< Genesisy 11 >

1 Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
那时,天下人的口音、言语都是一样。
2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ ny tany Sinara izy ka nonina teo.
他们往东边迁移的时候,在示拿地遇见一片平原,就住在那里。
3 Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
他们彼此商量说:“来吧!我们要做砖,把砖烧透了。”他们就拿砖当石头,又拿石漆当灰泥。
4 Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ ny tany rehetra isika.
他们说:“来吧!我们要建造一座城和一座塔,塔顶通天,为要传扬我们的名,免得我们分散在全地上。”
5 Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ ny zanak’ olombelona.
耶和华降临,要看看世人所建造的城和塔。
6 Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
耶和华说:“看哪,他们成为一样的人民,都是一样的言语,如今既做起这事来,以后他们所要做的事就没有不成就的了。
7 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
我们下去,在那里变乱他们的口音,使他们的言语彼此不通。”
8 Dia tao no nampielezan’ i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
于是耶和华使他们从那里分散在全地上;他们就停工,不造那城了。
9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’ i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ ny tany rehetra.
因为耶和华在那里变乱天下人的言语,使众人分散在全地上,所以那城名叫巴别。
10 Izao no taranak’ i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an’ i Arpaksada izy roa taona taorian’ ny safo-drano.
闪的后代记在下面。洪水以后二年,闪一百岁生了亚法撒。
11 Ary ny andro niainan’ i Sema taorian’ ny niterahany an’ i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
闪生亚法撒之后又活了五百年,并且生儿养女。
12 Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Arpaksada, dia niteraka an’ i Sela izy.
亚法撒活到三十五岁,生了沙拉。
13 Ary ny andro niainan’ i Arpaksada taorian’ ny niterahany an’ i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
亚法撒生沙拉之后又活了四百零三年,并且生儿养女。
14 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Sela, dia niteraka an’ i Ebera izy.
沙拉活到三十岁,生了希伯。
15 Ary ny andro niainan’ i Sela taorian’ ny niterahany an’ i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
沙拉生希伯之后又活了四百零三年,并且生儿养女。
16 Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Ebera, dia niteraka an’ i Palega izy.
希伯活到三十四岁,生了法勒。
17 Ary ny andro niainan’ i Ebera taorian’ ny niterahany an’ i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
希伯生法勒之后又活了四百三十年,并且生儿养女。
18 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
法勒活到三十岁,生了拉吴。
19 Ary ny andro niainan’ i Palega taorian’ ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
法勒生拉吴之后又活了二百零九年,并且生儿养女。
20 Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an’ i Seroga izy.
拉吴活到三十二岁,生了西鹿。
21 Ary ny andro niainan-dReo taorian’ ny niterahany an’ i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
拉吴生西鹿之后又活了二百零七年,并且生儿养女。
22 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Seroga, dia niteraka an’ i Nahora izy,
西鹿活到三十岁,生了拿鹤。
23 Ary ny andro niainan’ i Seroga taorian’ ny niterahany an’ i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
西鹿生拿鹤之后又活了二百年,并且生儿养女。
24 Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan’ i Nahora, dia niteraka an’ i Tera izy.
拿鹤活到二十九岁,生了他拉。
25 Ary ny andro niainan’ i Nahora taorian’ ny niterahany an’ i Tera dia sivy ambin’ ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
拿鹤生他拉之后又活了一百一十九年,并且生儿养女。
26 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Tera, dia niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
他拉活到七十岁,生了亚伯兰、拿鹤、哈兰。
27 Ary izao no taranak’ i Tera: Tera niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an’ i Lota.
他拉的后代记在下面。他拉生亚伯兰、拿鹤、哈兰;哈兰生罗得。
28 Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan’ i Tera rainy tany amin’ ny tany nahaterahany, dia tao Oran’ ny Kaldeana.
哈兰死在他的本地迦勒底的吾珥,在他父亲他拉之先。
29 Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ ny vadin’ i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ ny vadin’ i Nahora dia Milka, zanakavavin’ i Harana, rain’ i Milka sy rain’ Iska.
亚伯兰、拿鹤各娶了妻:亚伯兰的妻子名叫撒莱;拿鹤的妻子名叫密迦,是哈兰的女儿;哈兰是密迦和亦迦的父亲。
30 Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
撒莱不生育,没有孩子。
31 Ary Tera nitondra an’ i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’ i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’ i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ ny Kaldeana hankany amin’ ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
他拉带着他儿子亚伯兰和他孙子哈兰的儿子罗得,并他儿妇亚伯兰的妻子撒莱,出了迦勒底的吾珥,要往迦南地去;他们走到哈兰,就住在那里。
32 Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan’ i Tera; dia maty tao Harana izy.
他拉共活了二百零五岁,就死在哈兰。

< Genesisy 11 >