< Ezra 3 >

1 Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin’ ny tanànany avy ny Zanak’ Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.
By the seventh month, the Israelites had settled in their towns, and the people assembled as one man in Jerusalem.
2 Dia nitsangana Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’ Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra.
Then Jeshua son of Jozadak and his fellow priests, along with Zerubbabel son of Shealtiel and his associates, began to build the altar of the God of Israel to sacrifice burnt offerings on it, as it is written in the Law of Moses the man of God.
3 Dia naoriny teo amin’ ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’ i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.
They set up the altar on its foundation and sacrificed burnt offerings on it to the LORD—both the morning and evening burnt offerings—even though they feared the people of the land.
4 Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin’ ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin’ ny fanatitra dorana isan’ andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan’ andro avy.
They also celebrated the Feast of Tabernacles in accordance with what is written, and they offered burnt offerings daily based on the number prescribed for each day.
5 Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin’ i Jehovah ary ny avy amin’ izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah.
After that, they presented the regular burnt offerings and those for New Moons and for all the appointed sacred feasts of the LORD, as well as all the freewill offerings brought to the LORD.
6 Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan’ ny tempolin’ i Jehovah.
On the first day of the seventh month, the Israelites began to offer burnt offerings to the LORD, although the foundation of the temple of the LORD had not been laid.
7 Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin’ ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia.
They gave money to the masons and carpenters, and food and drink and oil to the people of Sidon and Tyre to bring cedar logs from Lebanon to Joppa by sea, as authorized by Cyrus king of Persia.
8 Ary tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nahatongavany tany amin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, mbamin’ ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ ny asa amin’ ny tranon’ i Jehovah.
In the second month of the second year after they had arrived at the house of God in Jerusalem, Zerubbabel son of Shealtiel, Jeshua son of Jozadak, and the rest of their associates including the priests, the Levites, and all who had returned to Jerusalem from the captivity, began the work. They appointed Levites twenty years of age or older to supervise the construction of the house of the LORD.
9 Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak’ i Joda, ho tonian’ ny mpiasa tamin’ ny tranon’ Andriamanitra, ary ny zanak’ i Henadada koa mbamin’ ny zanany sy ny Levita rahalahiny.
So Jeshua and his sons and brothers, Kadmiel and his sons (descendants of Yehudah), and the sons of Henadad and their sons and brothers—all Levites—joined together to supervise those working on the house of God.
10 Ary rehefa naorin’ ny mpiasa ny tempolin’ i Jehovah, dia nasainy hidera an’ i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak’ i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely.
When the builders had laid the foundation of the temple of the LORD, the priests in their apparel with trumpets, and the Levites (the sons of Asaph) with cymbals, took their positions to praise the LORD, as David king of Israel had prescribed.
11 Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin’ ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an’ i Jehovah, satria vita ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
And they sang responsively with praise and thanksgiving to the LORD: “For He is good; for His loving devotion to Israel endures forever.” Then all the people gave a great shout of praise to the LORD, because the foundation of the house of the LORD had been laid.
12 Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;
But many of the older priests, Levites, and family heads who had seen the first temple wept loudly when they saw the foundation of this temple. Still, many others shouted joyfully.
13 ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
The people could not distinguish the shouts of joy from the sound of weeping, because the people were making so much noise. And the sound was heard from afar.

< Ezra 3 >