< Genesisy 49 >

1 Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
Then Jacob summoned his sons, and said: "Gather yourselves together so that I may tell you what will happen to you in the days to come.
2 Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo:
Assemble yourselves and hear, you sons of Jacob. Listen to Israel, your father.
3 Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
Reuben, you are my firstborn, my strength, and the the firstfruits of my virility, preeminent in dignity and preeminent in power.
4 Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin’ ny fandrian’ ny rainao ianao, tamin’ izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
Uncontrolled as the waters, you will not have excel, because you went up to your father's bed, you went up and defiled my couch.
5 SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
Simeon and Levi are brothers. Their swords are weapons of violence.
6 Aza mankeo amin’ izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin’ ny fiangonany, ry fanahiko; fa tamin’ ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin’ ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
May I never enter their council. May my honor never be joined with their assembly. For in their anger they killed men, and for pleasure they hamstrung oxen.
7 Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin’ i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin’ Isiraely.
Cursed be their anger, for it has been fierce, and their fury, for it was cruel. I will divide them in Jacob, and scatter them in Israel.
8 Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
Judah, your brothers will praise you. Your hand will be on the neck of your enemies. Your father's sons will bow down before you.
9 Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
Judah is a lion's cub. From the prey, my son, you rise up. Like a lion he crouches and lies down, as a lioness. Who will rouse him up?
10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
The scepter will not depart from Judah, nor the ruler's staff from between his feet, until he comes to whom it belongs. And it is he whom the peoples will obey.
11 Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin’ ny divay izy, ary ny akanjony tamin’ ny ram-boaloboka.
Binding his foal to the vine, and his donkey's colt to the choice vine. He will wash his garments in wine, and his robes in the blood of grapes.
12 Mangamanga ny masony azon’ ny divay ary fotsy ny nifiny azon’ ny ronono.
His eyes will be darker than wine, and his teeth whiter than milk.
13 ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin’ i Sidona.
Zebulun will dwell at the seashore, and he will be a harbor for ships, and his border will be at Sidon.
14 ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan’ ny vala;
Issachar is a strong donkey lying down between the saddlebags.
15 Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
When he sees a good resting place, that the land is pleasant, he will bend his back to the burden, and become a slave doing forced labor.
16 DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin’ ny firenen’ ny Isiraely.
Dan will judge his people as one of the tribes of Israel.
17 Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin’ ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
Dan will be a serpent on the road, a viper by the path, that bites the horse's heels so that his rider falls backward.
18 Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
I wait for your salvation, God.
19 GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
Gad will be attacked by raiders, but he will raid at their heels.
20 ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian’ ny hanim-pin’ andriana.
Asher's food will be rich, and he will provide royal delicacies.
21 NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
Naphtali is a doe set free that bears beautiful fawns.
22 JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
Joseph is a fruitful son, a fruitful son by a spring. His branches run over a wall.
23 Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
The archers will attack him with bitterness, and shoot at him, and harass him.
24 Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ ny tànan’ Ilay Maherin’ i Jakoba, dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely,
Yet his bow will remain steady, and his arms will be made agile by the hands of the Mighty One of Jacob, by the name of the Shepherd, the Rock of Israel,
25 Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo.
by the God of your father, who will help you, and El Shaddai, who will bless you with blessings of the sky above, blessings of the deep that lies below, and blessings of the breasts and of the womb.
26 Ny tso-dranon’ ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’ i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.
The blessings of your father are greater than the blessings of the ancient mountains, and the bounty of the everlasting hills. They will be on the head of Joseph, and on the brow of the prince among his brothers.
27 BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
Benjamin is a ravenous wolf. In the morning he will devour the prey, and at evening he will divide the plunder."
28 Ireo rehetra ireo no firenen’ ny Isiraely roa ambin’ ny folo; ary izany no nolazain’ ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
All these are the twelve tribes of Israel, and this is what their father said to them when he blessed them. He blessed each one with his own individual blessing.
29 Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ ny razako; aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita,
Then he instructed them, and said to them, "I am to be gathered to my people. Bury me with my fathers in the cave that is in the field of Ephron the Hethite,
30 ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny saha Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, any amin’ ny tany Kanana, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
in the cave that is in the field of Machpelah, which is near Mamre in the land of Canaan, which Abraham bought along with the field from Ephron the Hethite as a burial place.
31 Tao no nandevenany an’ i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an’ Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an’ i Lea,
There they buried Abraham and his wife Sarah. There they buried Isaac and his wife Rebekah, and there I buried Leah.
32 ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin’ ny taranak’ i Heta.
The field and the cave that is in it were purchased from the sons of Heth."
33 Ary rehefa vitan’ i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ ny razany.
When Jacob finished instructing his sons, he drew his legs up into the bed and breathed his last, and was gathered to his people.

< Genesisy 49 >