< Ezekiela 23 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
La parole de l'Éternel me fut adressée en ces termes:
2 Ry zanak’ olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
Fils de l'homme, il y avait deux femmes, filles d'une même mère.
3 ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon’ ny fahavirijinany.
Elles se prostituèrent en Égypte; elles se prostituèrent dans leur jeunesse; là leurs mamelles furent pressées, leur sein virginal y fut flétri.
4 Ny anaran’ ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
L'aînée se nommait Ohola et sa sœur Oholiba. Elles m'appartenaient, et enfantèrent des fils et des filles. Celle qui s'appelle Ohola, c'est Samarie, et Oholiba, c'est Jérusalem.
5 Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin’ ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
Ohola me fut infidèle, et s'éprit de ses amants, les Assyriens, ses voisins,
6 izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
Vêtus de pourpre, gouverneurs et seigneurs, tous beaux jeunes hommes, des cavaliers montés sur des coursiers.
7 Nijangajanga tamin’ ireny izy, dia tamin’ izay tsara indrindra tamin’ ny zanakalahin’ i Asyria sy tamin’ izay rehetra nahamaimay azy; tamin’ ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
Elle commit adultère avec eux tous, l'élite des enfants d'Assur; elle se souilla avec tous ceux dont elle s'était éprise, et avec toutes leurs idoles.
8 Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
Elle n'a pas renoncé à ses prostitutions d'Égypte; car ils avaient déshonoré sa jeunesse, flétri son sein virginal, et répandu sur elle la souillure.
9 Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan’ ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan’ ny Asyriana izay nahamaimay azy.
C'est pourquoi je l'ai livrée aux mains de ses amants, aux mains des enfants d'Assur, dont elle s'était éprise.
10 Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan’ ireny, ary ny tenany novonoiny tamin’ ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin’ ny vehivavy izy ary efa niharan’ ny fitsarana.
Ils ont découvert sa nudité; ils ont enlevé ses fils et ses filles, et l'ont fait périr elle-même par l'épée. Elle est devenue fameuse parmi les femmes, après les jugements exercés sur elle.
11 Ary nony hitan’ i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an’ ny rahavaviny,
Sa sœur Oholiba avait vu cela; néanmoins elle fut plus déréglée encore dans sa passion, et dans ses prostitutions elle a fait pire que sa sœur.
12 Maimay tamin’ ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
Elle s'éprit des enfants d'Assur, gouverneurs et seigneurs, ses voisins, magnifiquement vêtus, cavaliers montés sur des coursiers, tous beaux jeunes hommes.
13 Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan’ izy mirahavavy;
Je vis qu'elle s'était souillée, et que toutes les deux suivaient la même voie.
14 ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin’ ny rindrina izy sy ny sarin’ ny Kaldeana voasoratra tamin’ ny loko mena.
Mais elle est allée plus loin encore dans ses prostitutions; car elle vit des peintures d'hommes sur la muraille, des images de Caldéens peints en vermillon.
15 samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak’ andriana, dia tahaka ny zanakalahin’ i Babylona, izay teraka tany amin’ ny tany Kaldea.
Ils portaient des ceintures autour de leurs reins, et sur leurs têtes des rubans flottants de diverses couleurs; ils avaient tous l'aspect de nobles guerriers, portraits des enfants de Babylone en Caldée, leur pays natal.
16 Ary raha vao hitan’ ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
Elle s'éprit d'eux, au premier regard de ses yeux, et leur envoya des messagers en Caldée.
17 Ary tonga tany aminy ho ao amin’ ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin’ i Babylona ka nandoto azy tamin’ ny fijangajangany; ary nony efa voaloton’ ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
Et les enfants de Babylone sont venus vers elle, pour partager la couche des amours, et ils l'ont souillée par leurs adultères; elle aussi s'est souillée avec eux, puis son cœur s'est détaché d'eux.
18 Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan’ ny fanahiko niala tamin’ ny rahavaviny ihany.
Elle a mis à nu ses adultères; elle a découvert sa nudité, et mon cœur s'est détaché d'elle, comme il s'était détaché de sa sœur;
19 Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin’ ny tany Egypta.
Car elle a multiplié ses prostitutions, en songeant aux jours de sa jeunesse, où elle s'était prostituée au pays d'Égypte.
20 Fa izy dia maimay tamin’ ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin’ ny soavaly.
Elle s'est éprise de ces débauchés dont la chair est comme la chair des ânes, et l'ardeur pareille à celle des chevaux.
21 Nitady ny fijangajangan’ ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan’ ny Egyptiana ny nononao, satria nonon’ ny fahavirijinanao ireo.
Tu es retournée aux crimes de ta jeunesse, alors que les Égyptiens pressaient tes mamelles, à cause de ton sein virginal.
22 Koa izao, ry Oholiba, no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan’ ny fanahinao, ka ho entiko avy amin’ ny tany manodidina izy mba hamely anao,
C'est pourquoi, Oholiba, ainsi a dit le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'excite contre toi tes amants dont ton cœur s'est détaché; je les amène de toute part contre toi:
23 dia ireny zanakalahin’ i Babylona mbamin’ ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andriandahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak’ andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.
Les enfants de Babylone et tous les Caldéens, chefs, princes et nobles, et tous les enfants d'Assur avec eux, de beaux jeunes hommes, tous gouverneurs et seigneurs, guerriers fameux, tous montés sur des coursiers.
24 Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin’ ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
Ils viennent contre toi avec des armes, des chars, de grands trains et une foule de peuples; ils t'environnent de toute part avec des pavois, des boucliers, des casques; je remets entre leurs mains le jugement; ils te jugeront à leur façon.
