< Ezekiela 45 >

1 Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia anjara masìna amin’ ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin’ ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masìna any amin’ ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
“‘Mukamadzagawa dziko kuti fuko lililonse lilandire cholowa chake, mudzapatuleko chigawo chimodzi kuti chikhale cha Yehova. Mulitali mwake mudzakhale makilomita khumi ndi awiri ndi theka ndipo mulifupi mwake makilomita khumi. Malo onsewo adzakhale opatulika.
2 Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masìna, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
Mʼkati mwa chigawo chimenechi, malo a mamita 250 mbali iliyonse adzakhala malo a Nyumba ya Mulungu. Pozungulira pake ponse padzakhala malo a mamita 25.
3 Eny, araka izany fandrefesana izany no handrefesanao dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany; ary ho ao amin’ io ny fitoerana masìna, dia ny masìna indrindra.
Mʼchigawo chopatulikacho muyeze malo a makilomita 12 ndi theka mulitali mwake, makilomita asanu mulifupi mwake. Pamenepo padzakhala malo opatulika kwambiri.
4 Ho anjara masìna amin’ ny tany izany ka ho an’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, ary ho fitoeran’ ny tranony sy ho tany masìna hasiana ny fitoerana masìna.
Malo opatulika amenewa adzakhalanso a ansembe amene amatumikira ku malo opatulika, amene amayandikira Yehova kuti amutumikire. Pamenepo padzakhala malo omangapo nyumba zawo ndi malo omangapo Nyumba ya Mulungu.
5 Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an’ ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.
Alevi otumikira ku Nyumba ya Mulungu adzakhala ndi malo a makilomita khumi ndi awiri ndi theka mulitali mwake ndi makilomita asanu mulifupi mwake. Kumeneko ndiko kudzakhale midzi yawo.
6 Ary homenareo koa ny zara-tany ho an’ ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana; ho an’ ny taranak’ Isiraely rehetra izany.
“‘Moyandikana ndi malo opatulika, padzakhale malo a makilomita awiri ndi theka mulifupi mwake ndi makilomita khumi ndi awiri ndi theka mulitali mwake; kuti akhale malo a mzinda. Malo amenewa adzakhala a Aisraeli onse.
7 Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo an-daniny roa amin’ ny anjara masìna voatokana sy amin’ ny tany ho an’ ny tanàna, dia ny mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana sy ny mifanolotra amin’ ny tany ho an’ ny tanàna, hatreo amin’ ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin’ ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin’ ireo anjaran’ ny firenena, na amin’ ny andrefana na amin’ ny atsinanana.
“‘Mfumu idzakhale ndi malo okhudzana ndi chigawo cha malo opatulika ndi cha mzinda. Malowo ayandikane ndi zigawozo chakummawa ndi chakumadzulo. Malowo atalike ngati chigawo chimodzi cha fuko la Israeli kuyambira ku malire akummawa mpaka ku malire akumadzulo.
8 Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin’ ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro dia tsy hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an’ ny taranak’ Isiraely isam-pireneny.
Malowa adzakhala chigawo cha mfumu mu Israeli. Choncho mafumu anga sadzazunzanso anthu anga, koma adzidzalola Aisraeli kuti akhale ndi zigawo zawozawo.
9 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan’ ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
“‘Ine Ambuye Yehova ndikuti: Tsono pakwana, inu akalonga a Israeli. Lekani nkhanza zanu ndi kupondereza anthu anga. Muzitsata chilungamo ndi kuchita zokomera anthu. Musapirikitse anthu anga mʼdzikomo. Ndikutero Ine Ambuye Yehova.
10 Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
Miyeso yanu yoyezera zinthu monga efa ndi bati zizikhala zokhulupirika.
11 Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon’ ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon’ ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
Efa ndi bati ikhale miyeso yolingana kukula kwake. Muyeso wa homeri ukhale wokwanira mabati khumi, ukhalenso wokwanira maefa khumi. Ndiye kuti kukula kwa miyeso iwiriyo kuzidzatsata kukula kwa homeriyo.
12 Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin’ ny folo no ho manenareo.
Muyeso wa sekeli ukhale wokwanira magera makumi awiri. Muyeso wa mina ukhale wolemera masekeli 60.
13 Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin’ ny efaha isaky ny homeran’ ny vary tritika; ary haloanareo koa ny ampahenin’ ny efaha isaky ny homeran’ ny vary hordea;
“‘Zopereka zomwe mudzidzapereka ndi izi: chimodzi mwa zigawo 60 za tirigu, barelenso chimodzimodzi ndiponso gawo limodzi la magawo asanu ndi limodzi la efa, kulitapa pa barele wa homeri.
