< Ezekiela 41 >

1 Ary nentiny ho ao amin’ ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin’ ny lafiny iray; sakan’ ny trano-lay izany.
После ме одведе у цркву, и измери довратнике, и беше шест лаката у ширину отуда и шест лаката у ширину одовуда, према ширини шатору.
2 Ary ny sakan’ ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin’ ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
А вратима ширина беше десет лаката, а стране вратима беху од пет лаката од туда и од пет лаката од овуда; по том измери јој дужину, и беше четрдесет лаката, и ширину, и беше двадесет лаката.
3 Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin’ ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan’ ny varavarana fito hakiho.
Па уђе унутра и измери довратнике, и беху од два лакта; а врата беху од шест лаката, а ширина вратима седам лаката.
4 Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan’ ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masìna indrindra.
И измери дужину онде, и беше двадесет лаката, а ширина двадесет лаката унутра у цркви; и рече ми: Ово је светиња над светињама.
5 Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin’ ny rindrin’ ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan’ ny paosin-trano dia efatra hakiho.
И измери зид дому, и беше шест лаката, и ширина клети унаоколо у дому беше четири лакта.
6 Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin’ ny rindrin-trano izay ho an’ ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin’ ny rindrin’ ny trano.
А клети беху по три једна над другом, и беше их тридесет, и допираху до зида који беше у дому унаоколо за клети да их држи, а не држаше их зид од дома.
7 Ary ny sakan’ ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon’ ny ambony amin’ ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon’ ny an-tenatenany amin’ ny ambany.
Јер се рашириваше грађевина озго унаоколо за клети које беху око дома озго свуда унаоколо, и зато грађевина беше озго шира, и најниже клети беху озго шире за средње.
8 Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan’ ny paosin-trano, dia eran’ ilay volotara hatramin’ ny ifanohizany.
И видех уз дом висину унаоколо; а под у клети беше с целе трске, шест лаката.
9 Ny hatevin’ ny rindrina ivelany amin’ ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.
Ширина зиду уз клети споља беше пет лаката, а беше празно место клетима која беху уз дом.
10 Ary ny teo anelanelan’ ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
И међу клетима беше двадесет лаката ширине око дома.
11 Ary ny varavaran’ ny paosin-trano dia mankao amin’ ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan’ ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
А врата од клети беху к празном месту, једна према северу, а једна према југу, а ширина оном празном месту пет лаката свуда унаоколо.
12 Ary ny trano izay teo anoloan’ ilay kianja voatokana tamin’ ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin’ ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin’ ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
А грађевина која беше пред одељеном страном к западу имаше седамдесет лаката у ширину, а зид те грађевине беше пет лаката широк унаоколо, и деведесет лаката дуг.
13 Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
Потом измери дом, и беше у дужину сто лаката; одељена страна и грађевина и зидови јој, све заједно у дужину сто лаката.
14 Ary ny sakan’ ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
И ширина пред домом и одељеном страном к истоку имаше сто лаката.
15 Dia norefesiny ny lavan’ ny trano teo anoloan’ ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin’ ny kianja
И измери дужину грађевини пред одељеном страном што беше иза ње, и клети њене од туда и од овуда, и беше сто лаката; и унутрашњи дом и ходнике од трема;
16 ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin’ izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin’ ny tany ka hatramin’ ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
Прагове и прозоре сужене, и клети унаоколо у три реда, према прагу, што беше обложено дрветом свуда унаоколо, од земље до прозора, и прозори беху обложени;
17 ary ny eo ambonin’ ny varavarana, na amin’ ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin’ ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin’ ny ohatra avokoa.
До врх врата и до дома унутрашњег, и споља, и сав зид унаоколо изнутра и споља на меру.
18 Ary nisy sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin’ ny hazo rofia dia teo anelanelan’ ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,
И беху начињени херувими и палме, једна палма међу два херувима, и у сваког херувима беху два лица:
19 ka ny tarehin’ olona no nanatrika ny hazo rofia tamin’ ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin’ ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.
Лице човечје према палми од туда, и лице лавово према палми од овуда; тако беше начињено по свему дому унаоколо;
20 Hatramin’ ny tany ka hatrany ambonin’ ny varavarana no nasiana sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin’ ny rindrin’ ny ati-trano lehibe.
Од земље до врх врата беху херувими и палме начињене, тако и по зиду у цркви.
21 Efa-joro ny tolan’ ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin’ ny fitoerana masìna dia nitovy tarehy tamin’ izany koa.
У цркви довратници беху на четири угла; и светињи лице беше онако.
22 Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan’ i Jehovah.
Олтар беше дрвен, три лакта висок, и два лакта дуг, с угловима, и дужина и стране беху од дрвета. И рече ми: То је сто који стоји пред Господом.
23 Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masìna dia nisy lela-varavarana roa.
Двоја врата беху у цркви и светињи;
24 Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin’ ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin’ ny anankiray.
А у вратима беху два крила, која се обртаху, два крила у једних врата и два у других.
25 Ary nisy sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin’ ny varavaran’ ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin’ ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan’ ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.
И на вратима црквеним беху начињени херувими и палме, као по зидовима; и греде дрвене беху пред тремом споља.
26 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin’ ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan’ ny lavarangana fidirana sy teo amin’ ny efi-trano momba ny trano ary teo amin’ ny tokonana.
И беху уски прозори и палме од туда и од овуда по странама трему и по клетима у дому и по гредама.

< Ezekiela 41 >