< Genesisy 43 >

1 Ary mafy ny mosary teo amin’ ny tany.
Njala inakula kwambiri mʼdzikomo.
2 Ary rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
Tsono atatha kudya tirigu yense amene anakatenga ku Igupto, Yakobo anati kwa ana ake aja, “Pitani kuti mukatigulire chakudya china pangʼono.”
3 Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
Koma Yuda anati kwa iye, “Munthu uja anatichenjeza monenetsa kuti, ‘Simudzandionanso ine pokhapokha mutabwera ndi mngʼono wanu.’
4 Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
Mukalola kuti mngʼono wathuyu apite nafe, ndiye ife tidzapita kukakugulirani chakudya.
5 fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
Koma mukapanda kumulola, ife sitipita, chifukwa munthuyo anatiwuza kuti, ‘Simudzandionanso pokhapokha mutabwera ndi mngʼono wanuyo.’”
6 Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo?
Tsono Israeli anafunsa kuti, “Bwanji inu munandiputira mavuto oterewa pomuwuza munthuyo kuti muli ndi mʼbale wanu wina?”
7 Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin’ ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midìna ny rahalahinareo?
Iwo anayankha, “Munthuyo ankangofunsafunsa za ife ndi za banja lathu. Iye anatifunsa kuti, ‘Kodi abambo anu akanali ndi moyo? Kodi muli ndi mʼbale wanu wina?’ Ife tinkangoyankha mafunso ake. Ife tikanadziwa bwanji kuti adzanena kuti, ‘Mubwere naye kuno mʼbale wanu’?”
8 Ary hoy Joda tamin’ Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
Ndipo Yuda anati kwa Israeli abambo ake, “Muloleni mnyamatayo apite ndi ine, ndipo tinyamuka nthawi yomweyo, kuti ife ndi inu pamodzi ndi ana athu tikhale ndi moyo.
9 Izaho no hiantoka azy; amin’ ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin’ ny andro rehetra hiainako aho;
Ine ndidzipereka kuti ndikhale chikole cha moyo wa mnyamatayu. Ine ndidzamuteteza. Ngati sindibwera naye ndi kumupereka kwa inu, ndidzakhala wolakwa pamaso panu moyo wanga wonse.
10 fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
Mmene zililimu, tikanapanda kuchedwa, bwenzi titapita ndi kubwerako kawiri.”
11 Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin’ ny tany ka ataovy ao anatin’ ny fitondran-entanareo, dia ento midìna haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
Tsono abambo awo Israeli anawawuza kuti, “Ngati pafunika kutero, ndiye muchite izi: Ikanimo zipatso zabwino kwambiri za dziko lino mʼmatumba mwanu ndi kumutengera munthuyo ngati mphatso. Mumutengere mafuta wopaka pangʼono, uchi pangʼono, mafuta wonunkhiritsa chakudya, mule, mtedza ndi alimoni.
12 ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
Mutenge ndalama zokwanira. Ndalama zina nʼzokamubwezera zija anakuyikirani mʼmatumba anu zija. Mwina anangolakwitsa.
13 Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
Mutengeninso mngʼono wanuyu ndi kubwerera kwa munthuyo msanga.
14 ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
Ndipo Mulungu Wamphamvuzonse akuchitireni chifundo pamaso pa munthuyo kuti akamulole mʼbale wanu wina uja ndi Benjamini kuti abwerere ndi inu. Kukakhala kulira, ndine wolira basi.”
15 Dia nentin’ ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin’ i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan’ i Josefa.
Choncho abale aja anatenga mphatso, ndalama zokwanira ndi Benjamininso. Iwo anafulumira kupita ku Igupto ndipo anakaonekera kwa Yosefe.
16 Ary Josefa, raha nahita an’ i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin’ ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
Yosefe ataona Benjamini ali pamodzi ndi abale ake, anati kwa wantchito wa mʼnyumba mwake, “Atengereni anthu awa ku nyumba kwanga, ndipo uphe nyama ndi kukonza bwino chakudya popeza amenewa adya ndi ine masana ano.”
17 Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian’ i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’ i Josefa ireo.
Wantchitoyo anachita monga momwe Yosefe ananenera, ndipo anawatengera abale aja ku nyumba kwa Yosefe.
