< Ezekiela 1 >

1 Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahatelo-polo, raha teo amin’ ny babo teo amoron’ ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin’ Andriamanitra aho.
In the thirtieth year, the fourth month, and the fifth day of the month, it came about that I was living among the captives by the Kebar Canal. The heavens opened, and I saw visions of God.
2 Tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana (taona fahadimy taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina mpanjaka izany)
On the fifth day of that month—it was the fifth year of the exile of King Jehoiachin—
3 dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
the word of Yahweh came to Ezekiel son of Buzi the priest, in the land of the Chaldeans by the Kebar Canal, and the hand of Yahweh was upon him there.
4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin’ ny afo dia nisy toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
Then I looked, and there was a windstorm coming from the north; a great cloud with fire flashing within it and brightness surrounding it and inside of it, and the fire was the color of amber inside the cloud.
5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan’ aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik’ olona.
In the middle was the likeness of four living creatures. This was their appearance: They had the likeness of a man,
6 Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
but they had four faces each, and each of the creatures had four wings.
7 Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon’ ny varahina manganohano izy.
Their legs were straight, but the soles of their feet were like the hooves of a calf that shone like polished bronze.
8 Ary nisy tanan’ olona teo ambanin’ ny elany teo amin’ ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
Yet they had human hands under their wings on all four sides. For all four, their faces and wings were like this:
9 Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy rehetra.
their wings were touching the wings of the next creature, and they did not turn as they went; instead, each one went straight forward.
10 Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ olona; ary tamin’ ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ ny liona izy efatra, ary tamin’ ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’ omby, ary samy nanana ny tarehin’ ny voromahery koa izy efatra.
The likeness of their faces was like the face of a man. The four of them had the face of a lion to the right side, and the four of them had the face of an ox on the left side. They four had also the face of an eagle.
11 Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin’ ny an’ ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
Their faces were like that, and their wings were spread out above, so that each creature had a pair of wings that touched another creature's wing, and also a pair of wings that covered their bodies.
12 Dia samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
Each went straight forward, so that wherever the Spirit directed them to go, they went without turning.
13 Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan’ aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ ny zava-manan’ aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
As for the likeness of the living creatures, their appearance was like burning coals of fire, like the appearance of torches; bright fire also moved about among the creatures, and there were flashes of lightning.
14 Ary ny zava-manan’ aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
The living creatures were moving swiftly back and forth, and they had the appearance of lightning!
15 Ary hitako ny zava-manan’ aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin’ ny tany, teo anilan’ ny zava-manan’ aina teo anoloan’ ny tarehiny efatra.
Then I looked at the living creatures; and I saw one wheel on the ground beside each of living creatures with its four faces.
16 Ny tarehin’ ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon’ ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin’ ny kodia.
This was the appearance and structure of the wheels: Each wheel was like beryl, and the four had the same likeness; their appearance and structure was like a wheel intersecting another wheel.
17 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin’ izay hitsin’ ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
As they moved, they went in any of their four directions, without turning as they went.
18 Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
As for their rims, they were high and fearsome, for the rims were full of eyes round about.
19 Ary raha nandeha ny zava-manan’ aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin’ ny tany ireo zava-manan’ aina, dia mba niainga koa ny kodia.
Whenever the living creatures moved, the wheels moved beside them. When the living creatures rose up from the earth, the wheels also rose up.
20 Na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho naleha dia nalehan’ ireo koa; fa any koa no mba tian’ ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin’ ny kodia ny fanahin’ ny zava-manan’ aina.
Wherever the Spirit would go, they went, and the wheels rose up beside them, for the spirit of the living creature was in the wheels.
21 Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin’ ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin’ ny zava-manan’ aina dia tao amin’ ny kodia.
Whenever the creatures moved, the wheels also moved; and when the creatures stood still, the wheels stood still; when the creatures rose up from the earth, the wheels rose up beside them, because the spirit of the living creature was in the wheels.
22 Ary teo ambonin’ ny lohan’ ny zava-manan’ aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon’ ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin’ ny lohany.
Over the heads of the living creatures was the likeness of an expansive dome; it looked like awe-inspiring crystal stretched out over their heads above.
23 Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin’ ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.
Beneath the dome, each one of the creature's wings stretched out straight and touched another creature's wings. Each of the living creatures also had a pair to cover themselves; each had a pair to cover his own body.
24 Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ ny rano be, dia tahaka ny feon’ ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ ny miaramila mitoby;
Then I heard the sound of their wings. Like the noise of many waters. Like the voice of the Almighty whenever they moved. Like the sound of a rainstorm. Like the sound of an army. Whenever they stood still, they lowered their wings.
25 Ary nisy feo avy teo ambonin’ ny eloelo izay teo ambonin’ ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.
A voice came from above the dome over their heads whenever they stood still and lowered their wings.
26 Ary teo ambonin’ ny eloelo, izay teo ambonin’ ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin’ ny vato safira; ary teo ambonin’ ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik’ olona.
Above the dome over their heads was the likeness of a throne that was like the appearance of a sapphire stone, and on the likeness of the throne was a likeness like the appearance of a man.
27 Ary nahita toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin’ ny afo manodidina azy; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra ka hatramin’ ny valahany no ho midìna dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
I saw a figure with the appearance of glowing metal with fire in it from the appearance of his hips up; I saw from the appearance of his hips downward the appearance of fire and brightness all around.
28 Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro nisy ranon’ orana no tarehin’ ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ ny anankiray niteny.
Like the appearance of a rainbow in the clouds on a rainy day was the appearance of the bright light surrounding it. It was the appearance of the likeness of the glory of Yahweh. When I saw it, I fell on my face, and I heard a voice speaking.

< Ezekiela 1 >