< Ezra 8 >

1 Ary izao no lohan’ ny fianakaviana sy filazana ny firazanan’ ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka:
Now these are the heads of their fathers' households, and this is the genealogy of those who went up with me from Babylon, in the reign of Artachshasta the king:
2 Gersoma, avy tamin’ ny taranak’ i Finehasa; Daniela, avy tamin’ ny taranak’ Itamara; Hatosy, avy tamin’ ny taranak’ i Davida;
Of the sons of Phinehas, Gershom. Of the sons of Ithamar, Daniel. Of the sons of David, Hattush
3 Zakaria, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania (avy tamin’ ny zanak’ i Parosy), mbamin’ ny namany dimam-polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
the son of Shecaniah, of the sons of Parosh, Zechariah; and with him were reckoned by genealogy of the males one hundred fifty.
4 Elihoenay, zanak’ i Zerahia, avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba, mbamin’ ny namany roan-jato lahy;
Of the sons of Pahath-Moab, Eliehoenai the son of Zerahiah; and with him two hundred males.
5 ny zanak’ i Jahaziela, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania, mbamin’ ny namany telon-jato lahy;
Of the sons of Zattu, Shecaniah the son of Jahaziel, and with him three hundred males.
6 Ebeda, zanak’ i Jonatana, avy tamin’ ny taranak’ i Adina, mbamin’ ny namany dimam-polo lahy;
Of the sons of Adin, Ebed the son of Jonathan; and with him fifty males.
7 Jesaia, zanak’ i Atalia, avy tamin’ ny taranak’ i Elama, mbamin’ ny namany fito-polo lahy;
Of the sons of Elam, Jeshaiah the son of Athaliah; and with him seventy males.
8 Zebadia, zanak’ i Mikaela, avy tamin’ ny taranak’ i Sefatia, mbamin’ ny namany valo-polo lahy;
Of the sons of Shephatiah, Zebadiah the son of Michael; and with him eighty males.
9 Obadia, zanak’ i Jehiela, avy tamin’ ny taranak’ i Joaba, mbamin’ ny namany valo ambin’ ny folo amby roan-jato lahy;
Of the sons of Joab, Obadiah the son of Jehiel; and with him two hundred and eighteen males.
10 ny zanak’ i Josifia, avy tamin’ ny taranak’ i Selomita, mbamin’ ny namany enim-polo amby zato lahy;
Of the sons of Bani, Shelomoth the son of Josiphiah, and with him one hundred sixty males.
11 Zakaria, zanak’ i Bebay, avy tamin’ ny taranak’ i Bebay, mbamin’ ny namany valo amby roa-polo lahy,
Of the sons of Bebai, Zechariah the son of Bebai; and with him twenty-eight males.
12 Johanana, zanak’ i Hakatana, avy tamin’ ny taranak’ i Azgada, mbamin’ ny namany folo amby zato lahy;
Of the sons of Azgad, Johanan the son of Hakkatan; and with him one hundred ten males.
13 ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin’ ny namany enim-polo lahy,
Of the sons of Adonikam, who were the last; and these are their names: Eliphelet, Jeuel, and Shemaiah; and with them sixty males.
14 Otahy sy Zaboda, avy tamin’ ny taranak’ i Bigvay, mbamin’ ny namany fito-polo lahy.
Of the sons of Bigvai, Uthai and Zakkur; and with them seventy males.
15 Ary novoriko teo amoron’ ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak’ i Levy teo na dia iray akory aza.
I gathered them together to the river that runs to Ahava; and there we camped three days: and I viewed the people, and the cohanim, and found there none of the sons of Levi.
16 Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
Then sent I for Eliezer, for Ariel, for Shemaiah, and for Elnathan, and for Jarib, and for Elnathan, and for Nathan, and for Zechariah, and for Meshullam, chief men; also for Joiarib, and for Elnathan, who were teachers.
17 Ary nampitondraiko teny ho any amin’ Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’ Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitray.
I sent them forth to Iddo the chief at the place Casiphia; and I told them what they should tell Iddo, and his brothers the temple servants, at the place Casiphia, that they should bring to us ministers for the house of our God.
