< Genesisy 4 >

1 Ary Adama nahalala an’ i Eva vadiny; dia nanan’ anaka Eva ka niteraka an’ i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’ i Jehovah aho.
و آدم، زن خود حوا را بشناخت و او حامله شده، قائن را زایید. و گفت: «مردی از یهوه حاصل نمودم.»۱
2 Ary niteraka an’ i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
و بار دیگر برادر او هابیل رازایید. و هابیل گله بان بود، و قائن کارکن زمین بود.۲
3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’ i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’ i Jehovah;
و بعد از مرور ایام، واقع شد که قائن هدیه‌ای ازمحصول زمین برای خداوند آورد.۳
4 fa nitondran’ i Abela kosa ny voalohan-terak’ ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’ i Abela mbamin’ ny fanatiny;
و هابیل نیزاز نخست زادگان گله خویش و پیه آنها هدیه‌ای آورد. و خداوند هابیل و هدیه او را منظورداشت،۴
5 fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
اما قائن و هدیه او را منظور نداشت. پس خشم قائن به شدت افروخته شده، سر خود رابزیر افکند.۵
6 Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
آنگاه خداوند به قائن گفت: «چراخشمناک شدی؟ و چرا سر خود را بزیرافکندی؟۶
7 Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
اگر نیکویی می‌کردی، آیا مقبول نمی شدی؟ و اگر نیکویی نکردی، گناه بر در، درکمین است و اشتیاق تو دارد، اما تو بر وی مسلطشوی.»۷
8 Ary Kaina niteny tamin’ i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’ i Abela rahalahiny, ka namono azy.
و قائن با برادر خود هابیل سخن گفت. و واقع شد چون در صحرا بودند، قائن بر برادر خودهابیل برخاسته او را کشت.۸
9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
پس خداوند به قائن گفت: «برادرت هابیل کجاست؟» گفت: «نمی دانم، مگر پاسبان برادرم هستم؟»۹
10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon’ ny ran’ ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ ny tany.
گفت: «چه کرده‌ای؟ خون برادرت از زمین نزد من فریادبرمی آورد!۱۰
11 Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin’ ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran’ ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
و اکنون تو ملعون هستی از زمینی که دهان خود را باز کرد تا خون برادرت را ازدستت فرو برد.۱۱
12 Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany ianao.
هر گاه کار زمین کنی، هماناقوت خود را دیگر به تو ندهد. و پریشان و آواره در جهان خواهی بود.»۱۲
13 Dia hoy Kaina tamin’ i Jehovah: Lehibe ny valin’ ny heloko mihoatra noho izay zakako.
قائن به خداوند گفت: «عقوبتم از تحملم زیاده است.۱۳
14 Indro, efa noroahinao hiala amin’ ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
اینک مراامروز بر روی زمین مطرود ساختی، و از روی تو پنهان خواهم بود. و پریشان و آواره درجهان خواهم بود و واقع می‌شود هر‌که مرایابد، مرا خواهد کشت.»۱۴
15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an’ i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an’ i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
خداوند به وی گفت: «پس هر‌که قائن را بکشد، هفت چندان انتقام گرفته شود.» و خداوند به قائن نشانی‌ای داد که هر‌که او را یابد، وی را نکشد.۱۵
16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan’ i Jehovah ka nonina tao amin’ ny tany Noda tandrifin’ i Edena.
پس قائن از حضور خداوند بیرون رفت ودر زمین نود، بطرف شرقی عدن، ساکن شد.۱۶
17 Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka an’ i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran’ ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ ny zananilahy.
و قائن زوجه خود را شناخت. پس حامله شده، خنوخ را زایید. و شهری بنا می‌کرد، و آن شهر را به اسم پسر خود، خنوخ نام نهاد.۱۷
18 Ary Enoka niteraka an’ Irada; ary Irada niteraka an’ i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an’ i Metosaela; ary Metosaela niteraka an’ i Lameka.
وبرای خنوخ عیراد متولد شد، و عیراد، محویائیل را آورد، و محویائیل، متوشائیل را آورد، ومتوشائیل، لمک را آورد.۱۸
19 Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran’ ny anankiray Ada, ary ny anaran’ ny anankiray Zila.
و لمک، دو زن برای خود گرفت، یکی را عاده نام بود و دیگری را ظله.۱۹
20 Ary Ada niteraka an’ i Jabala; izy no rain’ ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman’ ondry.
و عاده، یابال را زایید. وی پدر خیمه نشینان وصاحبان مواشی بود.۲۰
21 Ary ny anaran’ ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
و نام برادرش یوبال بود. وی پدر همه نوازندگان بربط و نی بود.۲۱
22 Ary Zila kosa niteraka an’ i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin’ i Tobala-kaina dia Nama.
و ظله نیز توبل قائن را زایید، که صانع هر آلت مس وآهن بود. و خواهر توبل قائن، نعمه بود.۲۲
23 Ary hoy Lameka tamin’ ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin’ i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
و لمک به زنان خود گفت: «ای عاده و ظله، قول مرابشنوید! ای زنان لمک، سخن مرا گوش گیرید! زیرا مردی را کشتم بسبب جراحت خود، وجوانی را بسبب ضرب خویش.۲۳
24 Raha valiana fito heny izay mamono an’ i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an’ i Lameka.
اگر برای قائن هفت چندان انتقام گرفته شود، هر آینه برای لمک، هفتاد و هفت چندان.»۲۴
25 Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy.
پس آدم بار دیگرزن خود را شناخت، و او پسری بزاد و او را شیث نام نهاد، زیرا گفت: «خدا نسلی دیگر به من قرارداد، به عوض هابیل که قائن او را کشت.»۲۵
26 Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
وبرای شیث نیز پسری متولد شد و او را انوش نامید. در آنوقت به خواندن اسم یهوه شروع کردند.۲۶

< Genesisy 4 >