< Genesisy 24 >

1 Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an’ i Abrahama tamin’ ny zavatra rehetra.
亞巴郎年紀已老,上主在一切事上常祝福他。
2 Ary hoy Abrahama tamin’ ilay lehiben’ ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao;
亞巴郎對管理他所有家產的老僕人說:「請你將手放在我的胯下,
3 fa hampianianiko amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita izay iraisako monina ianao;
要你指著上主、天地的天主起誓:你決不要為我的兒子,由我現住的客納罕人中,娶一個女子為妻;
4 fa any amin’ ny tanin-drazako sy amin’ ny havako no halehanao haka vady ho an’ Isaka zanako.
卻要到我的故鄉,我的親族中去,為我的兒子依撒格娶妻。」
5 Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin’ ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin’ ny tany izay nialanao va aho?
僕人對他說:「假使那女子不願跟我到此地來,我能否帶你的兒子回到你的本鄉﹖」
6 Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.
亞巴郎答覆他說:「你切不可帶我的兒子回到那裏去。
7 Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin’ ny tranon’ ny raiko sy tamin’ ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ ny zanako.
那引我出離父家和我生身地,同我談過話,對我起誓說「我必將這地賜給你後裔」的上主,上天的天主,必派遣自己的使者作你的前導,領你由那裏給我兒子娶個妻子。
8 Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin’ izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako
假若那女子不願跟你來,你對我起的誓,就與你無涉;無論如何,你不能帶我的兒子回到那裏去。」
9 Ary nataon’ ilay mpanompo tambanin’ ny fen’ i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin’ izany zavatra izany izy.
僕人遂將手放在主人亞巴郎的胯下,為這事向他起了誓。
10 Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin’ ny ramevan’ ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan’ ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan’ i Nahora.
僕人由他主人的駱駝中,牽了十匹駱駝,帶著主人的各樣寶物,起身往美索不達米亞的納曷爾城去了。
11 Ary nampandohalehiny teo ivelan’ ny tanàna tanilan’ ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin’ ilay fandehanan’ ny vehivavy mpantsaka iny
傍晚,女人們出來打水的時候,他叫駱駝臥在城外的水井旁,
12 Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.
然後說:「上主、我主人亞巴郎的天主! 求你對我主人亞巴郎施行仁慈,今日使我幸運。
13 Indro, mijanona eto anilan’ ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;
看我站在水泉旁,此時城中的女子正出來打水。
14 koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’ Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
我對那個少女說:請你放下水罐,讓我喝點水。如果她答說:請喝! 並且我還要打水給你的駱駝喝,她即是你為你的僕人依撒格預定的少女;由此我知道,你對我主人施行了仁慈。」
15 Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak’ i Betoela, zanakalahin’ i Milka, vadin’ i Nahpra, rahalahin’ i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
話還沒有說完,黎貝加就肩著水罐出來了。她是亞巴郎的兄弟納曷爾的妻子米耳加的兒子貝突耳的女兒。
16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin’ ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
這少女容貌很美,是個還沒有人認識的處女。她下到水泉,灌滿了水罐,就上來了。
17 Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ ny sininao aho.
僕人就跑上前去迎著她說:「請讓我喝點你水罐裏的水,好嗎! 」
18 Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.
她回答說:「先生! 請喝! 」她急忙將水罐放低,托在手上讓他喝。
19 Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
他喝足了以後,少女說:「我再為你的駱駝打水,叫牠們也喝足。」
20 Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin’ ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin’ ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an’ ny ramevany rehetra izy.
遂急忙將罐裏的水倒在槽裏,再跑到那井裏去打水,打給他的駱駝喝。
21 Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin’ i Jehovah ny nalehany, na tsia.
僕人在旁靜靜地注視她,急願知道,是否上主已使他此行成功。
22 Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’ orona volamena iray, lanjan’ ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ ny sekely folo, hatao amin’ ny tànany;
駱駝喝完了水以後,老人就拿出一個半「協刻耳」重的金鼻環,和一對重十「協刻耳」的金手鐲,給她戴上,
23 ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon’ ny rainao?
