< Genesisy 12 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin’ ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ ny rainao hankany amin’ ny tany izay hasehoko anao;
Or l'Eternel avait dit à Abram: Sors de ton pays, et d'avec ta parenté, et de la maison de ton père, [et viens] au pays que je te montrerai.
2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
Et je te ferai devenir une grande nation, et te bénirai, et je rendrai ton nom grand, et tu seras béni.
3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Je bénirai ceux qui te béniront, et je maudirai ceux qui te maudiront; et toutes les familles de la terre seront bénies en toi.
4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’ i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
Abram donc partit, comme l'Eternel lui avait dit, et Lot alla avec lui; et Abram était âgé de soixante et quinze ans, quand il sortit de Caran.
5 Ary Abrama nitondra an’ i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ ny fananan’ izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ ny tany Kanana izy.
Abram prit aussi Saraï sa femme, et Lot fils de son frère, et tout leur bien, qu'ils avaient acquis, et les personnes qu'ils avaient eues à Caran; et ils partirent pour venir au pays de Canaan, auquel ils entrèrent.
6 Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan’ i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
Et Abram passa au travers de ce pays-là jusqu'au lieu de Sichem, [et] jusqu'en la plaine de Moré; et les Cananéens étaient alors dans ce pays-là.
7 Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.
Et l'Eternel apparut à Abram, et lui dit: Je donnerai ce pays à ta postérité. Et Abram bâtit là un autel à l'Eternel qui lui était apparu.
8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ ny tendrombohitra atsinanan’ i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’ i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’ i Jehovah izy ka niantso ny anaran’ i Jehovah.
Et il se transporta de là vers la montagne, qui est à l'Orient de Béthel, et y tendit ses tentes, ayant Béthel à l'Occident, et Haï à l'Orient; et il bâtit là un autel à l'Eternel, et invoqua le nom de l'Eternel.
9 Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ ny tany atsimo.
Puis Abram partit [de là], marchant et s'avançant vers le Midi.
10 Ary nisy mosary teo amin’ ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin’ ny tany.
Mais la famine étant survenue dans le pays, Abram descendit en Egypte pour s'y retirer; car la famine était grande au pays.
11 Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin’ i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
Et il arriva comme il était près d'entrer en Egypte, qu'il dit à Saraï, sa femme: Voici, je sais que tu es une fort belle femme;
12 ka, raha hitan’ ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
C'est pourquoi il arrivera que quand les Egyptiens t'auront vue, ils diront: C'est la femme de cet homme, et ils me tueront, mais ils te laisseront vivre.
13 Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
[Dis donc], je te prie, que tu es ma sœur, afin que je sois bien traité à cause de toi, et que, par ton moyen ma vie soit préservée.
14 Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan’ ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
Il arriva donc qu'aussitôt qu'Abram fut venu en Egypte, les Egyptiens virent que cette femme était fort belle.
15 Ary nahita azy ny tandapan’ i Farao ka nidera azy tamin’ i Farao; dia nentina tao an-tranon’ i Farao izy.
Les principaux de la cour de Pharaon la virent aussi, et la louèrent devant lui, et elle fut enlevée [pour être menée] dans la maison de Pharaon.
16 Ary Abrama nasian’ i Farao soa noho ny amin’ i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
Lequel fit du bien à Abram, à cause d'elle; de sorte qu'il en eut des brebis, des bœufs, des ânes, des serviteurs, des servantes, des ânesses, et des chameaux.
17 Dia nasian’ i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin’ i Saray, vadin’ i Abrama.
Mais l'Eternel frappa de grandes plaies Pharaon et sa maison, à cause de Saraï femme d'Abram.
18 Ary Farao dia nampaka an’ i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
Alors Pharaon appela Abram, et lui dit: Qu'est-ce que tu m'as fait? pourquoi ne m'as-tu pas déclaré que c'était ta femme?
19 Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
Pourquoi as-tu dit, c'est ma sœur? car je l'avais prise pour ma femme; mais maintenant, voici ta femme, prends-la, et t'en va.
20 Dia nomen’ i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin’ i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra ireo.
Et Pharaon ayant donné ordre à ses gens, ils le conduisirent, lui, sa femme, et tout ce qui était à lui.

< Genesisy 12 >