< Ezekiela 32 >

1 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
И бысть во второенадесять лето, во вторыйнадесять месяц, во един день месяца,
2 Ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin’ ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin’ ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
бысть слово Господне ко мне глаголя: сыне человечь, возми плачь на фараона царя Египетска и речеши ему: льву языков уподобился еси ты, и яко змий великий, иже в мори, и бил еси рогами в реках твоих, и возмущал еси воду ногама твоима, и попирал еси реки твоя.
3 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin’ ireny amin’ ny haratoko ianao,
Сия глаголет Адонаи Господь: и возложу на тя сети Моя в собрании людий многих,
4 Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan’ ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
и изведу тя удою моею, и простру тя на земли: поля наполнятся тебе, и посажду на тебе вся птицы небесныя, и насыщу тобою вся звери всея земли:
5 Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.
и повергу плоти твоя на горах, и наполню кровию твоею всю землю,
6 Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin’ ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
и напиется земля от гноя твоего, от множества твоего на горах: и дебри наполню от тебе,
7 Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
и покрыю небо, егда угаснеши, и помрачу звезды его, солнце во облаце сокрыю, и луна не явит света своего:
8 Eny, ireny fanazavana eny amin’ ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
вся светила небесная помрачу на тя и дам тму на землю твою, глаголет Адонаи Господь.
9 Hataoko mitebiteby koa ny fon’ ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin’ ny tany izay tsy fantatrao
И разгневаю сердца людий многих, егда изведу пленники твоя во языки, в землю, еяже не знал еси.
10 Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin’ ny fanahiany ny ainy, raha mby amin’ ny andro haharavanao.
И уныют о тебе языцы мнози, и царие их ужасом ужаснутся о тебе, егда налетит мечь Мой на лица их, чающе падения своего от дне падения твоего.
11 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona dia ho tonga aminao.
Яко сия глаголет Адонаи Господь: мечь царя Вавилонска приидет тебе, мечьми исполинов, и поражу крепость твою:
12 Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin’ ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan’ i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
губителие от язык вси, и погубят укоризну Египетску, и сокрушится вся крепость его.
13 Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron’ ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron’ ny biby fiompy.
И погублю вся скоты его от воды многи, и не возмутит ея нога человеческа ктому, и стопа скотия не ступит на ню.
14 Dia hahenako ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,
Тако тогда умолкнут воды их, и реки их яко елей потекут, глаголет Адонаи Господь,
15 Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
егда дам Египта в пагубу, и опустеет земля с полнотою своею, егда разсею вся живущыя на ней, и уведят, яко Аз есмь Господь.
16 Izany no hira fahalahelovana hataon’ ny olona; Ny zanakavavin’ ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an’ i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
Плачь есть, и восплачешися о нем, и дщери языческия восплачутся о нем, над Египтом и над всею силою Его восплачутся, глаголет Адонаи Господь.
17 Ary tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
И бысть во второенадесять лето, перваго месяца в пятыйнадесять день, бысть слово Господне ко мне глаголя:
18 Ry zanak’ olona, isaony ny vahoaka maroben’ i Egypta, ary ampidino izy mbamin’ ny zanakavavin’ ny firenena malaza ho any ambanin’ ny tany, miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
сыне человечь, восплачися о крепости Египетстей (прекланяя преведи его): и сведут дщерей его мертвых языцы во глубину земную ко низходящым в пропасть.
19 Mihoatra noho ny an’ iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna, ka miampara amin’ izay tsy voafora.
От вод благолепно сниди и поспи с необрезаными.
20 Any amin’ ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra.
Среде язвеных мечем падут с ним, и успнет вся крепость его.
21 Izy sy ny nanampy azy no resahin’ ireo malaza amin’ ny lehilahy mahery any amin’ ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra. (Sheol h7585)
И рекут ти исполини: во глубине пропасти буди, кого лучши еси ты? Сниди и лязи с необрезаными среде язвеных мечем. (Sheol h7585)
22 Ao koa Asyria mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra;
Тамо Ассур и весь сонм его, и вси язвении тамо дашася, и гроб их во глубине пропасти, и быти сонм его окрест гроба его, вси язвении падшии мечем,
23 Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ ny tanin’ ny velona.
иже даша гробы его во стегнех рва, и бысть сонм его окрест гроба его, вси тии язвении падающии мечем, иже даша страх свой на земли живых.
24 Ao koa Elama mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin’ ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
Тамо Елам и вся сила его окрест гроба его, вси язвении падшии мечем и низходящии необрезани во глубину земную, давшии страх свой на земли живых:
25 Teo amin’ ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin’ ny tanin’ ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka izy; Ao amin’ ny voa-trabaka no nametrahany azy.
и прияша мучение свое с низходящими в пропасть, среде язвеных.
26 Ao koa Meseka-tobala mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona izy.
Тамо дашася Мосох, и Фовель, и вся сила его, окрест гроба его, вси необрезаннии язвении от меча, давшии страх свой на земли жизни.
27 Ary tsy hiara-miampatra amin’ ny lehilahy mahery izay lavo isan’ ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ ny lohany ny sabany. Ary ao amin’ ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ ny tanin’ ny velona izy. (Sheol h7585)
И успоша со исполины падшими от века, иже снидоша во ад во оружии воинстем и положиша мечы своя под главы своя, и быша беззакония их на костех их, яко устрашиша всех во житии своем, и страх сильным быша на земли живущым. (Sheol h7585)
28 Eny, ianao dia haripaka ao amin’ ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin’ ny voatrabaky ny sabatra.
И ты посреде необрезанных сокрушишися и поспиши со язвеными мечем.
29 Ao koa Edoma mbamin’ ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin’ ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin’ ny tsy voafora izy sy amin’ izay midìna any an-davaka.
Тамо Едом и царие его и вси князи Ассуровы, давшии крепость свою на язву мечную: сии со язвеными успоша, с низходящими в ров.
30 Ao koa ireo andrianan’ ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin’ ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin’ izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin’ izay midìna any an-davaka.
Тамо князи северстии вси, тамо вси воеводы Ассуровы, иже сведени быша со язвеными со страхом своим и со крепостию своею стыдящеся, успоша необрезаннии со язвеными мечем, и прияша мучение свое с низходящими в пропасть.
31 Ireny dia ho hitan’ i Farao, ka dia hionona izy ny amin’ ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin’ ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
Тех узрит царь фараон и утешится от всей крепости их: фараон и язвении мечем и вся сила его, глаголет Адонаи Господь.
32 Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin’ ny tsy voafora, miaraka amin’ ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.
Яко дах страх Мой на земли жизни, и успнет среде необрезанных со язвеными мечем фараон, и все множество его с ним, глаголет Адонаи Господь.

< Ezekiela 32 >