< Galatiana 4 >

1 Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ ny zavatra rehetra aza;
Глаголю ж: доки наслїдник малолїток, доти не відрізняеть ся від слуги, хоч він і пан усього,
2 fa fehezin’ izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ ny fetr’ andro voatendrin’ ny rainy.
а єсть під опікунами та доморядниками аж до нароку отця.
3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao;
Так же й ми, як були малолітками, були підневолені первотинами сьвіта.
4 fa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ ny lalàna,
Як же прийшла повня часу, послав Бог Сина свого, що родивсь від жени і був під законом,
5 hanavotany izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’ anaka.
щоб викупив тих, що під законом, щоб ми прийняли всиновленнє.
6 Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
А що ви сини, то послав Бог Духа Сина свого в серця ваші, що покликує: Авва, Отче!
7 Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’ Andriamanitra.
Тимже вже більш не невільник єси, а син; коли ж син, то й наслїдник Божий через Христа.
8 Kanefa tamin’ izany, fony mbola tsy nahalala an’ Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
Тільки ж тодї, не знаючи Бога, служили ви тим, що не по природі були богами.
9 fa ankehitriny, rehefa mahalala an’ Andriamanitra ianareo ― nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo ― nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
Тепер же, знаючи Бога, більше ж будучи познані від Бога, як вертаєтесь до немочних та мізерних первотин, котрим знов наново служити хочете?
10 Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
Ви вважаєте на днї, місяцї, пори й лїта.
11 Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
Боюсь за вас, що може марно працював коло вас.
12 Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
Будьте, браттє, благаю вас, як і я: бо й я (такий), як ви. Нічим ви мене не скривдили.
13 nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen’ ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin’ ilay voalohany;
Ви ж знаєте, що я у немощі тїла благовістив вам перше.
14 ary ny teo amin’ ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’ Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an’ i Kristy Jesosy aza.
І не погордували ви спокусою, що була в тїлї моїм, анї відопхнули, а як ангела Божого прийняли мене, як Христа Ісуса.
15 Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
Яке ж то було блаженство ваше! Сьвідкую бо вам, що коли б можна, ви б тодї, вирвавши очі свої, оддали менї.
16 Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
То чи вже став я ворогом вам, говорячи вам правду?
17 Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
Ревнують про вас не добре, а хочуть відлучити вас, щоб ви про них ревнували.
18 Fa tsara raha ilam-pitia amin’ ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
Добре ж ревнувати всякого часу в доброму, тай не тільки, як я приходжу до вас.
19 Anaka, izay aharariako indray amin’ ny fiterahana mandra-paharin’ i Kristy ao anatinareo,
Дїточки мої, (ви, ) котрими знов мучусь (перед родинами), доки Христос з'образить ся у вас,
20 enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
хотїв би я бути у вас сьогоднї і змінити голос мій, бо я в непевности про вас.
21 Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
Скажіть менї, ви, що хочете бути під законом: хиба ви закону не слухаєте?
22 fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin’ ny andevovavy, ary ny anankiray tamin’ ny tsy andevo.
Писано бо, що Авраам мав два сини, одного від невольницї, а одного од вільної.
23 Kanefa ilay tamin’ ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ ny teny fikasana.
Та що був од невольницї, родивсь по тілу, а що од вільної, по обітницї.
24 Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ ny fahandevozana, dia Hagara izany.
Се ж иносказаннє; се бо два завіти: один з гори Синая, що родить у неволю, котра єсть Агара.
25 Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’ i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ ny zanany.
Бо Агара, се Синай, гора в Аравиї, прикладаєть ся ж до теперішнього Єрусалиму, і служить з дітьми своїми.
26 Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
А вишній Єрусалим вільний; він мати всім нам.
27 Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ ny manana-bady.
Писано бо: Звеселись, неплідна, що не роджаєш; гукай та покликуй, ти, що не мучилась; бо в одинокої багато дїтей, більш нїж у тієї, що має чоловіка.
28 Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’ isaka.
Ми ж, браттє, по Ісааку дїти обітування.
29 Kanefa tahaka ny tamin’ izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
Та, як тодї, хто родивсь по тілу, гонив того, хто по духу, так і тепер.
30 Nefa ahoana no lazain’ ny Soratra Masìna? Roahy io andevovavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ ny zanaky ny tsy andevo.
Тільки ж бо що глаголе писаннє? Вижени невільницю й сина її, не має бо наслідувати син невільниці з сином вільної.
31 Ary amin’ izany, ry rahalahy, tsy zanak’ andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
Оце ж, браттє, ми не діти невільниці, а вільної.

< Galatiana 4 >