< Genesisy 40 >

1 Ary taorian’ izany ny mpitondra kapoakan’ ny mpanjakan’ i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta tompony.
It happened after these things that the cupbearer of the king of Egypt and his baker offended their lord, the king of Egypt.
2 Ary tezitra indrindra tamin’ ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ ny mpanao mofo.
Pharaoh was angry with his two officers, the chief cupbearer and the chief baker.
3 Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon’ ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin’ ny trano-maizina izay nifatoran’ i Josefa.
So he put them in custody in the house of the captain of the guard, in the prison, the place where Joseph was confined.
4 Ary Josefa notendren’ ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’ izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ ny trano-maizina izy roa lahy.
The captain of the guard assigned them to Joseph, and he attended them. They stayed in prison for some time.
5 Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ ny mpanjakan’ i Egypta, izay nifatotra tao amin’ ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
And the cupbearer and the baker for the king of Egypt, who were confined in jail, both had a dream the same night, and each dream had its own meaning.
6 Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
Joseph met them in the morning and looked at them and saw that they were sad.
7 Dia nanontanian’ i Josefa ny tandapan’ i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
He asked Pharaoh's officers who were with him in custody in his master's house, saying, "Why do you look so sad today?"
8 Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin’ Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
They said to him, "We both had dreams, but there is no one who can interpret it." Joseph said to them, "Do not interpretations belong to God? Please tell it to me."
9 Dia nambaran’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka tamin’ i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
The chief cupbearer told his dream to Joseph, and said to him, "In my dream, look, a vine was in front of me,
10 ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
and in the vine were three branches. When it budded, its blossoms opened, and its clusters ripened into grapes.
11 Ary teny an-tanako ny kapoakan’ i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ ny kapoakan’ i Farao, dia natolotro teo an-tànan’ i Farao ny Kapoaka.
Pharaoh's cup was in my hand, and I took the grapes and squeezed them into Pharaoh's cup, and I placed the cup into Pharaoh's hand."
12 Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
Then Joseph said to him, "This is its interpretation: the three branches are three days.
13 Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin’ ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan’ i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
Within three days Pharaoh will lift up your head and restore you to your office. You will put Pharaoh's cup into his hand as you used to when you were his cupbearer.
14 Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’ i Farao aho, ka avoahy amin’ ity trano ity;
But remember me when it goes well for you, and please do me the kindness to mention me to Pharaoh and get me out of this prison.
15 fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ ny tanin’ ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ ity lavaka ity aho.
For indeed, I was kidnapped from the land of the Hebrews, and even here I have done nothing that they should have put me into the pit."
16 Ary rehefa hitan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin’ i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
When the chief baker saw that the interpretation was favorable, he said to Joseph, "I also appeared in my dream, and look, three baskets of white bread were on my head.
17 ary teo anatin’ ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan’ i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon’ ny mpanao mofo; ary nohanin’ ny vorona teo anatin’ ny karaba izay nololohaviko izany.
In the top basket there was all kinds of baked goods for Pharaoh, but the birds were eating them out of the basket on my head."
18 Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
Joseph answered, "This is its interpretation: the three baskets are three days.
19 Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin’ ny hazo ianao) dia hohanin’ ny vorona ny nofonao.
Within three days Pharaoh will lift up your head from off you, and impale you on a pole, and the birds will eat your flesh off you."
20 Ary tamin’ ny andro fahatelo, izay niherenan’ ny taona nahaterahan’ i Farao, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo teo amin’ ny mpanompony.
And it happened on the third day, which was Pharaoh's birthday, that he gave a feast for all his servants, and he lifted up the head of the chief cupbearer and the head of the chief baker among his servants.
21 Ary ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin’ ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan’ i Farao izy;
He restored the chief cupbearer to his position again, and he placed the cup into Pharaoh's hand;
22 fa ny lehiben’ ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain’ i Josefa tamin’ izy roa lahy avy.
but he hanged the chief baker, as Joseph had interpreted to them.
23 Kanjo tsy mba nahatsiaro an’ i Josefa ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
But the chief cupbearer did not remember Joseph, but forgot him.

< Genesisy 40 >