< Ezekiela 40 >

1 Tamin’ ny taona fahadimy amby roa-polo taorian’ ny namaboana antsika, tamin’ ny niandohan’ ny taona, dia tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana, tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo taorian’ ny namelezana ny tanàna, tamin’ izany andro izany dia tamiko ny tànan’ i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
In the five and twentieth year of our captivity, in the beginning of the year, in the tenth day of the month, in the fourteenth year after that the city was smitten, in the selfsame day, the hand of the LORD was upon me, and He brought me thither.
2 Fahitana avy amin’ Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin’ ny ilany atsimo.
In the visions of God brought He me into the land of Israel, and set me down upon a very high mountain, whereon was as it were the frame of a city on the south.
3 Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
And He brought me thither, and, behold, there was a man, whose appearance was like the appearance of brass, with a line of flax in his hand, and a measuring reed; and he stood in the gate.
4 Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak’ olona, mijere amin’ ny masonao, ary mihainoa amin’ ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ ny taranak’ Isiraely izay rehetra hitanao.
And the man said unto me: 'Son of man, behold with thine eyes, and hear with thine ears, and set thy heart upon all that I shall show thee, for to the intent that I might show them unto thee art thou brought thither; declare all that thou seest to the house of Israel.'
5 Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan’ ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin’ ny ampiantany, ka eran’ ny volotara, ary ny hahavony dia eran’ ny volotara koa.
And behold a wall on the outside of the house round about, and in the man's hand a measuring reed of six cubits long, of a cubit and a hand-breadth each; so he measured the breadth of the building, one reed, and the height, one reed.
6 Dia tonga teo amin’ ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran’ ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran’ ny volotara ny sakany.
Then came he unto the gate which looketh toward the east, and went up the steps thereof; and he measured the jamb of the gate, one reed broad, and the other jamb, one reed broad.
7 Ary ny trano fiambenana, dia eran’ ny volotara ny lavany, ary eran’ ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan’ ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia eran’ ny volotara.
And every cell was one reed long, and one reed broad; and the space between the cells was five cubits; and the jambs of the gate by the porch of the gate within were one reed.
8 Dia norefesiny koa ny lavarangan’ ny vavahady, ka eran’ ny volotara koa.
He measured also the porch of the gate toward the house, one reed.
9 Ary norefesiny ny lavarangan’ ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan’ ny vavahady dia teo anatiny.
Then measured he the porch of the gate, eight cubits; and the posts thereof, two cubits; and the porch of the gate was inward.
10 Ary ny trano fiambenana teo amin’ ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin’ ny lafiny roa.
And the cells of the gate eastward were three on this side, and three on that side; they three were of one measure; and the posts had one measure on this side and on that side.
11 Ary norefesiny koa ny haben’ ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan’ ny vavahady dia telo ambin’ ny folo hakiho.
And he measured the breadth of the entry of the gate, ten cubits; and the length of the gate, thirteen cubits;
12 Ary nisy nifefy teo anoloan’ ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
and a border before the cells, one cubit on this side, and a border, one cubit on that side; and the cells, six cubits on this side, and six cubits on that side.
13 Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin’ ny tafon’ ny trano fiambenana iray ka hatramin’ ny tafon’ ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
And he measured the gate from the roof of the one cell to the roof of the other, a breadth of five and twenty cubits; door against door.
14 Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin’ ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
He made also posts of threescore cubits; even unto the posts of the court in the gates round about.
15 Ary hatreo anoloan’ ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
And from the forefront of the gate of the entrance unto the forefront of the inner porch of the gate were fifty cubits.
16 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin’ ny trano fiambenana, na amin’ ny tongo-bato ao anatin’ ny vavahady; ary toy izany koa amin’ ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin’ ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin’ ny hazo rofia avokoa.
And there were narrow windows to the cells and to their posts within the gate round about, and likewise to the arches; and windows were round about inward; and upon each post were palm-trees.
17 Dia nentiny ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin’ ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin’ ny lampivato.
Then brought he me into the outer court, and, lo, there were chambers and a pavement, made for the court round about; thirty chambers were upon the pavement.
18 Ary ny lampivato dia teo anilan’ ny vavahady, sady nifanerana tamin’ ny lavan’ ny vavahady: lampivato ambany io.
And the pavement was by the side of the gates, corresponding unto the length of the gates, even the lower pavement.
19 Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan’ ny vavahady ambany ka hatreo anoloan’ ny kianja anatiny, dia hatreo amin’ ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
Then he measured the breadth from the forefront of the lower gate unto the forefront of the inner court without, a hundred cubits, eastward as also northward.
20 An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan’ ny vavahadin’ ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
And the gate of the outer court that looked toward the north, he measured the length thereof and the breadth thereof.
21 Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin’ ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
And the cells thereof were three on this side and three on that side; and the posts thereof and the arches thereof were after the measure of the first gate; the length thereof was fifty cubits, and the breadth five and twenty cubits.
22 Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin’ ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin’ ny ireo amin’ ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin’ ireo.
And the windows thereof, and the arches thereof, and the palm-trees thereof, were after the measure of the gate that looketh toward the east; and it was ascended by seven steps; and the arches thereof were before them.
