< Ezekiela 16 >

1 Tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
La parole de Yahweh me fut adressée en ces termes:
2 Ry zanak’ olona, ampahafantaro an’ i Jerosalema ny fahavetavetany,
« Fils de l’homme, fais connaître à Jérusalem ses abominations
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.
et dis: Ainsi parle le Seigneur Yahweh, à Jérusalem: Par ton origine et ta naissance, tu es de la terre du Chananéen; ton père était l’Amorrhéen et ta mère une Hittitene.
4 Ary ny amin’ ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin’ ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin’ ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.
Quant à ta naissance, le jour où tu naquis, ton cordon n’a pas été coupé, et tu n’as pas été baignée dans l’eau pour être purifiée; tu n’as pas été frottée de sel, ni enveloppée de langes.
5 Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin’ ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin’ ny andro nahaterahanao.
Aucun œil n’eut pitié de toi pour te rendre un seul de ces soins, par compassion pour toi; mais on te jeta, par dégoût de toi, sur la face des champs, le jour de ta naissance.
6 Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin’ ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.
Je passai près de toi et je te vis te débattant dans ton sang, et je te dis: Vis dans ton sang.
7 Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany
Je te fis multiplier comme l’herbe des champs; tu te multiplias et tu grandis; tu acquis une beauté parfaite; tes seins se formèrent et tu arrivas à la puberté; mais tu étais nue, entièrement nue.
8 Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
Et je passai près de toi et je te vis; et voici que ton temps était venu, le temps des amours; j’étendis sur toi le pan de mon manteau et je couvris ta nudité; je te fis un serment et j’entrai en alliance avec toi, — oracle du Seigneur Yahweh, — et tu fus à moi.
9 Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin’ ny rànao, dia nohosorako diloilo.
Je te baignai dans l’eau, et je lavai ton sang de dessus toi, et je t’oignis d’huile.
10 Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.
Je te vêtis de broderie, et je te chaussai de peau de veau marin; je ceignis ta tête d’un voile de lin, et je te couvris de soie.
11 Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
Je t’ornai d’une parure: je mis des bracelets à tes mains, et un collier à ton cou;
12 Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
je mis à ton nez un anneau, des boucles à tes oreilles, et sur ta tête un magnifique diadème.
13 ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik’ andriana
Tu t’ornas d’or et d’argent, et tu fus vêtue de lin, de soie et de broderie; la fleur de froment, le miel et l’huile étaient ta nourriture; tu devins extraordinairement belle, et tu arrivas à la dignité royale.
14 Ary dia niely tany amin’ ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
Ton nom se répandit parmi les nations à cause de ta beauté; car elle était parfaite, grâce à ma splendeur que j’avais répandue sur toi, — oracle du Seigneur Yahweh.
15 kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin’ ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany
Mais tu mis ta confiance en ta beauté, et tu te prostituas à la faveur de ton nom; tu prodiguas tes amours à tout passant, te livrant à lui.
16 Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
Et tu as pris de tes vêtements, et tu t’en es fait des hauts lieux aux couleurs variées, et tu t’es prostituée dessus: ce qui ne s’était jamais fait et ne se fera jamais.
17 Ary nalainao koa ny firavakao tamin’ ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
Tu as pris tes bijoux, faits de mon or et de mon argent que je t’avais donnés, et tu t’en es fait des images d’hommes, auxquelles tu t’es prostituée.
18 nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany
Tu as pris tes vêtements brodés et tu les en as couvertes, et tu as mis devant elles mon huile et mon encens.
19 Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan’ ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
Mon pain que je t’avais donné, la fleur de froment, l’huile et le miel dont je te nourrissais, tu les as mis devant elles en offrande d’agréable odeur. Voilà ce qui s’est fait, — oracle du Seigneur Yahweh.
20 Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an’ ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?
Tu as pris tes fils et tes filles que tu m’avais enfantés; tu les leur a offerts en sacrifice pour qu’ils les dévorassent. Etait-ce trop peu de tes prostitutions,
21 Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an’ ireo.
que tu aies égorgé mes fils, et que tu les leur aies livrés, en les faisant passer par le feu en leur honneur?
22 Ary tamin’ ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin’ ny rànao.
Et au milieu de toutes tes abominations et de tes prostitutions, tu ne t’es pas souvenue des jours de ta jeunesse, quand tu étais nue, complètement nue, te débattant dans ton sang.
23 Ary rehefa vitanao izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),
Après toutes tes méchantes actions, — malheur, malheur à toi! oracle du Seigneur Yahweh —
24 dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.
tu t’es construit une voûte et tu t’es fait un tertre sur toutes les places.
