< Ezekiela 22 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
耶和華的話又臨到我說:
2 Ry zanak’ olona, moa tsy hitsara va ianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
「人子啊,你要審問審問這流人血的城嗎?當使她知道她一切可憎的事。
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
你要說,主耶和華如此說:哎!這城有流人血的事在其中,叫她受報的日期來到,又做偶像玷污自己,陷害自己。
4 Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin’ ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ ny jentilisa sy ho fanakoran’ ny tany rehetra,
你因流了人的血,就為有罪;你做了偶像,就玷污自己,使你受報之日臨近,報應之年來到。所以我叫你受列國的凌辱和列邦的譏誚。
5 ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
你這名臭、多亂的城啊,那些離你近、離你遠的都必譏誚你。
6 Indreo ny lehiben’ ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.
「看哪,以色列的首領各逞其能,在你中間流人之血。
7 Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin’ ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
在你中間有輕慢父母的,有欺壓寄居的,有虧負孤兒寡婦的。
8 Hamavoinao ny zavatra masìna, ary lotoinao ny Sabatako.
你藐視了我的聖物,干犯了我的安息日。
9 Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
在你中間有讒謗人、流人血的;有在山上吃過祭偶像之物的,有行淫亂的。
10 Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin’ ny fadim-bolana.
在你中間有露繼母下體羞辱父親的,有玷辱月經不潔淨之婦人的。
11 Misy manao fahavetavetana amin’ ny vadin’ ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
這人與鄰舍的妻行可憎的事;那人貪淫玷污兒婦;還有玷辱同父之姊妹的。
12 Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
在你中間有為流人血受賄賂的;有向借錢的弟兄取利,向借糧的弟兄多要的。且因貪得無饜,欺壓鄰舍奪取財物,竟忘了我。這是主耶和華說的。
13 Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
「看哪,我因你所得不義之財和你中間所流的血,就拍掌歎息。
14 Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin’ ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.
到了我懲罰你的日子,你的心還能忍受嗎?你的手還能有力嗎?我-耶和華說了這話,就必照着行。
15 Ary haeliko ho any amin’ ny jentilisa sy hahahako ho any amin’ ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
我必將你分散在列國,四散在列邦。我也必從你中間除掉你的污穢。
16 Ary dia ho hitan’ ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
你必在列國人的眼前因自己所行的被褻瀆,你就知道我是耶和華。」
17 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah anao hoe:
耶和華的話臨到我說:
18 Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin’ ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
「人子啊,以色列家在我看為渣滓。他們都是爐中的銅、錫、鐵、鉛,都是銀渣滓。
19 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
所以主耶和華如此說:因你們都成為渣滓,我必聚集你們在耶路撒冷中。
20 Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin’ ny memy ka misy mifofotra azy amin’ ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
人怎樣將銀、銅、鐵、鉛、錫聚在爐中,吹火鎔化;照樣,我也要發怒氣和忿怒,將你們聚集放在城中,鎔化你們。
21 eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin’ ny afon’ ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
我必聚集你們,把我烈怒的火吹在你們身上,你們就在其中鎔化。
22 Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin’ ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
銀子怎樣鎔化在爐中,你們也必照樣鎔化在城中,你們就知道我-耶和華是將忿怒倒在你們身上了。」
23 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
耶和華的話臨到我說:
24 Ry zanak’ olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain’ ny hainandro sady tsy ilatsahan’ ny ranonorana amin’ ny andro fahatezerana.
「人子啊,你要對這地說:你是未得潔淨之地,在惱恨的日子也沒有雨下在你以上。
25 Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
其中的先知同謀背叛,如咆哮的獅子抓撕掠物。他們吞滅人民,搶奪財寶,使這地多有寡婦。
26 Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masìna; tsy manavaka ny masìna sy ny tsy masìna izy, na mampiseho ny tsi-fitovian’ ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
其中的祭司強解我的律法,褻瀆我的聖物,不分別聖的和俗的,也不使人分辨潔淨的和不潔淨的,又遮眼不顧我的安息日;我也在他們中間被褻慢。
27 Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ ny tsy marina.
其中的首領彷彿豺狼抓撕掠物,殺人流血,傷害人命,要得不義之財。
28 Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
其中的先知為百姓用未泡透的灰抹牆,就是為他們見虛假的異象,用謊詐的占卜,說:『主耶和華如此說』,其實耶和華沒有說。
29 Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
國內眾民一味地欺壓,慣行搶奪,虧負困苦窮乏的,背理欺壓寄居的。
30 Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ ny banga eo anatrehako hifona ho an’ ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
我在他們中間尋找一人重修牆垣,在我面前為這國站在破口防堵,使我不滅絕這國,卻找不着一個。
31 koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.
所以我將惱恨倒在他們身上,用烈怒的火滅了他們,照他們所行的報應在他們頭上。這是主耶和華說的。」

< Ezekiela 22 >