< Genesisy 40 >

1 Ary taorian’ izany ny mpitondra kapoakan’ ny mpanjakan’ i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta tompony.
Kana booddee namichi mootii Gibxiitiif dhugaatii dhiʼeessuu fi namichi buddeena tolchu gooftaa isaanii mootii Gibxi sana gaddisiisan.
2 Ary tezitra indrindra tamin’ ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ ny mpanao mofo.
Faraʼoonis qondaaltota isaa lamaanitti jechuunis itti gaafatamaa dhugaatiitii fi itti gaafatamaa tolchaa buddeenaatti aare;
3 Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon’ ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin’ ny trano-maizina izay nifatoran’ i Josefa.
innis mana ajajaa waardiyyaa keessa mana hidhaa iddoo Yoosef itti hidhamee ture keessa isaan buuse.
4 Ary Josefa notendren’ ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’ izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ ny trano-maizina izy roa lahy.
Ajajaan waardiyyaa Yoosefitti isaan kenne; Yoosefis isaan tajaajilaa ture. Jarris guyyaa baayʼee mana hidhaa turan;
5 Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ ny mpanjakan’ i Egypta, izay nifatotra tao amin’ ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
isaan lachanuu jechuunis namichi mootii Gibxiitiif dhugaatii dhiʼeessuu fi namichi buddeena tolchu tokkoon tokkoon isaanii halkanuma tokko keessatti abjuu abjootan; tokkoon tokkoon abjuu sanaas hiikkaa mataa isaa qaba ture.
6 Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
Yoosef guyyaa itti aanu ganama isaan bira dhaqe; kunoo utuu gaddanii jiranuus isaan arge.
7 Dia nanontanian’ i Josefa ny tandapan’ i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
Innis, “Fuulli keessan harʼa maaliif akkana dukkanaaʼa?” jedhee qondaaltota Faraʼoon warra isa wajjin mana gooftaa isaa keessa mana hidhaa turan sana gaafate.
8 Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin’ Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
Isaanis, “Nu lachuu abjuu abjoonnee nama nuu hiiku dhabne” jedhaniin. Kana irratti Yoosef, “Hiikkaan kan Waaqaa ti mitii? Mee abjuu keessan natti himaa” jedheen.
9 Dia nambaran’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka tamin’ i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
Itti gaafatamaan dhugaatii sun akkana jedhee abjuu isaa Yoosefitti himate; “Abjuu koo keessatti kunoo muka wayinii tokkotu fuula koo dura ture;
10 ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
mukti wayinii sunis damee sadii qaba ture. Innis akkuma lateen daraare; hurbuun ija isaas ni bilchaatte.
11 Ary teny an-tanako ny kapoakan’ i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ ny kapoakan’ i Farao, dia natolotro teo an-tànan’ i Farao ny Kapoaka.
Xoofoon Faraʼoon na harka ture; anis ija wayinii fuudhee xoofoo Faraʼoonitti cuunfee xoofoo sana harka Faraʼoonitti kenne.”
12 Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
Yoosefis akkana jedheen; “Hiikkaan isaa kana; dameewwan sadan sun guyyaa sadii.
13 Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin’ ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan’ i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
Guyyaa sadii keessatti Faraʼoon mataa kee ol qaba; taayitaa keettis si deebisa; akkuma yeroo dhugaatii dhiʼeessaafii turte sana atis xoofoo Faraʼoon harka isaatti ni kennita.
14 Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’ i Farao aho, ka avoahy amin’ ity trano ity;
Garuu yeroo sitti tolutti na yaadadhu; waan gaariis naa godhi. Waaʼee koo Faraʼoonitti himiitii mana hidhaa kanaa na baasi.
15 fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ ny tanin’ ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ ity lavaka ity aho.
Ana biyya Ibrootaatii hatanii na fidaniitii; biyya kana keessattis ani waan boolla kana keessa na buusisu tokko illee hin hojjenne.”
16 Ary rehefa hitan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin’ i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
Itti gaafatamaan buddeenaa sunis yommuu akka Yoosef abjuu sanaaf hiikkaa gaarii kenne argetti Yoosefiin akkana jedhe; “Anis abjuu tokkon abjoodhe; kunoo gundoowwan buddeenaa sadii mataa koo irra turan.
17 ary teo anatin’ ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan’ i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon’ ny mpanao mofo; ary nohanin’ ny vorona teo anatin’ ny karaba izay nololohaviko izany.
Gundoo ol aanu irra buddeena gosa garaa garaa kan Faraʼooniif qopheeffametu ture; garuu simbirroonni matuma koo irratti gundoo sana keessaa nyaachaa turan.”
18 Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
Yoosef immoo akkana jedhe; “Hiikkaan isaa kana; gundoowwan sadan sun guyyaa sadii.
19 Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin’ ny hazo ianao) dia hohanin’ ny vorona ny nofonao.
Guyyaa sadii keessatti Faraʼoon mataa kee ol qaba; mukatti si rarraasa. Simbirroonnis foon kee ni nyaatu.”
20 Ary tamin’ ny andro fahatelo, izay niherenan’ ny taona nahaterahan’ i Farao, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo teo amin’ ny mpanompony.
Guyyaan sadaffaan guyyaa itti Faraʼoon dhalate ture; Faraʼoonis qondaaltota isaatiif cidha qopheesse. Innis itti gaafatamaa dhugaatiitii fi itti gaafatamaa buddeenaa sana fuula qondaaltota isaa duratti dhiʼeesse:
21 Ary ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin’ ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan’ i Farao izy;
Itti gaafatamaa dhugaatii sana hojii isaatti deebise; namichi xoofoo sana ammas harka Faraʼoonitti kenne.
22 fa ny lehiben’ ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain’ i Josefa tamin’ izy roa lahy avy.
Itti gaafatamaa buddeenaa sana garuu akkuma Yoosef abjuu isaanii hiikeefitti rarraase.
23 Kanjo tsy mba nahatsiaro an’ i Josefa ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
Taʼus itti gaafatamaan dhugaatii sun Yoosefin ni irraanfate malee isa hin yaadanne.

< Genesisy 40 >