< Genesisy 10 >

1 Ary izao no taranaky ny zanakalahin’ i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian’ ny safo-drano.
노아의 아들 셈과 함과 야벳의 후예는 이러하니라 홍수 후에 그들이 아들들을 낳았으니
2 Ny zanakalahin’ i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
야벳의 아들은 고멜과 마곡과 마대와 야완과 두발과 메섹과 디라스요
3 Ary ny zanakalahin’ i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
고멜의 아들은 아스그나스와 리밧과 도갈마요
4 Ary ny zanakalahin’ i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
야완의 아들은 엘리사와 달시스와 깃딤과 도다님이라
5 Avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny nosin’ ny firenena tany amin’ ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin’ ny fireneny avy.
이들로부터 여러 나라 백성으로 나뉘어서 각기 방언과 종족과 나라대로 바닷가의 땅에 머물렀더라
6 Ary ny zanakalahin’ i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
함의 아들은 구스와 미스라임과 붓과 가나안이요
7 Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana.
구스의 아들은 스바와 하윌라와 삽다와 라아마와 삽드가요 라아마의 아들은 스바와 드단이며
8 Ary Kosy niteraka an’ i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ ny tany.
구스가 또 니므롯을 낳았으니 그는 세상에 처음 영걸이라
9 Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’ i Jehovah, ka izany no nanaovan’ ny olona hoe: Tahaka an’ i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’ i Jehovah.
그가 여호와 앞에서 특이한 사냥꾼이 되었으므로 속담에 이르기를 아무는 여호와 앞에 니므롯 같은 특이한 사냥꾼이로다 하더라
10 Ary ny niandohan’ ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ ny tany Sinara.
그의 나라는 시날 땅의 바벨과 에렉과 악갓과 갈레에서 시작되었으며
11 Ary nivoaka avy tamin’ izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’ i Ninive mbamin’ i Rehobot-ira sy Kala
그가 그 땅에서 앗수르로 나아가 니느웨와 르호보딜과 갈라와
12 ary Resena teo anelanelan’ i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
및 니느웨와 갈라 사이의 레센(이는 큰 성이라)을 건축하였으며
13 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
미스라임은 루딤과 아나밈과 르하빔과 납두힘과
14 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian’ ny Filistina ary ny Kaftorita.
바드루심과 가슬루힘과 갑도림을 낳았더라 (블레셋이 가슬루힘에게서 나왔더라)
15 Ary Kanana niteraka an’ i Sidona lahimatoany sy Heta,
가나안은 장자 시돈과 헷을 낳고
16 ary ny Jebosita, sy ny Amorita sy ny Girgasita
또 여부스 족속과 아모리 족속과 기르가스 족속과
17 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
히위 족속과 알가 족속과 신 족속과
18 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen’ ny Kananita.
아르왓 족속과 스말 족속과 하맛 족속의 조상을 낳았더니 이 후로 가나안 자손의 족속이 흩어져 처하였더라
19 Ary ny fari-tanin’ ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’ i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboïma.
가나안의 지경은 시돈에서부터 그랄을 지나 가사까지와 소돔과 고모라와 아드마와 스보임을 지나 라사까지였더라
20 Ireo no zanak’ i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, amin’ ny fireneny.
이들은 함의 자손이라 각기 족속과 방언과 지방과 나라대로이었더라
21 Dia niteraka koa Sema, rain’ ny zanak’ i Ebera rehetra rahalahin’ i Jafeta, izay zokiny.
셈은 에벨 온 자손의 조상이요 야벳의 형이라 그에게도 자녀가 출생하였으니
22 Ny zanakalahin’ i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
셈의 아들은 엘람과 앗수르와 아르박삿과 룻과 아람이요
23 Ary ny zanakalahin’ i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
아람의 아들은 우스와 훌과 게델과 마스며
24 Ary Arpaksada niteraka an’ i Sela; ary Sela niteraka an’ i Ebera.
아르박삿은 셀라를 낳고 셀라는 에벨을 낳았으며
25 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ ny rahalahiny.
에벨은 두 아들을 낳고 하나의 이름을 벨렉이라 하였으니 그 때에 세상이 나뉘었음이요 벨렉의 아우의 이름은 욕단이며
26 Ary Joktana niteraka an’ i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
욕단은 알모닷과 셀렙과 하살마웹과 예라와
27 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
하도람과 우살과 디글라와
28 sy Obala sy Abimaela sy Sheba
오발과 아비마엘과 스바와
29 sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Joktana.
오빌과 하윌라와 요밥을 낳았으니 이들은 다 욕단의 아들이며
30 Ary ny fonenan’ ireo dia hatrany Mesa ao akaikin’ i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
그들의 거하는 곳은 메사에서부터 스발로 가는 길의 동편 산이었더라
31 Ireo no zanak’ i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, araka ny fireneny.
이들은 셈의 자손이라 그 족속과 방언과 지방과 나라대로였더라
32 Ireo no mpianakavin’ ny zanak’ i Noa, araka ny taranany, amin’ ny fireneny; ary avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny firenena tambonin’ ny tany taorian’ ny safo-drano.
이들은 노아 자손의 족속들이요 그 세계와 나라대로라 홍수 후에 이들에게서 땅의 열국백성이 나뉘었더라

< Genesisy 10 >