< Ezra 4 >

1 Ary nony ren’ ny fahavalon’ ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Now when the adversaries of Judah and Benjamin heard that the children of the captivity built the temple to the LORD God of Israel;
2 dia nanatona an’ i Zerobabela sy ny lohan’ ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an’ Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ ny andron’ i Esara-hadona, mpanjakan’ i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
Then they came to Zerubbabel, and to the chief of the fathers, and said to them, Let us build with you: for we seek your God, as you do; and we do sacrifice to him since the days of Esarhaddon king of Assur, which brought us up here.
3 Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin’ ny namany lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ ny hanaovana trano ho an’ Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian’ itompokolahy Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, anay.
But Zerubbabel, and Jeshua, and the rest of the chief of the fathers of Israel, said to them, You have nothing to do with us to build an house to our God; but we ourselves together will build to the LORD God of Israel, as king Cyrus the king of Persia has commanded us.
4 Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
Then the people of the land weakened the hands of the people of Judah, and troubled them in building,
5 sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin’ ny andro nanjakan’ i Kyrosy tany Persia ka hatramin’ ny nanjakan’ i Dariosy, mpanjakan’ i Persia.
And hired counsellors against them, to frustrate their purpose, all the days of Cyrus king of Persia, even until the reign of Darius king of Persia.
6 Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.
And in the reign of Ahasuerus, in the beginning of his reign, wrote they to him an accusation against the inhabitants of Judah and Jerusalem.
7 Ary tamin’ ny andron’ i Artaksersesy no nanoratan’ i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin’ ny namany sisa ho any amin’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia; ary ny soratra tamin’ ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.
And in the days of Artaxerxes wrote Bishlam, Mithredath, Tabeel, and the rest of their companions, to Artaxerxes king of Persia; and the writing of the letter was written in the Syrian tongue, and interpreted in the Syrian tongue.
8 Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin’ i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an’ i Jerosalema toy izao:
Rehum the chancellor and Shimshai the scribe wrote a letter against Jerusalem to Artaxerxes the king in this sort:
9 Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaïta, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaïta, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
Then wrote Rehum the chancellor, and Shimshai the scribe, and the rest of their companions; the Dinaites, the Apharsathchites, the Tarpelites, the Apharsites, the Archevites, the Babylonians, the Susanchites, the Dehavites, and the Elamites,
10 mbamin’ ny firenena sisa izay nentin’ i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin’ ny tany sasany etỳ an-dafin’ ny ony etỳ ......
And the rest of the nations whom the great and noble Asnapper brought over, and set in the cities of Samaria, and the rest that are on this side the river, and at such a time.
11 Izao no teny amin’ ny taratasy nampitondrainy ho any amin’ i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin’ ny ony etỳ ......
This is the copy of the letter that they sent to him, even to Artaxerxes the king; Your servants the men on this side the river, and at such a time.
12 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
Be it known to the king, that the Jews which came up from you to us are come to Jerusalem, building the rebellious and the bad city, and have set up the walls thereof, and joined the foundations.
13 Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana izany any aoriana.
Be it known now to the king, that, if this city be built, and the walls set up again, then will they not pay toll, tribute, and custom, and so you shall damage the revenue of the kings.
14 Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay,
Now because we have maintenance from the king’s palace, and it was not meet for us to see the king’s dishonor, therefore have we sent and certified the king;
15 mba hizahana ny boky tantaran’ ny razanao; dia ho hitanao eo amin’ ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
That search may be made in the book of the records of your fathers: so shall you find in the book of the records, and know that this city is a rebellious city, and hurtful to kings and provinces, and that they have moved sedition within the same of old time: for which cause was this city destroyed.
16 Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ intsony ianao.
We certify the king that, if this city be built again, and the walls thereof set up, by this means you shall have no portion on this side the river.
17 Dia nampitondrain’ ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin’ ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin’ ny tanàna sasany an-dafin’ ny ony, nanao hoe: Fiadanana ......
Then sent the king an answer to Rehum the chancellor, and to Shimshai the scribe, and to the rest of their companions that dwell in Samaria, and to the rest beyond the river, Peace, and at such a time.
18 Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako;
The letter which you sent to us has been plainly read before me.
19 ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin’ ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo.
And I commanded, and search has been made, and it is found that this city of old time has made insurrection against kings, and that rebellion and sedition have been made therein.
20 Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin’ ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
There have been mighty kings also over Jerusalem, which have ruled over all countries beyond the river; and toll, tribute, and custom, was paid to them.
21 Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko.
Give you now commandment to cause these men to cease, and that this city be not built, until another commandment shall be given from me.
22 Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana?
Take heed now that you fail not to do this: why should damage grow to the hurt of the kings?
23 Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin’ ny namany ny taratasin’ i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin’ ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny.
Now when the copy of king Artaxerxes’ letter was read before Rehum, and Shimshai the scribe, and their companions, they went up in haste to Jerusalem to the Jews, and made them to cease by force and power.
24 Dia natsahatra tsy natao ny tranon’ Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosy, mpanjakan’ i Persia.
Then ceased the work of the house of God which is at Jerusalem. So it ceased to the second year of the reign of Darius king of Persia.

< Ezra 4 >