< Ezekiela 42 >

1 Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin’ ny efi-trano tandrifin’ ny kianja voatokana sady tandrifin’ ny trano eo amin’ ny avaratra,
Och han hade mig ut bort uti yttra gården norrut, ibland de kamrar som lågo emot den byggningen, som vid templet stod, och emot templet norrut;
2 dia ho eo anoloan’ ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.
Hvilken plan hundrade alnar lång var, ifrå portenom norrut, och femtio alnar bred.
3 Tandrifin’ ny roa-polo hakiho amin’ ny kianja anatiny sady tandrifin’ ny lampivato amin’ ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin’ ny trano fahatelo ambony indrindra.
Tjugu alnar voro emot den inra gården, och emot golfvet i yttra gårdenom, och tretio alnar ifrå det ena hörnet intill det andra.
4 Ary teo anoloan’ ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.
Och innantill för kamrarna var en plan, tio alnar bred; en väg af en aln, och deras dörrar norrut.
5 Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.
Och ofvan denna kamrarna voro andre trängre kamrar; ty rummet i de nedra och medelkamrarna var icke stort;
6 Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin’ ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.
Ty det var tregge bottnar högt, och hade dock inga pelare, såsom gårdarna pelare hade; utan voro satte slätt hvar uppå den andra.
7 Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin’ ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan’ ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.
Och den yttre gården var omfattad med en mur, der kamrarna vid stodo; den var femtio alnar lång.
8 Fa ny lavan’ ireo efi-trano izay teo amin’ ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan’ ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.
Och kamrarna stodo hvar efter den andra, och femtio alnar långt vid yttra gården; men rummet för templet var hundrade alnar långt.
9 Ary teo ambanin’ ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin’ ireo avy eo amin’ ny kianja ivelany.
Och nedanför kamrarna var en plan österut, der man utur yttra gårdenom gick.
10 Ary nisy efi-trano koa teo amin’ ny sakan’ ny ampiantanin’ ny kianja teo amin’ ny atsinanana, tandrifin’ ny kianja voatokana sady tandrifin’ ny trano.
Och vid muren östantill voro ock kamrar.
11 Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin’ ny efi-trano teo amin’ ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin’ ny an’ ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin’ ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;
Och der var också en plan före, lika som för de andra kamrarna nordantill; och all ting var lika, med längd, bredd, och allt det deruppå var, såsom tillförene på de andra.
12 ary tahaka ny varavaran’ ny efi-trano eo amin’ ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin’ ny fiandohan’ ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan’ ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin’ ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
Och sunnantill voro ock lika sådana kamrar, med dörrar, och för planenom var den dörren söderut, der man framkommer ifrå den muren som östantill ligger.
13 Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan’ ny kianja voatokana, dia efi-trano masìna, hihinanan’ ny mpisorona izay manatona an’ i Jehovah ny zavatra masìna indrindra; any no hametrahany izay zavatra masìna indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masìna io fitoerana io.
Och han sade till mig: De kamrar norrut, och de kamrar söderut emot templet, de höra till helgedomen, der Presterna inne äta, då de offra Herranom det aldrahelgasta offret, och de skola der inlägga det aldrahelgasta offret, nämliga spisoffer, syndoffer och skuldoffer; ty det är ett heligt rum.
14 Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin’ ny fitoerana masìna ho any amin’ ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masìna izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masìna ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
Och då Presterna gå derin, skola de icke gå åter utu helgedomenom igen uti yttra gården; utan skola tillförene aflägga sin kläder, der de uti tjent hafva, in uti samma kammaren; ty de äro helig; och de skola draga sin andra kläder uppå, och sedan utgå ibland folket.
15 Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin’ ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
Och då han hade mält allt huset innantill, hade han mig ut till den porten österut, och han mälte ifrå honom allt deromkring.
16 Norefesiny tamin’ ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton’ ny volotara manodidina, raha amin’ ny volatara fandrefesana.
Österut mälte han femhundrade stänger långt.
17 Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton’ ny volotara manodidina, raha amin’ ny volotara fandrefesana.
Och norrut mälte han ock femhundrade stänger långt;
18 Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton’ ny volotara, raha amin’ ny volotara fandrefesana.
Desslikes söderut, ock femhundrade stänger.
19 Nitodika nankany amin’ ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton’ ny volotara tamin’ ny volotara fandrefesana.
Och då han kom vesterut, mälte han ock femhundrade stänger långt.
20 Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton’ ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masìna sy ny tsy masìna.
Alltså höll muren, den han mält hade, i fyrkant, på hvar sidon femhundrade stänger, allt omkring, att det helga skulle åtskildt vara ifrå det ohelga.

< Ezekiela 42 >