< Ezekiela 37 >

1 Tao amiko ny tànan’ i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran’ i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ ny lohasaha feno taolana aho.
The hand of Jehovah was upon me, and he brought me out in the Spirit of Jehovah, and set me down in the midst of the valley; and it was full of bones.
2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin’ ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin’ ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.
And he caused me to pass by them round about: and, behold, there were very many in the open valley; and, lo, they were very dry.
3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak’ olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
And he said unto me, Son of man, can these bones live? And I answered, O Lord Jehovah, thou knowest.
4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin’ ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ i Jehovah!
Again he said unto me, Prophesy over these bones, and say unto them, O ye dry bones, hear the word of Jehovah.
5 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;
Thus saith the Lord Jehovah unto these bones: Behold, I will cause breath to enter into you, and ye shall live.
6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
And I will lay sinews upon you, and will bring up flesh upon you, and cover you with skin, and put breath in you, and ye shall live; and ye shall know that I am Jehovah.
7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho, dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
So I prophesied as I was commanded: and as I prophesied, there was a noise, and, behold, an earthquake; and the bones came together, bone to its bone.
8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
And I beheld, and, lo, there were sinews upon them, and flesh came up, and skin covered them above; but there was no breath in them.
9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ ny fofonaina, eny, maminania, ry zanak’ olona, ka ataovy amin’ ny fofonaina hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Manatona avy amin’ ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
Then said he unto me, Prophesy unto the wind, prophesy, son of man, and say to the wind, Thus saith the Lord Jehovah: Come from the four winds, O breath, and breathe upon these slain, that they may live.
10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran’ ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin’ ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
So I prophesied as he commanded me, and the breath came into them, and they lived, and stood up upon their feet, an exceeding great army.
11 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’ Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
Then he said unto me, Son of man, these bones are the whole house of Israel: behold, they say, Our bones are dried up, and our hope is lost; we are clean cut off.
12 Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely;
Therefore prophesy, and say unto them, Thus saith the Lord Jehovah: Behold, I will open your graves, and cause you to come up out of your graves, O my people; and I will bring you into the land of Israel.
13 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ ny fasanareo.
And ye shall know that I am Jehovah, when I have opened your graves, and caused you to come up out of your graves, O my people.
14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
And I will put my Spirit in you, and ye shall live, and I will place you in your own land: and ye shall know that I, Jehovah, have spoken it and performed it, saith Jehovah.
15 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
The word of Jehovah came again unto me, saying,
16 Ary ianao, ry zanak’ olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an’ ny Joda sy ho an’ ny zanak’ Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an’ i Josefa dia tapa-kazon’ i Efraima sy ho an’ ny taranak’ Isiraely namany rehetra.
And thou, son of man, take thee one stick, and write upon it, For Judah, and for the children of Israel his companions: then take another stick, and write upon it, For Joseph, the stick of Ephraim, and [for] all the house of Israel his companions:
17 Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
and join them for thee one to another into one stick, that they may become one in thy hand.
18 Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin’ izany va ianao?
And when the children of thy people shall speak unto thee, saying, Wilt thou not show us what thou meanest by these?
19 dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’ i Josefa, izay eny an-tanan’ i Efraima, sy ny firenen’ ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin’ ny tapa-kazon’ i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
say unto them, Thus saith the Lord Jehovah: Behold, I will take the stick of Joseph, which is in the hand of Ephraim, and the tribes of Israel his companions; and I will put them with it, [even] with the stick of Judah, and make them one stick, and they shall be one in my hand.
20 Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
And the sticks whereon thou writest shall be in thy hand before their eyes.
21 Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak’ Isiraely avy any amin’ ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ ny taniny:
And say unto them, Thus saith the Lord Jehovah: Behold, I will take the children of Israel from among the nations, whither they are gone, and will gather them on every side, and bring them into their own land:
22 ary hataoko ho firenena iray any amin’ ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan’ izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
and I will make them one nation in the land, upon the mountains of Israel; and one king shall be king to them all; and they shall be no more two nations, neither shall they be divided into two kingdoms any more at all;
23 Ary tsy handoto tena amin’ ny sampiny, na amin’ ny fahavetavetany, na amin’ ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin’ ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
neither shall they defile themselves any more with their idols, nor with their detestable things, nor with any of their transgressions; but I will save them out of all their dwelling-places, wherein they have sinned, and will cleanse them: so shall they be my people, and I will be their God.
24 Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
And my servant David shall be king over them; and they all shall have one shepherd: they shall also walk in mine ordinances, and observe my statutes, and do them.
25 Ary honina any amin’ ny tany izay nomeko an’ i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan’ ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin’ ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
And they shall dwell in the land that I have given unto Jacob my servant, wherein your fathers dwelt; and they shall dwell therein, they, and their children, and their children’s children, for ever: and David my servant shall be their prince for ever.
26 Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masìna eo aminy mandrakizay.
Moreover I will make a covenant of peace with them; it shall be an everlasting covenant with them; and I will place them, and multiply them, and will set my sanctuary in the midst of them for evermore.
27 Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
My tabernacle also shall be with them; and I will be their God, and they shall be my people.
28 Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasìna ny Isiraely amin’ ny isian’ ny fitoerako masìna eo aminy mandrakizay.
And the nations shall know that I am Jehovah that sanctifieth Israel, when my sanctuary shall be in the midst of them for evermore.

< Ezekiela 37 >