18 Ary araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ ny taranak’ i Maly, zanak’ i Levy, zanak’ Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ ny rahalahiny, valo ambin’ ny folo lahy,
According to the good hand of our God on us they brought us a man of discretion, of the sons of Mahli, the son of Levi, the son of Israel; and Sherebiah, with his sons and his brothers, eighteen;
19 ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin’ ny taranak’ i Merary, mbamin’ ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
and Hashabiah, and with him Jeshaiah of the sons of Merari, his brothers and their sons, twenty;
20 ary avy tamin’ ny Netinima, izay notendren’ i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
and from the temple servants, whom David and the officials had given for the service of the Levites, two hundred and twenty temple servants. All of them were mentioned by name.
21 Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron’ ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan’ Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
Then I proclaimed a fast there, at the river Ahava, that we might humble ourselves before our God, to seek of him a straight way for us, and for our little ones, and for all our substance.
22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ ny mpanjaka hiaro anay amin’ ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan’ Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
For I was ashamed to ask of the king a band of soldiers and horsemen to help us against the enemy in the way, because we had spoken to the king, saying, "The hand of our God is on all those who seek him, for good; but his power and his wrath is against all those who forsake him."
23 Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
So we fasted and begged our God for this: and he was entreated of us.
24 Ary nanokana roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
Then I set apart twelve of the chiefs of the cohanim, namely, Sherebiah, and Hashabiah, and ten of their brothers with them,
25 ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon’ Andriamanitray, izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
and weighed to them the silver, and the gold, and the vessels, even the offering for the house of our God, which the king, and his counselors, and his officials, and all Israel there present, had offered:
26 eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan’ ny talenta zato, ary talenta volamena zato
I weighed into their hand six hundred fifty talents of silver, and silver vessels one hundred talents; of gold one hundred talents;
27 sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan’ ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.
and twenty bowls of gold, of one thousand darics; and two vessels of fine bright bronze, precious as gold.
28 Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masìna ho an’ i Jehovah, sady masìna koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
I said to them, "You are holy to the LORD, and the vessels are holy; and the silver and the gold are a freewill offering to the LORD, the God of your fathers.
29 Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Isiraely any Jerosalema, dia amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ i Jehovah.
Watch, and keep them, until you weigh them before the chiefs of the cohanim and the Levites, and the leaders of the ancestral houses of Israel, at Jerusalem, in the rooms of the house of the LORD."
30 Dia noraisin’ ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon’ Andriamanitray.
So the cohanim and the Levites received the weight of the silver and the gold, and the vessels, to bring them to Jerusalem to the house of our God.
31 Dia niala teo amin’ ny ony Ahava izahay tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan’ Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
Then we departed from the river Ahava on the twelfth day of the first month, to go to Jerusalem: and the hand of our God was on us, and he delivered us from the hand of the enemy and the bandit by the way.
32 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
We came to Jerusalem, and stayed there three days.
33 Ary tamin’ ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan’ i Meremota, zanak’ i Oria mpisorona, tao an-tranon’ Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak’ i Finehasa; ary teo amin’ izy roa lahy koa Jozabada, zanak’ i Jesoa, sy Noadia, zanak’ i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
On the fourth day the silver and the gold and the vessels were weighed in the house of our God into the hand of Meremoth the son of Uriah the cohen; and with him was Eleazar the son of Phinehas; and with them was Jozabad the son of Jeshua, and Noadiah the son of Binnui, the Levite;
34 an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin’ izany andro izany ny lanjany rehetra.
the whole by number and by weight: and all the weight was written at that time.
35 Ary ny olona izay niverina avy tamin’ ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo ho an’ ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
The exiles who had returned from captivity offered burnt offerings to the God of Israel, twelve bulls for all Israel, ninety-six rams, seventy-seven lambs, and twelve male goats for a sin offering: all this was a burnt offering to the LORD.
36 Ary ny didin’ ny mpanjaka dia natolony tamin’ ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon’ Andriamanitra.
They delivered the king's commissions to the king's satraps, and to the governors beyond the River: and they furthered the people and God's house.

< Ezra 8 >