< Ezekiela 15 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak’ olona, inona no ihoaran’ ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ ny hazo any an’ ala? 3 Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra? 4 Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon’ ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy? 5 Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon’ ny afo sy may izy? 6 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin’ ny hazo any an’ ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema. 7 Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin’ ny afo izy nefa ho levon’ ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako. 8 Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.

< Ezekiela 15 >