然後說:「請你告訴我你是誰的女兒﹖你父親家裏,有沒有地方可讓我們過宿﹖」
24 Ary hoy izy taminy: Zanakavavin’ i Betoela, zanakalahin’ i Milka, izay naterany tamin’ i Nahora, aho.
她回答說:「我是米耳加給納曷爾所生之子貝突耳的女兒。」
25 Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.
她又繼續說:「我們家裏有很多草料和飼糧,而且還有地方可供過宿。」
26 Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah,
老人就俯身朝拜了上主,說:「
27 ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny tompoko; fa izaho dia notantanan’ i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon’ ny havan’ ny tompoko.
上主,我主人亞巴郎的天主應受讚美! 因為他不斷以仁慈和忠信善待了我的主人。上主也一路引我來到了我主人的老家。」
28 Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin’ ny tao an-tranon’ ny reniny.
那少女跑回去,將這一切事告訴了她母親家中的人。
29 Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.
黎貝加有個哥哥名叫拉班,他一看見他妹妹鼻上的金環,和手腕上的金鐲,聽見他妹妹黎貝加說:「那人如此如此對我說。」
30 Ary rehefa hitany ny kavin’ orona sy ny haba teny an-tànan’ ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan’ ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
拉班就跑去見那在郊外水泉旁的人,迨他來到那人那裏,見他仍站在靠近水泉的駱駝旁,
31 Ary hoy Labana: Miakara, ry ilay notahin’ i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran’ ny rameva.
就對他說:「你這受上主祝福的人,請來我已預備好了房屋和餵駱駝的地方;你為什麼還站在郊外﹖」
32 Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin’ ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an’ ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.
拉班便將那人領進家去,卸了駱駝,餵上草料和飼糧;又拿水給他和與他同來的人洗腳,
33 Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!
然後在他面前擺上飯,但僕人卻說:「在我未說明我的來意之前,我不吃飯。」拉班說:「你說罷! 」
34 Dia hoy ralehilahy: Mpanompon’ i Abrahama aho.
他說:「我是亞巴郎的僕人,
35 Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman’ osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
上主厚厚地祝福了我的主人,使他十分富有,賜了他羊群、牛群、金銀、僕婢、駱駝和驢子。
36 Ary rehefa antitra Saraha, vadin’ ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin’ ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an’ ny zanany izay rehetra ananany.
我主人的妻子撒辣,在老年給我主人生了一個兒子,主人遂將所有的財產都給了他。
37 Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, izay iraisako monina;
我主人叫我起誓說:你決不要給我的兒子,由我現居地的客納罕人中,娶一個女子為妻。
38 fa any amin’ ny tranon’ ikaky sy any amin’ ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an’ ny zanako.
你該到我的父家和我的同族中,為我兒子娶妻。
39 Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.
我對我主人說:假使女兒不願跟我來怎麼辦﹖
40 Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny havako sy amin’ ny tranon’ ikaky.
他回答我說:我一向在上主面前行走,他必派遣自己的使者與你同行,使你此行必成功,能由我的同族,我的父家,為我兒子娶妻。
41 Dia ho afaka amin’ ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin’ ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin’ ny fampianianako anao koa ianao.
只要你去了我同族那裏,你就履行了對我起的誓;若是他們不給你,你對我起的誓,就與你無涉。
42 Ary tonga androany teo amin’ ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,
今天我到了水泉那裏就說:上主,我主人亞巴郎的天主! 惟願你使我此行成功。
43 indro, mijanona eto anilan’ ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ ny sininao aho,
看我現在站在泉旁,我對那個出來打水的少女說:請你讓我喝點你水罐裏的水罷!
44 ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin’ i Jehovah ho an’ ny zanakalahin’ ny tompoko.