23 Ary nisy vavahadin’ ny kianja anatiny, tandrifin’ ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho.
And there was a gate to the inner court over against the other gate, northward as also eastward; and he measured from gate to gate a hundred cubits.
24 Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
And he led me toward the south, and behold a gate toward the south; and he measured the posts thereof, and the arches thereof according to these measures.
25 Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
And there were windows in it and in the arches thereof round about, like those windows; the length was fifty cubits, and the breadth five and twenty cubits.
26 Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin’ ireo; ary nisy sarin’ ny hazo rofia iray tamin’ ny lafiny iray, ary iray koa tamin’ ny lafiny iray teo amin’ ny tongo-batony.
And there were seven steps to go up to it, and the arches thereof were before them; and it had palm-trees, one on this side, and another on that side, upon the posts thereof.
27 Ary nisy vavahady fidirana amin’ ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho koa.
And there was a gate to the inner court toward the south; and he measured from gate to gate toward the south a hundred cubits.
28 Ary nentiny niditra tamin’ ny vavahady atsimo ho any amin’ ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
Then he brought me to the inner court by the south gate; and he measured the south gate according to these measures;
29 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
and the cells thereof, and the posts thereof, and the arches thereof, according to these measures; and there were windows in it and in the arches thereof round about; it was fifty cubits long, and five and twenty cubits broad.
30 Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
And there were arches round about, five and twenty cubits long, and five cubits broad.
31 Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
And the arches thereof were toward the outer court; and palm-trees were upon the posts thereof; and the going up to it had eight steps.
32 Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin’ ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
And he brought me into the inner court toward the east; and he measured the gate according to these measures;
33 Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
and the cells thereof, and the posts thereof, and the arches thereof, according to these measures; and there were windows therein and in the arches thereof round about; it was fifty cubits long, and five and twenty cubits broad.
34 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony an-daniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
And the arches thereof were toward the outer court; and palm-trees were upon the posts thereof, on this side, and on that side; and the going up to it had eight steps.
35 Ary nentiny ho any amin’ ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
And he brought me to the north gate; and he measured it according to these measures;
36 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
the cells thereof, the posts thereof, and the arches thereof; and there were windows therein round about; the length was fifty cubits, and the breadth five and twenty cubits.
37 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin’ ny hazo rofia teo amin’ ny tongo-batony an-daniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.
And the posts thereof were toward the outer court; and palm-trees were upon the posts thereof, on this side, and on that side; and the going up to it had eight steps.
38 Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan’ ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
And a chamber with the entry thereof was by the posts at the gates; there was the burnt-offering to be washed.
39 Ary teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin’ ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
And in the porch of the gate were two tables on this side, and two tables on that side, to slay thereon the burnt-offering and the sin-offering and the guilt-offering.
40 Ary teo anilany eo ivelany amin’ ny fiakarana hiditra eo amin’ ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
And on the one side without, as one goeth up to the entry of the gate toward the north, were two tables; and on the other side of the porch of the gate were two tables.
41 Nisy latabatra efatra teo amin’ ny ilany iray amin’ ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin’ ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
Four tables were on this side, and four tables on that side, by the side of the gate; eight tables, whereupon to slay the sacrifices.
42 Ary nisy latabatra efatra natao tamin’ ny vato voapaika ho amin’ ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
Moreover there were four tables for the burnt-offering, of hewn stone, a cubit and a half long, and a cubit and a half broad, and one cubit high, whereupon to lay the instruments wherewith the burnt-offering and the sacrifice are slain.
43 Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin’ ny rindrina; ary natao teo ambonin’ ny latabatra ny hena fanatitra.
And the slabs, a handbreadth long, were fastened within round about; and upon the tables was to be the flesh of the offering.
44 Ary teo ivelan’ ny vavahady anatiny, teo anilan’ ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an’ ny mpihira teo amin’ ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan’ ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
And without the inner gate were chambers for the guard in the inner court, which was at the side of the north gate, and their prospect was toward the south; one at the side of the east gate having the prospect toward the north.
45 Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin’ ny trano.
And he said unto me: 'This chamber, whose prospect is toward the south, is for the priests, the keepers of the charge of the house.
46 Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny alitara, ireo dia taranak’ i Zadoka, izay isan’ ny taranak’ i Levy, ka manatona an’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
And the chamber whose prospect is toward the north is for the priests, the keepers of the charge of the altar; these are the sons of Zadok, who from among the sons of Levi come near to the LORD to minister unto Him.'
47 Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan’ ny trano.
And he measured the court, a hundred cubits long, and a hundred cubits broad, foursquare; and the altar was before the house.
48 Ary nentiny ho any amin’ ny lavarangan’ ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin’ ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray, ary ny sakan’ ny vavahady dia telo hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
Then he brought me to the porch of the house, and measured each post of the porch, five cubits on this side, and five cubits on that side; and the breadth of the gate was three cubits on this side, and three cubits on that side.
49 Roa-polo hakiho ny lavan’ ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin’ ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan’ ny tolana, iray tamin’ ny lafiny iray, ary iray tamin’ ny lafiny iray koa.
The length of the porch was twenty cubits, and the breadth eleven cubits; and it was by steps that it was ascended; and there were pillars by the posts, one on this side, and another on that side.

< Ezekiela 40 >