< Ezekiela 18 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Опет ми дође реч Господња говорећи:
2 Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo?
Шта хоћете ви који говорите причу о земљи Израиљевој говорећи: Оци једоше кисело грожђе, а синовима трну зуби?
3 Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin’ ny Isiraely intsony.
Тако ја био жив, говори Господ Господ, нећете више говорити те приче у Израиљу.
4 Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
Гле, све су душе моје, како душа очева тако и душа синовљева моја је, која душа згреши она ће погинути.
5 Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
Јер ако је ко праведан и чини суд и правду,
6 fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolana,
На горама не једе и очију својих не подиже ка гадним боговима дома Израиљевог, и не скврни жене ближњег свог и не иде к жени одвојеној ради нечистоте,
7 na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
И никоме не чини насиља, залог дужнику свом враћа, ништа не отима, хлеб свој даје гладноме и голога одева,
8 tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin’ ny miady,
Не даје на добит и не узима придавка, од неправде устеже руку своју, и право суди између једног човека и другог,
9 ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
По уредбама мојим ходи, и држи законе моје творећи истину; тај је праведан, доиста ће живети, говори Господ Господ.
10 Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin’ ireo zavatra ireo aza iny
Ако роди сина лупежа, који би крв проливао или би чинио такво шта,
11 (nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin’ ny namany,
А не би чинио све оно, него би јео на горама, и жену ближњег свог скврнио,
12 na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
Сиромаху и убогоме насиље чинио, отимао шта, залог не би враћао, и ка гадним боговима подизао би очи своје чинећи гад,
13 na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.
Давао би на добит, и узимао придавак; хоће ли тај живети? Неће живети; учинио је све те гадове, доиста ће погинути, крв ће његова на њему бити.
14 Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
Али гле, ако роди сина који би видео све грехе оца свог што чини, и узео би на ум, те не би чинио онако,
15 ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany,
Не би јео на горама, нити би очију својих подизао ка гадним боговима дома Израиљевог, жене ближњег свог не би скврнио,
16 na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
И никоме не би чинио насиља, залог не би узимао и не би ништа отимао, давао би хлеб свој гладноме и голог би одевао,
17 miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.
Од сиромаха би устезао руку своју, не би узимао добити ни придавка, законе би моје извршио и по уредбама мојим ходио; тај неће погинути за безакоње оца свог, доиста ће живети.
18 Ny amin’ ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin’ ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
А отац његов, што је чинио насиље, отимао од брата свог и чинио шта није добро у народу свом, гле, он ће погинути за своје безакоње.
19 Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.
Али говорите: Зашто да не носи син безакоње очево? Јер син чини суд и правду, све уредбе моје држи и извршује; доиста ће живети.
20 Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
Која душа згреши она ће умрети, син неће носити безакоње очево нити ће отац носити безакоње синовљево; на праведнику ће бити правда његова, а на безбожнику ће бити безбожност његова.
21 Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
Ако ли би се безбожник обратио од свих греха својих које учини, и држао би све уредбе моје и творио суд и правду, доиста ће живети, неће погинути.
22 Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
Безакоња његова што их је год учинио неће му се више спомињати, у правди својој коју чини живеће.
23 Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ ny alehany mba ho velona izy?
Еда ли је мени мило да погине безбожник? Говори Господ, а не да се одврати од путева својих и буде жив?
24 Fa raha ny marina no miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
Али кад би се праведник одвратио од правде своје и чинио неправду, и радио по свим гадовима које чини безбожник, хоће ли он живети? Праведна дела његова, шта је год чинио, неће се споменути; за безакоње своје које учини за грех свој којим згреши погинуће.
25 Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’ Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
Још говорите: Није прав пут Господњи. Чујте, доме Израиљев, мој ли пут није прав? Нису ли ваши путеви неправи?
26 Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’ izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
Кад се праведник одврати од правде своје и чини зло и умре за то, умреће за зло своје које учини.
27 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
А кад се безбожник одврати од безбожности своје коју је чинио, и чини суд и правду, он ће сачувати у животу душу своју.
28 Raha mahita izy ka miala amin’ ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
Јер узевши на ум врати се од свих безакоња својих која учини; доиста ће живети, и неће погинути.
29 Nefa hoy ny taranak’ Isiraely: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. Ry taranak’ Isiraely, ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
Али дом Израиљев вели: Пут Господњи није прав. Моји ли путеви нису прави? Доме Израиљев, нису ли ваши путеви неправи?
30 Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
Зато, доме Израиљев, судићу вам свакоме по путевима његовим, говори Господ; обратите се и прођите се свих греха својих, и неће вам безакоње бити на спотицање.
31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
Одбаците од себе сва безакоња која чинисте, и начинисте себи ново срце и нов дух; и зашто да мрете? Доме Израиљев.
32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan’ izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin’ ireo lehiben’ ny Isiraely.
Јер ми није мила смрт оног који мре, говори Господ Господ; обратите се дакле и будите живи.

< Ezekiela 18 >