18 Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon’ i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin’ ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
Tsono anthu aja anachita mantha ataona kuti akuwatengera ku nyumba kwa Yosefe. Mʼmaganizo awo ankanena kuti, “Atibweretsa kuno chifukwa cha ndalama zija zinabwezeredwa mʼmatumba athu poyamba paja. Ameneyu akufuna kuti atipanikize ndi kutigwira ukapolo natilanda abulu athu.”
19 Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon’ i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran’ ny trano nanao hoe:
Choncho atafika pa khomo la nyumba ya Yosefe anamuyandikira wantchito wa Yosefe nayankhula naye kuti,
20 Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
“Pepani mbuye wathu, ife tinabweranso ulendo woyamba kudzagula chakudya
21 ary rehefa tonga teo amin’ izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
koma titafika pa malo ena kuti tigone, tinatsekula matumba athu ndipo aliyense wa ife anapeza ndalama zake momwe zinalili zili pakamwa pa thumba lake. Ndiye tabwerera nazo.
22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin’ ny lasakanay.
Tabweretsanso ndalama zina kuti tigule chakudya. Sitikudziwa kuti kaya ndani anayika ndalamazo mʼmatumba athu.”
23 Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an’ i Simeona ho eo aminy izy.
Koma iye anati, “Mitima yanu ikhale pansi ndipo musachite mantha. Mulungu wanu, Mulungu wa abambo anu, anakuyikirani chumacho mʼmatumba anu. Ine ndinalandira ndalama zanu.” Ndipo anakawatulutsira Simeoni.
24 Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’ i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
Wantchito uja anawalowetsa anthuwo mʼnyumba ya Yosefe, nawapatsa madzi kuti asambe mapazi awo. Anadyetsanso abulu awo.
25 Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin’ i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
Abale aja anakonzeratu mphatso zawo zija kuti adzapereke kwa Yosefe, popeza anamva kuti Yosefe adzadya komweko masana.
26 Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin’ izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany izy.
Yosefe atafika ku nyumbako, iwo anapereka mphatso zija namuweramira pansi.
27 Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
Yosefe anawafunsa za moyo wawo kenaka anati, “Kodi abambo anu wokalamba amene munkandiwuza aja ali bwanji? Ali ndi moyobe?”
28 Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
Iwo anayankha kuti, “Mtumiki wanu abambo athu akanali ndi moyo ndipo ali bwino.” Ndipo anamugwadira namuweramira pansi.
29 Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an’ i Benjamina rahalahiny, zanakalahin’ ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
Pomwazamwaza maso Yosefe anaona Benjamini, mʼbale wake weniweni wa bere limodzi, ndipo anafunsa, “Kodi uyu ndiye mʼbale wanu wamngʼono kwambiri amene munkandiwuza uja?” Kenaka anati, “Ambuye akukomere mtima mwana wanga.”
30 Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
Kenaka Yosefe anafulumira kutuluka chifukwa mtima wake unadzaza ndi chifundo cha mngʼono wake ndipo anafuna kulira. Tsono anakalowa mʼchipinda chakechake nakalira kumeneko.
31 Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
Atatha kupukuta misozi mʼmaso mwake anatuluka, ndipo modzilimbitsa analamula kuti chakudya chibwere.
32 Dia narosony mitokana ny ho an’ i Josefa, ary mitokana ny ho an’ ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an’ ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin’ ny Hebreo, fa fahavetavetana amin’ ny Egyptiana izany.
Anamupatsira Yosefe chakudya payekha, abale ake aja pawokha, ndiponso Aigupto amene ankadya pamodzi ndi iye nawonso pawokha. Izi zinali choncho chifukwa Aigupto ankanyansidwa kudya pamodzi ndi Ahebri.
33 Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.
Abale aja anawakhazika patsogolo pa Yosefe. Iwo anawakhazika monga mwa mabadwidwe awo kuyambira woyamba kubadwa mpaka wotsirizira; ndipo ankangoyangʼanitsitsana modabwa.
34 Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan’ i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin’ i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin’ izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
Tsono ankawagawira chakudya kuchokera pa tebulo la Yosefe. Koma chakudya cha Benjamini chinkaposa cha ena onsewa kasanu. Motero anadya ndi kumwa mpaka kukhuta, ndipo anasangalala pamodzi ndi Yosefe.

< Genesisy 43 >