< Genesisy 28 >

1 Ary Isaka nampaka an’ i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao.
以撒叫了雅各來,給他祝福,並囑咐他說:「你不要娶迦南的女子為妻。
2 Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin’ ny tranon’ i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin’ ny zanakavavin’ i Labana anadahin-dreninao.
你起身往巴旦‧亞蘭去,到你外祖彼土利家裏,在你母舅拉班的女兒中娶一女為妻。
3 Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
願全能的上帝賜福給你,使你生養眾多,成為多族,
4 ary homeny anao anie ny fitahiana an’ i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen’ Andriamanitra an’ i Abrahama.
將應許亞伯拉罕的福賜給你和你的後裔,使你承受你所寄居的地為業,就是上帝賜給亞伯拉罕的地。」
5 Ary Isaka nampandeha an’ i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin’ i Labana, zanak’ i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin’ i Jakoba sy Esao.
以撒打發雅各走了,他就往巴旦‧亞蘭去,到亞蘭人彼土利的兒子拉班那裏。拉班是雅各、以掃的母舅。
6 Ary nony hitan’ i Esao fa Isaka efa nitso-drano an’ i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao;
以掃見以撒已經給雅各祝福,而且打發他往巴旦‧亞蘭去,在那裏娶妻,並見祝福的時候囑咐他說:「不要娶迦南的女子為妻」,
7 koa Jakoba efa nanaraka ny tenin’ ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
又見雅各聽從父母的話往巴旦‧亞蘭去了,
8 ary hitan’ i Esao fa efa ratsy teo imason’ Isaka rainy ny zanakavavin’ ny Kananita:
以掃就曉得他父親以撒看不中迦南的女子,
9 dia lasa Esao nankany amin’ Isimaela ka naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ Isimaela, zanak’ i Abrahama, sady anabavin’ i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin’ ny vady izay nananany.
便往以實瑪利那裏去,在他二妻之外又娶了瑪哈拉為妻。她是亞伯拉罕兒子以實瑪利的女兒,尼拜約的妹子。
10 Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
雅各出了別是巴,向哈蘭走去;
11 Ary tonga teo amin’ ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin’ izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
到了一個地方,因為太陽落了,就在那裏住宿,便拾起那地方的一塊石頭枕在頭下,在那裏躺臥睡了,
12 Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin’ ny tany, ka nipaka tamin’ ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
夢見一個梯子立在地上,梯子的頭頂着天,有上帝的使者在梯子上,上去下來。
13 Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
耶和華站在梯子以上,說:「我是耶和華-你祖亞伯拉罕的上帝,也是以撒的上帝;我要將你現在所躺臥之地賜給你和你的後裔。
14 ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
你的後裔必像地上的塵沙那樣多,必向東西南北開展;地上萬族必因你和你的後裔得福。
15 Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’ izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
我也與你同在。你無論往哪裏去,我必保佑你,領你歸回這地,總不離棄你,直到我成全了向你所應許的。」
16 Ary Jakoba nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
雅各睡醒了,說:「耶和華真在這裏,我竟不知道!」
17 Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ ny lanitra.
就懼怕,說:「這地方何等可畏!這不是別的,乃是上帝的殿,也是天的門。」
18 Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
雅各清早起來,把所枕的石頭立作柱子,澆油在上面。
19 Ary ny anaran’ izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ ilay tanàna tany aloha.
他就給那地方起名叫伯特利;但那地方起先名叫路斯。
20 Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’ izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
雅各許願說:「上帝若與我同在,在我所行的路上保佑我,又給我食物吃,衣服穿,
21 ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ ny tranon’ ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,
使我平平安安地回到我父親的家,我就必以耶和華為我的上帝。
22 ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon’ Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
我所立為柱子的石頭也必作上帝的殿;凡你所賜給我的,我必將十分之一獻給你。」

< Genesisy 28 >