14 ary ny didy ny amin’ ny diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon’ ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.
Gawo loyenera la mafuta, loyezedwa ndi bati, ndiponso chigawo mwa zigawo 100 za mafuta. Miyeso yake ili motere: mabati khumi afanana ndi homeri imodzi kapena kori imodzi.
15 Ary ondry iray isan-droanjato amin’ ny tanin’ ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
Muperekenso nkhosa imodzi pa gulu lankhosa 200 za pa msipu wabwino wa mu Israeli. Izi zidzagwiritsidwa ntchito monga nsembe za chakudya, nsembe zopsereza, ndi nsembe zachiyanjano ndi nsembe zopepesera milandu ya anthu. Ndikutero Ine Ambuye Yehova.
16 Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
Anthu onse a mʼdzikomo azidzapereka zimenezi kwa mfumu ya Israeli.
17 Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin’ ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ ny taranak’ Isiraely; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny taranak’ Isiraely.
Udzakhala udindo wa mfumu kupereka zofunikira ku nsembe zopsereza, nsembe za chakudya, ndi nsembe za zakumwa pa nthawi ya zikondwerero, chikondwerero cha mwezi watsopano ndi cha masabata, nthawi yonse ya zikondwerero zoyikika za Aisraeli. Mfumuyo idzapereka nsembe zopepesera machimo, nsembe za chakudya, nsembe zopsereza, ndi nsembe zachiyanjano kuti zikhale nsembe zopepesera machimo a Aisraeli.
18 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha mby amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia haka vantotr’ ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masìna.
“‘Ine Ambuye Yehova ndikuti: Pa tsiku loyamba la mwezi woyamba muzitenga mwana wangʼombe wamwamuna wopanda chilema ndi kuchita mwambo woyeretsa malo opatulika.
19 Ary hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin’ ny tolan’ ny trano sy amin’ ny zoro efatra amin’ ny rindrin’ ny alitara ary amin’ ny tolan’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny.
Wansembe atengeko magazi a nsembe yopepesera machimoyo ndipo awapake pa mphuthu za Nyumba ya Mulungu, pa ngodya zinayi za pamwamba pa guwa lansembe ndi pa mphuthu za pa chipata cha bwalo la mʼkati.
20 Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny andro fahafito amin’ ny volana ho an’ ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny trano ianareo.
Muzichita chimodzimodzi pa tsiku la chisanu ndi chiwiri la mwezi, kuchitira aliyense amene wachimwa mosafuna kapena mosadziwa. Motero Nyumba ya Mulungu idzakhala yoyera.
21 Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
“‘Pa tsiku la 14 la mwezi woyamba muzichita chikondwerero cha Paska, chikondwerero chake cha masiku asanu ndi awiri. Pa masiku amenewo muzidzadya buledi wopanda yisiti.
22 Ary amin’ izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
Pa tsiku loyamba la chikondwererocho, mfumu ipereke nsembe ya ngʼombe yayimuna monga nsembe yopepesera machimo ake ndi machimo a anthu onse a mʼdziko.
23 Ary amin’ ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan’ andro mandritra ny hafitoana ho an’ i Jehovah izy, dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan’ andro hataony fanatitra noho ny ota.
Pa masiku asanu ndi awiri a chikondwererocho, mfumu ipereke kwa Yehova nsembe zopsereza izi: ngʼombe zazimuna zisanu ndi ziwiri, nkhosa zazimuna zisanu ndi ziwiri, zonsezi zopanda chilema. Pa masikuwa mfumu iziperekanso mbuzi imodzi yayimuna ngati nsembe yopepesera machimo.
24 Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr’ ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran’ ny hina isan-efaha.
Pamodzi ndi ngʼombe iliyonse yayimuna ndi nkhosa iliyonse yayimuna, mfumu ipereke chopereka cha chakudya chokwanira efa imodzi ndiponso mafuta okwanira hini imodzi pa efa iliyonse.
25 Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito, amin’ ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.
“‘Pa nthawi ya chikondwerero cha masiku asanu ndi awiri, chimene chimayamba pa tsiku la 15 la mwezi wachisanu ndi chiwiri, mfumuyo iziperekanso nsembe za mtundu womwewo: nsembe zopepesera machimo, nsembe zopsereza, nsembe za chakudya ndi za mafuta.’”

< Ezekiela 45 >