25 Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin’ ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin’ ny afo.
Je donne libre cours à l'ardeur de ma jalousie contre toi, et ils te traiteront avec fureur; ils te couperont le nez et les oreilles; et ce qui restera de toi périra par l'épée; ils enlèveront tes fils et tes filles, et ce qui restera de toi sera dévoré par le feu.
26 Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
Ils te dépouilleront de tes vêtements, et enlèveront les ornements dont tu te pares.
27 Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin’ ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
Je mettrai un terme à tes infamies et à tes prostitutions du pays d'Égypte; tu ne lèveras plus les yeux vers eux, et tu ne te souviendras plus de l'Égypte.
28 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan’ izay halanao ianao, dia eo an-tanan’ izay efa niombotan’ ny fanahinao;
Car ainsi a dit le Seigneur, l'Éternel: Voici, je te livre aux mains de ceux que tu hais, aux mains de ceux dont ton cœur s'est détaché.
29 ary hamely anao amin’ ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan’ ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
Ils te traiteront avec haine, ils t'enlèveront tout le fruit de tes labeurs; ils te laisseront nue, entièrement nue, et aussi sera mise à découvert la honte de tes impudicités, de ton crime et de tes prostitutions.
30 Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin’ ny sampiny.
On te fera ces choses, parce que tu t'es prostituée auprès des nations, que tu t'es souillée avec leurs idoles.
31 Tamin’ ny nalehan’ ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
Tu as marché dans la voie de ta sœur, c'est pourquoi je mettrai sa coupe dans ta main.
32 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
Ainsi a dit le Seigneur, l'Éternel: Tu boiras la coupe de ta sœur, coupe profonde et large; tu deviendras un objet de dérision et de moquerie; grande est sa capacité.
33 Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak’ i Samaria rahavavinao.
Tu seras remplie d'ivresse et de douleur; c'est une coupe de désolation et de stupeur que la coupe de ta sœur Samarie.
34 Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
Tu la boiras, tu la videras, tu en rongeras les morceaux, et tu te déchireras le sein. Car j'ai parlé, dit le Seigneur, l'Éternel.
35 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
C'est pourquoi ainsi a dit le Seigneur, l'Éternel: Parce que tu m'as mis en oubli, et que tu m'as rejeté derrière ton dos, porte donc aussi la peine de tes infamies et de tes adultères.
36 Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
Et l'Éternel me dit: Fils de l'homme, ne jugeras-tu pas Ohola. et Oholiba? Mets sous leurs yeux leurs abominations.
37 fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an’ ireny mba ho levona.
Elles ont commis adultère, et il y a du sang à leurs mains; elles ont commis adultère avec leurs idoles; et même, les enfants qu'elles ont enfantés, elles les ont fait passer par le feu pour être dévorés!
38 Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masìna izy tamin’ izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
Voici ce qu'elles m'ont encore fait: en un même jour, elles ont souillé mon sanctuaire et profané mes sabbats;
39 Ary nony efa novonoiny ho an’ ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin’ iny andro iny ihany ny fitoerako masìna ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin’ ny tranoko.
Après avoir immolé leurs enfants à leurs idoles, elles sont entrées le même jour dans mon sanctuaire pour le profaner! Voilà ce qu'elles ont fait au milieu de ma maison.
40 Ary koa, naniraka ho any amin’ ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.
Bien plus, elles ont fait chercher des hommes venant d'un pays éloigné; elles leur ont envoyé des messagers, et voici, ils sont venus. Pour eux tu t'es lavée, tu as fardé ton visage, et tu t'es parée d'ornements.
41 ary nipetrahanao tamin’ ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
Tu t'es assise sur un lit magnifique, devant lequel était dressée une table, et où tu as placé mon parfum et mon huile de senteur.
42 Ary teo aminy nisy ny feon’ ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian’ ireo haba teny an-tànan’ izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
Là on entendait le bruit d'une multitude joyeuse; et parmi cette foule d'hommes, on a fait venir des Sabéens du désert, qui ont mis des bracelets aux mains des deux sœurs, et de magnifiques couronnes sur leur tête.
43 Dia hoy Izaho ny amin’ ilay efa tontan’ ny fijangajangana ela: Amin’ izao dia mbola hisy hijangajanga amin’ io ihany va?
Et je dis, touchant celle qui avait vieilli dans l'adultère: Continueront-ils maintenant leurs impudicités avec elle, et elle avec eux?
44 Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin’ ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin’ i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
Et l'on est venu chez elle, comme l'on va chez une prostituée; c'est ainsi qu'on est allé vers Ohola et Oholiba, ces femmes coupables.
45 Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
Mais des hommes justes les jugeront comme on juge des femmes adultères, comme on juge celles qui répandent le sang, car elles sont adultères et il y a du sang à leurs mains.
46 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena sy ho babo izy.
C'est pourquoi, ainsi a dit le Seigneur, l'Éternel: Je ferai monter contre elles une multitude, et les livrerai à l'insulte et au pillage.
47 Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin’ ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin’ ny afo koa ny tranony.
Et cette multitude les assommera à coups de pierres, et les taillera en pièces par l'épée; ils égorgeront leurs fils et leurs filles; ils brûleront leurs maisons par le feu.
48 Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin’ ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.
Ainsi je mettrai fin aux infamies dans le pays, et toutes les femmes apprendront à ne point imiter vos désordres.
49 Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
On fera retomber sur vous-mêmes vos infamies; vous porterez la peine de vos péchés d'idolâtrie, et vous saurez que je suis le Seigneur, l'Éternel.

< Ezekiela 23 >