< Genesisy 15 >

1 Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
After these things the word of the LORD came to Abram in a vision, saying, "Do not be afraid, Abram. I am your shield; your reward will be very great."
2 Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
Abram said, "Lord, what will you give me, seeing I go childless, and the heir of my estate is Eliezer of Damascus?"
3 Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin’ ny ato an-tranoko no handova ahy.
Then Abram said, "Look, to me you have given no offspring, and look, one born in my house is my heir."
4 Ary, indro, ny tenin’ i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
And look, the word of God came to him, saying, "This man will not be your heir, but he who will come forth out of your own body will be your heir."
5 Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
And he brought him outside, and said, "Look now toward the sky, and count the stars, if you are able to count them." And he said to him, "So will your descendants be."
6 Ary nino an’ i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
And he believed God, and it was credited to him as righteousness.
7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
And he said to him, "I am God, who brought you out of Ur Kasdim to give you this land to possess."
8 Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
But he said, "Lord, how can I know that I will possess it?"
9 Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
And he said to him, "Bring me a heifer three years old, a female goat three years old, a ram three years old, a turtledove, and a young pigeon."
10 Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
He brought him all of these, and divided them in the middle, and placed each half opposite the other; but he did not divide the birds.
11 Ary nidina teo amin’ ny fatin’ ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
And the birds of prey came down on the carcasses, but Abram drove them away.
12 Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
When the sun was going down, a deep sleep fell on Abram. And look, a terror of great darkness fell on him.
13 Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
And he said to Abram, "Know for certain that your descendants will live as foreigners in a land that is not theirs; and they will be enslaved there. And they will oppress them four hundred years.
14 Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
But I will also judge that nation whom they will serve. And afterward they will come out with many possessions.
15 Nefa ianao kosa ho any amin’ ny razanao amin’ ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
But you will go to your fathers in peace. You will be buried in a good old age.
16 Fa raha mby amin’ ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
In the fourth generation they will come here again, for the iniquity of the Amorites is not yet complete."
17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan’ ireo zavatra voasasaka ireo.
It came to pass that, when the sun went down, and it was dark, look, a smoking fire pot and a flaming torch passed between these pieces.
18 Tamin’ izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
On that day God made a covenant with Abram, saying, "To your descendants I have given this land, from the river of Egypt to the great river, the river Perath:
19 dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
the Kenites, the Kenizzites, the Kadmonites,
20 ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaïta
the Hethites, the Perizzites, the Rephaim,
21 ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
the Amorites, the Canaanites, the Hivites, the Girgashites, and the Jebusites."

< Genesisy 15 >