< Genesisy 23 >

1 Ary ny andro niainan’ i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan’ i Saraha.
撒拉享壽一百二十七歲,這是撒拉一生的歲數。
2 Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’ i Saraha sy hitomany azy.
撒拉死在迦南地的基列‧亞巴,就是希伯崙。亞伯拉罕為她哀慟哭號。
3 Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan’ ny fatin’ ny vadiny, dia niteny tamin’ ny taranak’ i Heta ka nanao hoe:
後來亞伯拉罕從死人面前起來,對赫人說:
4 Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
「我在你們中間是外人,是寄居的。求你們在這裏給我一塊地,我好埋葬我的死人,使她不在我眼前。」
5 Dia namaly an’ i Abrahama ny taranak’ i Heta ka nanao taminy hoe:
赫人回答亞伯拉罕說:
6 Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ ny fasanay no andeveno ny fatin’ ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin’ ny vadinao.
「我主請聽。你在我們中間是一位尊大的王子,只管在我們最好的墳地裏埋葬你的死人;我們沒有一人不容你在他的墳地裏埋葬你的死人。」
7 Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta tompon-tany,
亞伯拉罕就起來,向那地的赫人下拜,
8 dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin’ ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin’ i Efrona, zanak’ i Zohara,
對他們說:「你們若有意叫我埋葬我的死人,使她不在我眼前,就請聽我的話,為我求瑣轄的兒子以弗崙,
9 mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin’ ny sisin’ ny sahany; amin’ izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
把田頭上那麥比拉洞給我,他可以按着足價賣給我,作我在你們中間的墳地。」
10 Ary Efrona nipetraka teo amin’ ny taranak’ i Heta; dia namaly an’ i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany, ka nanao hoe:
當時以弗崙正坐在赫人中間。於是,赫人以弗崙在城門出入的赫人面前對亞伯拉罕說:
11 Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason’ ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ ny vadinao.
「不然,我主請聽。我送給你這塊田,連田間的洞也送給你,在我同族的人面前都給你,可以埋葬你的死人。」
12 Ary niankohoka teo anatrehan’ ny olona tompon-tany Abrahama,
亞伯拉罕就在那地的人民面前下拜,
13 dia niteny tamin’ i Efrona teo anatrehan’ ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin’ ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ ny vadiko.
在他們面前對以弗崙說:「你若應允,請聽我的話。我要把田價給你,求你收下,我就在那裏埋葬我的死人。」
14 Ary Efrona dia namaly an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe:
以弗崙回答亞伯拉罕說:
15 Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin’ ny vadinao.
「我主請聽。值四百舍客勒銀子的一塊田,在你我中間還算甚麼呢?只管埋葬你的死人吧!」
16 Dia neken’ i Abrahama ny tenin’ i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin’ ny mpivarotra.
亞伯拉罕聽從了以弗崙,照着他在赫人面前所說的話,把買賣通用的銀子平了四百舍客勒給以弗崙。
17 Ary ny sahan’ i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin’ ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin’ ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty
於是,麥比拉、幔利前、以弗崙的那塊田和其中的洞,並田間四圍的樹木,
18 tamini’ i Abrahama ho fananana, teo imason’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany.
都定準歸與亞伯拉罕,乃是他在赫人面前並城門出入的人面前買妥的。
19 Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an’ i Saraha vadiny tao amin’ ny zohy tao amin’ ny saha Makpela tandrifin’ i Mamre (Hebrona izany), ao amin’ ny tany Kanana;
此後,亞伯拉罕把他妻子撒拉埋葬在迦南地幔利前的麥比拉田間的洞裏。(幔利就是希伯崙)。
20 ka ny saha mbamin’ ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ ny taranak’ i Heta varo-maty tamin’ i Abrahama ho tany fandevenana.
從此,那塊田和田間的洞就藉着赫人定準歸與亞伯拉罕作墳地。

< Genesisy 23 >