25 Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin’ ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
A chaque carrefour tu as élevé ton tertre; tu as souillé ta beauté; tu t’es livrée à tout passant, tu as multiplié tes prostitutions.
26 Hianao efa nijangajanga tamin’ ny zanak’ i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
Tu t’es prostituée aux fils de l’Égypte, tes voisins, aux membres vigoureux, et tu as multiplié tes prostitutions pour m’irriter.
27 Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako, ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin’ ny sitrapon’ izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin’ ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
Et voici que j’ai étendu ma main sur toi; j’ai diminué ta portion; je t’ai livrée au bon plaisir de tes ennemies, les filles des Philistins, qui ont rougi de ta conduite criminelle.
28 Ary nijangajanga tamin’ ny zanak’ i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.
Et tu t’es prostituée aux fils d’Assur, parce que tu n’étais pas rassasiée; et, après t’être prostituée à eux, tu n’as pas encore été rassasiée.
29 Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin’ ny tanin’ ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin’ izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
Et tu as multiplié tes prostitutions dans le pays de Canaan jusqu’en Chaldée, et avec cela tu n’as pas encore été rassasiée.
30 Akory ny fahamaimain’ ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin’ ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon’ ny janga tsivalahara!
Oh! que ton cœur est faible, — oracle du Seigneur Yahweh, — pour que tu aies fait toutes ces choses, ce que fait la prostituée la plus dévergondée!
31 Tamin’ ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao, satria tsy nahoanao akory izay tangy.
Quand tu construisais ta voûte à chaque carrefour et que tu faisais ton tertre à chaque place, tu n’étais pas comme la prostituée, car tu dédaignais le salaire;
32 Ny vadin’ olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ ny vadiny!
tu étais la femme adultère, qui prend des étrangers à la place de son mari.
33 Sy vehivavy janga rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady manome azy fanambatambazana hanatonan’ ny ny manodidina rehetra anao mba hijangajangany aminao.
A toutes les prostituées on donne des présents; mais toi, tu as donné tes présents à tous tes amants, tu les as payés, pour qu’ils viennent vers toi, de toutes parts, pour tes prostitutions.
34 Ary hafa noho ny amin’ ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin’ ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
Il t’est arrivé, dans tes prostitutions, le contraire de ce qui arrive aux autres femmes: personne ne te recherchait. En donnant des présents alors qu’on ne t’en faisait pas, tu as été au rebours des autres.
35 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry kala janga:
C’est pourquoi, prostituée, écoute la parole de Yahweh:
36 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ ny nijangajanganao tamin’ ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ ny zanakao izay naterinao ho an’ ireo.
Ainsi parle le Seigneur Yahweh: Parce que ton airain a été répandu et que ta nudité a été découverte, dans tes prostitutions avec tes amants et avec toutes tes abominables idoles, et à cause du sang de tes enfants que tu leur as donnés,
37 dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin’ ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin’ ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy;
à cause de cela voici que je rassemblerai tous tes amants avec lesquels tu as eu commerce, tous ceux que tu as aimés, avec tous ceux que tu as haïs; je vais les rassembler contre toi de toutes parts; je découvrirai ta nudité devant eux, et ils verront toute ta nudité.
38 ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
Je te jugerai selon le droit des femmes adultères et de celles qui répandent le sang; et je ferai de toi une victime sanglante de fureur et de jalousie.
39 Dia hatolotro ho eny an-tànan’ ireny ianao, ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny fitoerana avonao; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
Je te livrerai entre leurs mains; ils abattront ta voûte et démoliront tes hauts lieux; ils te dépouilleront de tes vêtements, prendront tes bijoux et te laisseront nue, complètement nue.
40 Dia hitondra vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin’ ny sabany ianao.
Ils feront monter contre toi une assemblée; ils te lapideront et te perceront de leurs épées.
41 Ary hodorany amin’ ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason’ ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
Ils brûleront tes maisons par le feu et ils exécuteront contre toi des jugements, sous les yeux de beaucoup de femmes; je ferai cesser tes prostitutions, et tu ne feras plus de présents.
42 Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
J’assouvirai sur toi mon courroux, et ma jalousie s’éloignera de toi; je m’apaiserai et ne serai plus irrité.
