dia nitondra azy tany amin’ ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin’ ny zohy amin’ ny saha Makpela, tandrifin’ i Mamre, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
把他搬到迦南地,葬在幔利前、麥比拉田間的洞裏;那洞和田是亞伯拉罕向赫人以弗崙買來為業,作墳地的。
14 Ary rehefa voalevin’ i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin’ izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
約瑟葬了他父親以後,就和眾弟兄,並一切同他上去葬他父親的人,都回埃及去了。
15 Ary rehefa hitan’ ny rahalahin’ i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
約瑟的哥哥們見父親死了,就說:「或者約瑟懷恨我們,照着我們從前待他一切的惡足足地報復我們。」
16 Dia naniraka nankany amin’ i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
他們就打發人去見約瑟,說:「你父親未死以先吩咐說:
17 ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Josefa: Mamela re ny fahadisoan’ ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan’ ny mpanompon’ ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
『你們要對約瑟這樣說:從前你哥哥們惡待你,求你饒恕他們的過犯和罪惡。』如今求你饒恕你父親上帝之僕人的過犯。」他們對約瑟說這話,約瑟就哭了。
18 Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
他的哥哥們又來俯伏在他面前,說:「我們是你的僕人。」
19 Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho?
約瑟對他們說:「不要害怕,我豈能代替上帝呢?
20 Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
從前你們的意思是要害我,但上帝的意思原是好的,要保全許多人的性命,成就今日的光景。
21 Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
現在你們不要害怕,我必養活你們和你們的婦人孩子。」於是約瑟用親愛的話安慰他們。
22 Ary Josefa sy ny ankohonan’ ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan’ i Josefa dia folo amby zato taona.
約瑟和他父親的眷屬都住在埃及。約瑟活了一百一十歲。
23 Ary hitan’ i Josefa ny zafiafin’ i Efraima; ny zanak’ i Makira koa, zanakalahin’ i Manase, dia noraisin’ i Josefa ho eo am-pofoany.
約瑟得見以法蓮第三代的子孫。瑪拿西的孫子、瑪吉的兒子也養在約瑟的膝上。
24 Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
約瑟對他弟兄們說:「我要死了,但上帝必定看顧你們,領你們從這地上去,到他起誓所應許給亞伯拉罕、以撒、雅各之地。」
25 Ary Josefa dia nampianiana ny zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
約瑟叫以色列的子孫起誓說:「上帝必定看顧你們;你們要把我的骸骨從這裏搬上去。」
26 Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin’ ny vata tany Egypta.
約瑟死了,正一百一十歲。人用香料將他薰了,把他收殮在棺材裏,停在埃及。

< Genesisy 50 >