如果她對我說:請喝,並且我還要打水給你的駱駝喝,她即是上主為我主人的兒子預定的妻子。
45 Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
我心裏尚未說完這話,看,黎貝加肩著水罐來了,下到水泉那裏打水,我就對她說:請給我一點水喝!
46 Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy.
她急忙從肩上放下水罐說:你喝,並且我還要打水給你的駱駝喝。我喝了,同時她也給了駱駝水喝。
47 Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak’ i Betoela, zanakalahin’ i Nahora, aho, izay naterak’ i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin’ orona, ary ny haba teny amin’ ny tànany.
我於是問她說:你是誰的女兒﹖她答說:我是米耳加給納曷爾生的兒子貝突耳的女兒。我就將鼻環戴在她鼻上,將手鐲帶在她手腕上。
48 Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin’ ny lalana marina haka ny zanakavavin’ ny rahalahin’ ny tompoko, ho an’ ny zanany
然後我俯身朝拜了上主,讚頌了上主、我主人亞巴郎的天主,因為他引我走了正路,為我主人的兒子娶了我主人兄弟的孫女。
49 Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin’ ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
現在,如果你們願意以仁慈和忠信善待我主人,請告訴我;如果不肯,也請告訴我;我好決定行事。」
50 Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin’ i Jehovah no nisehoan’ izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
拉班和貝突耳答說:「這件事既是出於上主,我們不能對你說好說壞。
51 Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin’ ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain’ i Jehovah.
看黎貝加在你面前,你可帶她去做你主人兒子的妻子,如上主所說的。」
52 Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon’ i Abrahama, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Jehovah izy.
亞巴郎的僕人一聽見他們說出這話,就俯伏在地朝拜了上主;
53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
然後拿出金銀的珍飾和衣服來,送給了黎貝加,又送給了她的哥哥和她的母親一些寶貴禮品。
54 Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin’ ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin’ ny tompoko.
這以後,他和同他前來的人才吃喝,並住了一宿。清早起來,他就說:「請讓我回到我主人那裏去! 」
55 Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.
黎貝加的哥哥和母親說:「讓少女同我們再住上幾天或十天,然後走罷! 」
56 Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin’ ny tompoko.
他回答他們說:「你們不要挽留我,上主既使我此行成功,請你們讓我走,回到我主人那裏去。」
57 Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.
他們說:「我們可叫少女來,問問她的意思。」
58 Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin’ io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
他們就將黎貝加叫來問她說:「你願意跟這人去嗎﹖」她答說:「願意。」
59 Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon’ i Abrahama mbamin’ ny olony izy.
於是他們打發自己的姊妹黎貝加和她的乳母,同亞巴郎的僕人和與他同來的人一起走了。
60 Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin’ izay mankahala azy.
他們祝福黎貝加說:「我們的姊妹,願你子孫無數! 願你的後裔,佔領仇敵的城門! 」
61 Ary niainga Rebeka mbamin’ ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.
黎貝加便和自己的婢女們起來,上了駱駝,跟那人去了。僕人便帶著黎貝加起了程。
62 Ary Isaka efa tonga avy tamin’ ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin’ ny tany atsimo izy.
那時依撒格剛來到拉海洛依井旁附近,他原住在乃革布地方。
63 Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.
傍晚時,依撒格出來在田間來回沉思,舉目一望,看見了一隊駱駝。
64 Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an’ Isaka; dia nidina faingana niala tamin’ ny rameva izy.
黎貝加舉目看見了依撒格,便由駱駝上下來,
65 Ary hoy izy tamin’ ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
問僕人說:「田間前來迎接我們的那人是誰﹖」僕人答說:「是我的主人。」黎貝加遂拿面紗蒙在臉上。
66 Ary dia nambaran’ ilay mpanompo tamin’ Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.
僕人就將自己所作的一切事,告訴了依撒格。
67 Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain’ i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.
依撒格便領黎貝加進入自己母親撒辣的帳幕,娶了她為妻,很是愛她。依撒格自從母親死後,這才有了安慰。

< Genesisy 24 >