43 Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin’ ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin’ ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
Parce que tu ne t’es pas souvenue des jours de ta jeunesse et que tu m’as irrité par tous ces excès, voici que moi, à mon tour, je ferai retomber ta conduite sur ta tête, — oracle du Seigneur Yahweh; et tu ne commettras plus l’impudicité avec toutes tes abominations.
44 Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin’ izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.
Voici que tous ceux qui disent des proverbes en feront à ton sujet en disant:
45 Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin’ ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.
Telle mère, telle fille! Tu es bien la fille de ta mère qui a rejeté son mari et ses enfants, et tu es la sœur de tes sœurs qui ont rejeté leurs maris et leurs enfants; votre mère est une Hittitene, et votre père un Amorrhéen.
46 Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin’ ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
Ta grande sœur, qui demeure à ta gauche, c’est Samarie avec ses filles; et ta petite sœur, qui demeure à ta droite, c’est Sodome avec ses filles.
47 Nefa tsy araka ny alehan’ ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan’ ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin’ ny nalehanao rehetra.
Tu n’as pas seulement marché dans leurs voies et agi selon leurs abominations: c’était trop peu; tu t’es corrompue plus qu’elles dans toutes tes voies.
48 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.
Je suis vivant, — oracle du Seigneur Yahweh: Sodome, ta sœur, elle et ses filles, n’ont pas fait ce que tu as fait, toi, et tes filles.
49 Indro, izao no helok’ i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin’ ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.
Voici quel fut le crime de Sodome, ta sœur: l’orgueil, l’abondance et l’insouciant repos où elle vivait avec ses filles, et elle ne soutenait pas la main du malheureux et de l’indigent.
50 Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy.
Elles sont devenues orgueilleuses, et elles ont commis l’abomination devant moi, et je les ai fait disparaître quand j’ai vu cela.
51 Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon’ i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin’ ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.
Samarie n’a pas commis la moitié de tes péchés; tu as multiplié tes abominations plus qu’elles ne l’avaient fait, et tu as justifié tes sœurs par toutes tes abominations que tu as commises.
52 Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
Porte donc, toi aussi, ton opprobre, que tu rejetais sur tes sœurs, à cause de tes péchés par lesquels tu t’es rendue plus abominable qu’elles; elles sont plus justes que toi. Toi aussi, sois couverte de confusion et porte ton opprobre, puisque tu as justifié tes sœurs.
53 Ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin’ izay olonao voababo,
Je ramènerai leurs captifs, les captifs de Sodome et de ses filles, les captifs de Samarie et de ses filles, et tes captifs parmi les leurs,
54 mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin’ ny hampiononanao azy.
afin que tu portes ton opprobre et que tu sois confuse de tout ce que tu as fait pour les consoler.
55 Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin’ ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin’ ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin’ ny toetrareo taloha koa.
Ta sœur Sodome et ses filles reviendront à leur premier état, Samarie et ses filles reviendront à leur premier état; et toi et tes filles, vous reviendrez à votre premier état.
56 Nefa tsy mbola mba notononin’ ny vavanao akory ny nanjo an’ i Sodoma rahavavinao tamin’ ny andro niavonavonanao,
Ta sœur Sodome n’était pas nommée par ta bouche aux jours de ton orgueil,
57 fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin’ ny andro nandatsan’ ny zanakavavin’ i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin’ ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.
avant que ta perversité fut mise à nu, comme au temps où tu fus outragée par les filles de la Syrie et de tous ses alentours, par les filles des Philistins qui t’insultaient autour de toi.
58 Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
Ton crime et tes abominations, tu en as porté la peine, — oracle de Yahweh.
59 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
Car ainsi parle le Seigneur Yahweh: J’agirai avec toi comme tu as agi, toi qui as méprisé ton serment en rompant l’alliance.
60 Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin’ ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.
Mais moi, je me souviendrai de mon alliance que j’ai contractée avec toi aux jours de ta jeunesse, et j’établirai avec toi une alliance éternelle.
61 Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan’ ilay nanaovako fanekena taminao aza.
Tu te souviendras de ta conduite et tu en auras honte, quand tu recevras tes sœurs, celles qui sont plus grandes que toi avec celles qui sont plus petites que toi, et que je te les donnerai pour filles, mais non en vertu de ton alliance.
62 Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,
J’établirai mon alliance avec toi, et tu sauras que je suis Yahweh,
63 mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
afin que tu te souviennes et que tu rougisses, afin que tu n’ouvres plus la bouche à cause de ta confusion, quand je ferai l’expiation pour toi, pour tout ce que tu as fait, — oracle du Seigneur Yahweh. »

< Ezekiela 16 >